Alahady 10 aprily 2022 — Alahadin'ny Sampankazo sy Fandinihana ny Fijalian'ny Tompo — Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 23, 1-19
(M = Mpitantara ; V = Vahoaka ; J = Jesoa)
M. Nitsangana ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ka nitondra an’i Jesoa tany amin’i Pilaty, ary niampanga Azy toy izao:
V. Azonay nampiodina ny firenenay ilay io, sy nandrara tsy handoa hetra ho an’i Sezara, ary nilaza ny Tenany ho Kristy Mpanjaka.
M. Dia nanontany Azy i Pilaty nanao hoe:
V. Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao? Ka novaliany hoe:
J. Voalazanao.
M. Ary hoy i Pilaty tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny vahoaka:
V. Tsy hitako izay mahameloka io Lehilahy io.
M. Fa vao mainka nanao letrezana izy ireo nanao hoe:
V. Mampiodina ny vahoaka Izy, aeliny eran’i Jodea manontolo ny fampianarany, dia hatrany Galilea izay nanombohany ka hatraty.
M. Nony nandre ny teny hoe Galilea i Pilaty, dia nanontany raha olona avy any Galilea Izy, ka nony fantany fa hoe avy any amin’ny tany fehezin’i Herôda Izy, dia nampanateriny tany amin’i Herôda, izay tao Jerosalema koa tamin’izany andro izany. Faly dia faly i Herôda nony nahita an’i Jesoa, fa efa ela no naniriany hahita Azy, noho ny fandrenesany Azy efa maresaka ery, sady nanantena izy fa hahita Azy hanao fahagagana. Nanao fanontaniana maro taminy izy, fa tsy namaly na inona na inona kosa i Jesoa. Eo izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna efa nikiribiby ery niampanga Azy. Dia notebahin’i Herôda sy ny miaramilany Izy, ka nony efa nampiakanjoiny akanjo fotsy sy nolalaoviny, dia naveriny tany amin’i Pilaty indray. Tamin’izay andro izay dia tonga nisakaiza tery i Herôda sy i Pilaty efa nifandrafy teo iny. Nasain’i Pilaty novorîna ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpifehy ny vahoaka, dia nilazany hoe:
V. Nentinareo taty io Lehilahy io, fa hoe mandrendri-bahoaka hikomy, ary efa nanadina Azy teo anatrehanareo aho, nefa tsy hitako velively izay helony amin’izay iampanganareo Azy. Tahaka izany koa i Herôda, fa namerina Azy ho aty amintsika izy, ary indro tsy misy na inona na inona tokony hanamelohana Azy ho faty. Koa hofaiziko Izy, dia halefako.
M. Fa tsy maintsy mandefa mpifatotra iray ho an’ny vahoaka rahateo izy amin’ny andro fety. Kanjo indray niredona ny vahoaka niantso hoe:
V. Vonoy io, fa i Barabasy no alefaso ho anay.
M. I Barabasy anefa dia natao an-tranomaizina, satria sendra nisy fikomiana tao an-tanàna, ka namono olona izy. Dia mbola niteny ihany i Pilaty, fa te handefa an’i Jesoa; nefa niantso mafy ny vahoaka nanao hoe:
V. Fantsiho! fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy!
M. Fa niteny tamin’izy ireo fanintelony indray i Pilaty nanao hoe:
V. Inona àry no ratsy nataony? Tsy hitako izay heloka tokony hahafaty azy; koa hofaiziko Izy, dia halefako.
M. Nefa nikiry izy ireo niantso mafy nangataka Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, ka nitombo nitombo ihany ny horakoraka. Dia nasain’i Pilaty natao izay nangatahiny; ilay notadiaviny ho afaka sy natao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy vonoana olona moa nalefany, ary i Jesoa kosa natolony hanaovany izay sitra-pony. Ary raha nitondra Azy izy ireo, dia nisy lehilahy Sireneanina anankiray avy any an-tsaha atao hoe Simôna notanany, dia nampitondrainy ny Hazofijaliana nanaraka an’i Jesoa. Nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy sy vehivavy koa, izay nandon-tratra nitomany Azy. Fa nitodika azy ireo i Jesoa nanao hoe:
J. Ry zanaka vavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy foana, fa ny tenanareo sy ny zanakareo no itomanio, fa indro ho avy ny andro hanaovana hoe: "Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoana". Amin’izay ny olona vao hilaza amin’ny tendrombohitra hoe: "Mianjerà aminay", sy amin’ny havoana hoe: "Saròny izahay"; fa raha toy izany no ataony amin’ny hazo lena, hatao ahoana amin’ny maina?
M. Ary nisy olon-dratsy roa lahy koa, nentin’ny miaramila, hiara-kovonoina amin’i Jesoa. Nony tonga tany amin’ny fitoerana atao hoe Kalvery izy ireo, dia nofantsihany tamin’ny Hazofijaliana Izy sy ireo mpangalatra ireo; ny iray moa teo ankavanany, ary ny iray kosa teo ankaviany. Dia hoy i Jesoa:
J. Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.
M. Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany. Ny vahoaka nijanona nijery teo, ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe:
V. Namonjy ny sasany Izy, ka aoka hamonjy ny Tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, ilay voafidy.
M. Ny miaramila koa naneso Azy nanatona nanolotra vinaingitra Azy, ary nanao hoe:
V. Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jody, vonjeo ny Tenanao.
M. Teo ambonin’ny lohany koa dia nisy soratra tamin’ny teny grika sy latinina ary hebrio nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’NY JODY. Ary ny anankiray tamin’ireo mpangalatra izay nihantona teo dia nanevateva Azy nanao hoe:
V. Raha Ianao no Kristy, vonjeo ny Tenanao sy izahay.
M. Fa nanarin’ilay anankiray izy, nataony hoe:
V. Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra, saingy hoe samy voaheloka ho faty izao? Ny antsika dia rariny izao, satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika, fa ny Azy kosa, tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy.
M. Dia hoy izy tamin’i Jesoa:
V. Tompoko, tsarovy aho rehefa mby any amin’ny Fanjakanao Ianao.
M. Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy:
J. Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao.
M. Ary rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina, dia rakotra haizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany, fa nihamaizina ny masoandro; ary rovitra nisasaka roa ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly. Ary niantso tamin’ny feo mahery i Jesoa nanao hoe:
J. Raiko! apetrako eo an-tananao ny fanahiko.
M. Nony voalazany izany, dia niala aina Izy.
(Mandohalika eto, ary mangina kelikely)
M. Rehefa nahita ny zavatra niseho teo ny kapiteny dia nankalaza an’Andriamanitra, ka nanao hoe:
V. Tena olo-marina tokoa io Lehilahy io.
M. Ny vahoaka rehetra vory teo mba hijery koa, nony nandinika ny zava-niseho, dia lasa niverina nandondòna ny tratrany. Fa ny olom-pantatr’i Jesoa rehetra kosa dia nijoro teny lavidavitra ombàn’ireo vehivavy nanaraka Azy avy tany Galilea ka samy nijery izany.
♦ Sitrak'Andriamanitra ny mifidy antsika, ka manolotra antsika ny famonjena, hoy i Mgr Gustavo Bombin Espino, nandritra ny "Messe chrismale" tao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nofaranana ny alahady 3 aprily 2022 ny lalan'ny Hazofijaliana, Secteur Andròna Mandritsara, Diosezin'i Port-Bergé... ♦ Ny maha olona no laharam-pahamehana, hoy ny Papa François, tamin'ireo mponina tao Malte, nandritra ny fitsidihana apôstôlika faha-36 nataony, ny 2 sy 3 aprily 2022...
Nony hariva ny andro, taorian’ny fampitomboana ny mofo, dia nidina nankeny amoron-dranomasina ny mpianatr’i Jesoa, ka niondrana tamin’ny sambo kely ary nita ny ranomasina ho any Kafarnaôma. Efa alina ny andro tamin’izay, nefa tsy mbola tonga teo aminy i Jesoa, ary nanonja ny ranomasina, fa nifofofofo mafy ny rivotra. Rahefa nivoy tokony ho dimy amby roapolo na telopolo stady izy ireo, dia nahita an’i Jesoa nandeha teny ambony ranomasina sy nanatona ny sambo kely, ka natahotra. Fa hoy Izy taminy: "Izaho ihany fa aza matahotra." Dia naniry handray Azy ho eo an-tsambo kely izy ireo, ka niaraka tamin’izay dia tafatody tamin’ny tany nokasainy haleha ny sambo.
