Kavin'omby maherin'ny 14000 no hapetraka amin'ny omby ao amin'ny Distrikan'Amboasary Atsimo sy Taolagnaro, mialohan'ny faran'ity taona ity. Ny 6700 amin'ireo no ho an'ny Distrikan'i Taolagnaro raha toa ka 7900 kosa ho an'Amboasary Atsimo. Mbola mila entanina hatrany anefa ny tantsaha ahafahana manatratra ny tanjona.

Tetikasa sy fomba vaovao hahafantarana ny momba ny omby sy ny toerana niaviany amin'ny alalan'ny fametrahana kavina elektronika, ny tetikasa LITS, izay iarahan'ny fanjakana Malagasy sy ny IFC na ny Société Financière Interanationale, manatanteraka. Tafiditra amin'ny fandaharan'asa vatsiany vola eto Madagasikara momba ny fandraharahana ara-pamokarana momba ny sakafo na ny Agribusiness ny tetikasa tohanany.

Mavitrika amin'ny fandraisana anjara amin'izay fametrahana kavin'omby elektronika izay, ny mpiompy ao amin'ny Faritra Anosy, dia ny ao amin'ny Distrikan'i Taolagnaro sy Amboasary Atsimo, raha ny zava-misy any an-toerana. Ezaka be anefa no natao tamin'ny fanentanana vao tonga tamin'izay dingana izy izy ireo. Ny fanentanana teny ifotony no tena nahaliana ny mpiompy tamin'ny fametahana kavin'omby. Ho an'ny Distrikan'i Taolagnaro manokana ohatra, mavitrika amin'ny fanaovana azy io ny mpiompy ao amin'ny Kaominina Ampasy Hanampoina sy Soanierana. Mavitrika amin'ny tetikasa ny mpiompy. Fokontany fito ao Ampasy Nahampoina no mandray anjara, hoy Andriamatoa Mbola Albert, Filohan'ny fikambanan'ny mpiompy Soavola.

Nidina ifotony, nijery ny fizotry ny asa sy ny fanamafisana ny fahafaha-manaon'ireo mpisehatra ao amin'ireo distrika roa ireo, voakasiky ny tetikasa, ny delegasiona notarihin'ny Tale Jeneralin'ny Fiompiana. Nanamafy ny fanentanana ny tompon'andraikitra ifotony sy ny mponina amin'ny fanatanterahana izany. Mbola betsaka mantsy ny ezaka hatao hanatratrarana ny tanjona, hoy ny Tale Jeneralin'ny Fiompiana, Lezoma Tsiry Andriamahatola.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...