Sabotsy 16 aprily 2022 — Sabotsy Masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 1-12
Zoma 15 aprily 2022 — Zoma Masina. Ny fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika — Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 18, 1 — 19, 42
Ny rakitra azon'ny lela mandainga dia rehareha mihelina ho an'ny olona mila faty. Tsy ny "harena" no hany mendrika indrindra amin'ny fananana rehetra. Tsy mahasolo fiadanam-po sy fatahorana an'Andriamanitra ny harena. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Hoy Jesoa hoe : mampalahelo ianareo mpanankarena fa manana ny fahafaham-ponareo. Diso isika raha misaina toa ilay mpanankarena voalaza ao amin'ny baiboly manao hoe : ry aiko manampanana be ampy ho an'ny taona maro ianao, ka miala sasatra. Manamarina izany ny hoe : fa loza ho an'ireo mihevitra ny tenany ho mpanankarena, kanefa tsy manana an'i Kristy, fa azy ny fa azy ny fahantrana faran'izay lalina. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Izay malaina amin'ny asany, ho tonga mahantra, fa ny tanan'ny mazoto kosa, manangon-karena. Ny fahamarinan'ny olo-mahitsy fo mamonjy azy; fa ny olona mpivadika kosa, voafandriky ny haratsiany. Ho tratry ny fahantrana izay tia fifaliana, tsy mba mitombo harena izay tia divay aman-diloilo manitra. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny fahantrana dia misy antony avy amin'ny hafa. Ny fanaparam-pahefana sy ny fanodikodinana ny fahamarinana dia loharanon'ny fahantrana. Nametrahana adidy ny olona hendry araka izay voasoratra hoe : hamaivano ny fijalian'ny mahantra. I Jesoa Kristy dia nanasongadina hatrany ireo mahantra araka izay voalazany, satria tokoa, na mpanankarena azy Izy dia tonga mahantra noho ny amintsika. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
♦ Hihatra anio ary hitohy rahampitso ny Oniversite maty ho an'ireo anjerimanontolo sy ny foibem-pikarohana nasionaly manerana ny nosy... ♦ Navotsotry ny mpitandro filaminana ny filohan'ny FTAR izay nosamborina noho ny fitarihana hetsika an-dalambe ny sabotsy lasa teo... ♦ Nahavita ny fiofanana andiany voalohany ho fanatsarana ny kalitaon'ny onjam-peo ny mpiasa rehetra eto amin'ny RDB sy ny birao teknika saleziana... ♦ Hiatrika ny fiodinana faharoa amin'ny fifidianana filoham-pirenena frantsay i Emmenuel Macron sy Marine Le Pen...
Ny firafitry ny taolana dia ahitana : ilay taolana mafy, misy taola-malemy, misy ozatra mampifandray ary misy tsiranoka mampalefaka ny fifampikasohana amin'ny tonon-taolana. Ny "arthrose" dia fahasimban'ilay taola-malemy "cartilage", vokatry ny asa mafy na noho ny fahanterana na ihany koa faharatrana matetika. Ny faritra andairany matetika : soroka, maoja, lohalika, hatoka, tanana ary ny ankihibe. Ny salan-taona maro voakasiky ny aretina "arthrose" dia eo anelanelan'ny 35 hatramin'ny 50 taona, ny taola-malemy simba vokatr'ity aretina ity dia tsy miverina amin'ny endriny teo aloha intsony.
♦ Manana toerana manokana etsy amin'ny seranam-piaramanidina vaovao ny asa tanana malagasy, notokanana omaly ny toerana natokana ivarotana, ary nanome voninahitra izany ny ministra Sophie Ratsiraka... ♦ Mbola vitsy ny mpanaramason'ny varotra eto Madagasika, misy akony amin'ny asan'izy ireo izany. Isan'ny nivoitra nandritra ny fivoriambe notanterahan'izy ireo teny Ambohimanambola izany... ♦ Mifanitsaka andraikitra sy mampifangaro fahefana ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry any amin'ny Faritra Bongolava araka ny fahitan'ny fiaraha-monim-pirenena FIVATO azy...
♦ Manomana ny fanahiny hiatrehana ny paka eny Mandrimena ireo kristiana mpanao politika. Ny raharaham-pirenena sy ny kristiana manoloana ny herinandro Masina no lohahevitra voaboasana mandritra izany... ♦ Nidina an-dalambe indray omaly ny mpianatry ny oniversiten'Antananarivo teny Ankatso sy ny teny amin'ny ENS Ampefiloha. Niafara tamin'ny fifandonana tamin'ny mponina sy ny mpivarotra ny hetsika notanterahana teny Ankatso.... ♦ Olona 5 no maty tamin'ny tokantrano iray nihinana zava-maniry misy poizana tao amin'ny kaominina Ambalavero distrika Manakara. Tsy misy intsony ny sakafo azo ohanina vokatry ny rivo-doza...
Alakamisy 14 aprily 2022 — Alakamisy Masina. Fahatsiarovana ny Fanasan'ny Tompo — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 1-15
Alarobia 13 aprily 2022 — Alarobia Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 26, 14-25
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco