♦ Nametraka fepetra amin'ny lahadinika amin'ilay fikaonan-doham-pirenena kasaina hatao amin'ny volana septambra io ny Roso ho an'ny Demokrasia Sosialy na ny RDS... ♦ Hanapa-kevitra amin'ny tohin'ny fitakiana amin'ny tokony hanesorana ny tale jeneralin'ny APMF ny sendikan'ny mpiasa SYPAMM androany. Nandà ny filazàna azy ho nanao kolikoly etsy ankilany ny tale jeneralin'ny APMF... ♦ Efa tafapetraka ny ivon-toeram-pibaikona hisahana ny fandaminana samihafa mandritra ny JMJ mada andiany fahafolo izay ho tanterahana any Antsirabe... ♦ Miatrika fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ary fifidianana isam-paritra ny any Kenya...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...