Nahomby amin'ny ankapobeny ny tetik'asa niarahan'ny sampandraharahan'ny firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena na ny FAO sy ny governemanta malagasy notanterahana tany amin'ny Faritra Sava. Tetik'asa nampihena ny fifindra-monin'ny mponina mankany ivelany indrindra fa ny vehivavy.
♦ Tanterahana any Antsirabe mandritra ny telo andro ny atrik'asam-pirenena hanatevenana ny fampiharana ireo fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa nosoniavin'i Madagasikara... ♦ Tsy tokony hisy fiatraikany goavana ara-toekarena eto amintsika ny ady any Ukraine raha manana paik'ady mazava hiatrehana izany i Madagasikara hoy Andriamatoa Mohamady Sakra... ♦ Miisa roa ireo kandidà hifaninana eo amin'ny toeran'ny filohan'ny Oniversite Antananarivo. Mbola vonona ny hanohy ny asa fanatsarana efa natombony ny fioloha amperin'asa, ny Pr Ravelomanana Mamy...
Mbola ao anatin'ny fanentanana ny olona hamboly hazo isika, isan'ireny ny hazo fihinam-boa, ny zava-maniry fanao fanafody. Fiarovana ny tontolo iainana tsara indrindra ny fambolena hazo ka noho izany dia tokony ho karakaraina izay hazo novolentsika. Ny hazo malagasy dia maintso sy mando mandavan-taona ny manodidina azy, ary mety ho an'ny fikolokoloina ny tontolo iainana. Ny fikarakarana ny hazo voavoly dia miainga amin'ny aro afo, avy eo ny fanomezana zezeika, ary tsy adinoina ny fanondrahana araka izay tratra, amin'ny alalan'ny fampiasana tavoahangy "plastique" milavaka, ka io no mitete manamando azy.
♦ Tsy nisy niaino tamin'ny fitarainana sy ny fitakiana nataony ny mpandraharahan'ny fahasalamana any amin'ny hôpitaly samihafa ka nitokona mitaky ny zony izy ireo, nanomboka omaly... ♦ Hampanjaka ny oniversite maty mandritra ny roa andro ny sendikan'ny SECES amin'ny volana avrily izao. Tsy eken'izy ireo ny fandavan'ny HCC ny tolo-dalàna momba ny fizakan-tenan'ny oniversite... ♦ Météo : Hitombo 1,5°C ny maripana eto Madagasikara amin'ny taona 2030, raha tsy misy fepetra hisorohana izany...
♦ Niroso tamin'ny fitokonana faobe nanomboka androany ny sendikan'ny mpiasa mpandraharahan'ny fahasalamana. Mandrahona ny hanao Oniversite maty kosa ny SECES... ♦ Feno 99 taona androany ny Antilin'i Madagasikara, marolafy ireo hetsika nanamarihana izany... ♦ Ho tratran'i Madagasikara ny fiakaran'ny maripana amin'ny fetra 1,5°C, raha toa ka tsy misy ny ezaka matotra sy mirindra eto amintsika...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny Jody hoe: "Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy." Dia hoy ny Jody: "Fantatray amin’izao fa manana demony Ianao; i Abrahama sy ny mpaminany aza maty, fa Ianao kosa manao hoe: Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana mandrakizay izy. Angaha Ianao lehibe noho i Abrahama rainay izay efa maty? Ny mpaminany koa efa maty; manao Anao ho iza re Ianao e?" Dia hoy i Jesoa: "Raha manome voninahi-tena Aho, dia tsinontsinona ny voninahitro; fa ny Raiko izay ataonareo ho Andriamanitrareo no manome voninahitra Ahy. Tsy fantatrareo anefa Izy; fa Izaho no mahalala Azy, ary raha milaza ho tsy mahalala Azy Aho, dia ho mpandainga tahaka anareo koa: fa fantatro Izy, ary mitandrina ny teniny Aho. Nientan-kafaliana i Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly." Dia hoy ny Jody taminy: "Tsy mbola dimampolo taona akory Ianao, ka dia hoe nahita an’i Abrahama?" Hoy i Jesoa taminy: "Lazaiko marina dia marina aminareo, fony mbola tsy àry i Abrahama, dia efa Izaho Aho." Tamin’izay dia naka vato izy ireo hitorahana Azy; fa niery i Jesoa ka nivoaka ny tempoly.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nitety an’i Galilea fa tsy nety nankany Jodea, satria nitady hahafaty Azy ny Jody. Ary efa akaiky ny fetin’ny Jody atao hoe fetin’ny Tranolay. Kanjo nony lasa ny rahalahiny, dia mba niakatra hamonjy ny fety ihany koa Izy, saingy tsy nisehoseho, fa toa niafinafina. Tamin’izay, dia nisy mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe: "Moa tsy Izy io ilay tadiavin-dry zareo hovonoina? Ary nahoana no miteny ampahibemaso Izy io, ka no tsy misy sahy miteny Azy akory ? Sao dia efa fantatry ny loholona kosa fa io no i Kristy ? Ny niavian’Izy io anefa fantatsika; fa ny hiavian’i Kristy kosa tsy misy hahalala rahefa tonga Izy." Dia niantso àry i Jesoa tao am-pampianarana tao amin’ny Tempoly ka nanao hoe: "Fantatrareo Aho, ary fantatrareo koa izay niaviako. Nefa tsy tonga ho Ahy Aho, fa marina Ilay naniraka Ahy, fa tsy fantatrareo. Izaho no mahalala Azy, satria Izy no niaviako, ary Izy no naniraka Ahy."
Tamin’izay dia nisambotra Azy ny olona, kanefa tsy nisy sahy nitana Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
♦ Nihaona tamin'ireo tompon'andraikitra ambony samihafa nanamafy ny fifandraisana misy eo amin'i Madagasikara sy Djibouti ny filohan'ny antenimieran-doholona Razafimahefa Herimanana... ♦ Tombontsoa lehibe no ho azo amin'ny fidirn'i Madagasikara ao amin'ny ZLECAF aty Afrika, ka tena ilaina ny fanavaozana ny fambolena ireo vokatra tena andrin'ny toe-kareba Malagasy... ♦ Omena sehatra sy asa ary henoina ny fikambanan'ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa manoloana ny ady amin'ny fiakaran'ny vidin'entana ilaina andavan'andro...
Sabotsy 26 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 9-14
Ny fahavanonana no ahafahana mitrandraka ny talenta sy ny safidy nomen'Andriamanitra an'ny tsirairay, hatafita amin'ny fiainana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Zoma 25 marsa 2022 — Fankalazana ny filazan'ny Anjely — Tonga nofo ny Teny ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38
♦ Anio farafahatarany no mivoaka ny tetiandro momba ny vatsim-pianarana ho an'ireo oniversite tsy mbola nisitraka izany... ♦ Misy ny tetik'asa vaovao, tohana ho an'ny fanavaozana sy ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra eo amin'ny rafitry ny famokarana sakafo. Tetik'asan'ny FAO, iarahana manatanteraka amin'ny ministeran'ny Fambolena sy Fiompiana... ♦ Hitohy any Frantsa ny fitsaràna an'i Lionel Lelièvre ilay voarohirohy ho namono an'ilay teratany indo-pakistanais Danil Radjan...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco