♦ Natolotry ny Minisitra Edgard Razafindravahy an-tanana ampahibemaso, ho an'ireo mpandraharaha 70 tany Antalaha, ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hanondrana lavanila... ♦ Handefa taratasy any amin'ny Masoivoho Britanika, hangataka ny hanokafana fanadihadiana momba ilay vola 25 tapitrisa doalara, nanaovan'ny Tale Jeneralin'ny APMF fifanarahana momba ny AIS, niaraka tamin'ny orinasa britanika iray, ny sendikan'ny mpiasan'ny APMF... ♦ Niakatra ho 160 tapitrisa ny ankizy efa miasa eran-tany tamin'ny taona 2020, araka ny fanadihadiana nataon'ny UNICEF sy ny OIT. Aty Afrika ny ankamaroany...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...