Nony marainakoan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia nankany amin’ny fasana ireo vehivavy masina nitondra ny zava-manitra efa namboariny, ary hitany fa efa voakodia lavidavitry ny fasana ny vato, ka niditra izy ireo, fa tsy nahita ny fatin’i Jesoa Tompo. Mbola very hevitra noho izany eo izy ireo, dia indro nisy olona roa lahy niseho teo akaikiny, nitafy fitafiana mamirapiratra. Dia natahotra izy ireo ka niondrika, fa nilazan’iretsy hoe: "Nahoana no aty amin’ny maty no itadiavanareo izay velona? Tsy eto Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny nolazainy taminareo fony Izy mbola tany Galilea hoe: Tsy maintsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona sy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, ary hitsangana amin’ny andro fahatelo". Izay vao tsaroany ny tenin’i Jesoa, ka tafaverina avy tany amin’ny fasana izy ireo dia nilaza izany rehetra izany tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany rehetra: dia i Maria Madelenina sy i Joana ary i Maria renin’i Jakôba izany, ary ny vehivavy hafa niaraka taminy koa dia samy nilaza izany tamin’ny Apôstôly. Fa nataony ho arirarira foana ny tenin’izy ireo ka tsy ninoany. I Piera kosa anefa dia nitsangana nihazakazaka nankany amin’ny fasana, ary niondrika izy, fa ny lambam-paty ihany no hitany tao ka lasa nody, gaga foana noho ny zava-niseho tao.
Tamin’izany andro izany, niara-nisakafo tamin’ny mpianany i Jesoa; ary nangorohoro ny fony, ka nanambara mazava Izy nanao hoe: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa hamadika Ahy ny anankiray aminareo." Dia nifampijery ny mpianatra, fa tsy nahalala izay iray nolazainy. Ary ny anankiray tamin’izy ireo, ilay tian’i Jesoa, no teo anilany niankina tamin’ny tratrany, ka nanatsika azy i Piera nanao taminy hoe: "Iza ilay lazainy izay?" Dia naraikany tamin’ny tratran’i Jesoa ny lohany, ka hoy izy taminy: "Iza moa izany, Tompoko?" Ary hoy i Jesoa hoe: "Izay hotolorako sombi-mofo natsoboka tamin’ny ro no izy." Dia natsobony ny mofo ka natolony an’i Jodasy Iskariôta zanak’i Simôna. Vantany vao nihinana ilay sombi-mofo i Jodasy Iskariôta dia nidiran’ny demony, ka hoy i Jesoa taminy: "Ataovy haingana izay ataonao." Tsy nisy nahalala izay anton’ny nilazany izany taminy anefa ry zareo izay nipetraka nihinana; fa noho i Jodasy nitahiry ny kitapom-bola, dia nataon’ny sasany fa izao no nolazain’i Jesoa taminy: "Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny fety, na mba omeo zavatra ny mahantra." Vao nandray ilay sombi-mofo i Jodasy dia nivoaka niaraka tamin’izay. Efa alina ny andro tamin’izany. Nony efa nivoaka izy, dia hoy i Jesoa: "Nomem-boninahitra izao ny Zanak’Olona, ary Andriamanitra kosa no nomena voninahitra eo aminy. Ary raha Andriamanitra no nomem-boninahitra eo aminy, dia Andriamanitra kosa no hanome voninahitra Azy eo amin’ny tenany sy hanome voninahitra Azy faingana. Anaka, kely foana sisa hitoerako aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary toy ny voalazako tamin’ny Jody hoe: ‘Izay alehako tsy azonareo aleha’ no lazaiko aminareo koa ankehitriny." Hoy i Simôna Piera taminy: "Ho aiza Ianao, Tompoko?" Dia hoy i Jesoa: "Ankehitriny tsy azonao aleha izay alehako, fa any aoriana mbola hanaraka Ahy ianao." Ary hoy i Piera taminy: "Ahoana, Tompoko, no tsy ahazoako manaraka Anao ankehitriny? Hafoiko ho Anao hatramin’ny aiko aza." Fa hoy i Jesoa: "Hafoinao ho Ahy ny ainao? Lazaiko marina dia marina aminao: Alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao."
Sabotsy 9 aprily 2022 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Joany 11, 45-56
Zoma 8 aprily 2022 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 31-42
Alakamisy 7 aprily 2022 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 51-59
Alarobia 6 aprily 2022 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 31-42
Talata 5 aprily 2022 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Ny tenin’Andriamanitra dia voa afafy, i Kristy no mpamafy; izay rehetra mahita Azy dia honina ao aminy mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 21-30
Isika Malagasy dia afaka mivaotra hatrany satria manana ny harena isika. Ny endrika hisehoan'ny fahantrana: mihoatra ny 78% ny malagasy no mahantra porofon'izany ny fihenan'ny arikarena faobe -7,1%. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco