Sabotsy 20 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona —Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 1-12

Antsoin’i Jesoa Kristy isika anio tsy hanaraka ny toetran’ireo mpitondra ny vahoakan’Andriamanitra tamin’izany fotoana izany. Tsara raha fantarintsika àry ireo toetra ireo :

Tsy mifanaraka velively ny lazainy sy ny ataony ; toy ny hoe tsy mifanaraka amin’ny fampianarana tsara omeny ny toe-piainany. Raha fintinina izany dia ny hoe miaina ao anatin’ny fiaharatsarambelatsihy mandrakariva. Tsarovy fa mandaitra kokoa ny fihetsika raha oharina amin’ny teny lazaina. Ao anatin’ity sarangan’olona ity ireo mahay kokoa manome torohevitra amin’ny sehatra rehetra kanefa tsy mahita vahaolana amin’ny olana atrehiny eo amin’ny fiainany akory.

Tia ny fisehosehoana ka tsy manana fanatren-tena velively eo amin’ny atao. Ireto ireo sarangan’olona tia mipetraka eo aloha mba ho hita ; tsy mila ampandrosoina fa avy hatrany dia mifidy toerana hahatazanana azy. Ao anatin’izany ihany koa ireo mila tononina ny anaran’ny fianakaviany sy ny mari-boninahitra ananany ary mahatsiaro ho mijaly tokoa raha toa ka hadinon’ny mpikabary ny nanonona ny anarany tao anatin’ilay arofenitra.

Ho azy ireo ny fahefana, midika hoe fangejana ny hafa, fifehezana azy sy fieboeboana manoloana ny hafa. Ireto ireo sarangan’olona tsy mahatsapa ny havesatry ny asa ankinina aminy fa ny voninahitra no ao an-dohany sy ny mibaiko olona ka sahirana rehefa tsy maintsy hirotsaka hiasa na rehefa akaikin’ny fisotroan-dronono.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...