♦ Hafampana ny ao an-drenivohitra ny sabotsy izao. Misy andian'olona, ahitana fikambanana, sendika sy vondrn'antolo pôlitika no mandrahona hidina an-dalambe, hitaky ny fialan'ny Ben'ny Tananan'Antananarivo... ♦ Mitaky ny hampitomboana ny vola fisotroan-drononon'ny miasa ao anatin'ny 100 andro, amin'ny Tale Jeneraly mpiosolo toerana eo anivon'ny CNaPS ny Randrana Sendikaly. Mila mampiseho fahombiazana amin'ny fitantanana ny volan'ny mpiasa io mpitantana io, hoy izy ireo...
Ny antony mahatonga ny fahantrana eto Madagasikara dia zavatra maro. Isan'izany ny ara-politika : maro ny mifamotika, mifaminga, miady seza, izay mampitondra takaitra ny firenena, eo koa ny krizy miverina isaky ny 10 taona. Ireo mpanao politika dia maro no efa tonga eo amin'ny fitondrana vao mihevitra izay paik'ady hampandrosoana, fa miaina amin'ny handrana fotsiny. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny antony faharoa mahatonga ny fahantrana eto Madagasikara dia ny toe-tsaina tsy vonona handroso. Maro ny manana toe-tsaina zatra miandry sy tolorana fotsiny, ao ireo mpanome tsiny fanjakana fotsiny. Tsy mampandro velively ny toe-tsaina kamo miasa, ilay tia midoroka sy ny fiononana amin'ny lova. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny antony fahatelo mahatonga ny fahantrana eto Madagasikara dia ny kolikoly sy ny tsy fanarahan-dalana. Ny kolikoly dia mampihemotra ny sehatra tokony handroso, ohatra amin'ireny ny fandraisana mpiasa amin'ny sehatry ny asam-panjakana dia ny manam-bola no tafiditra fa tsy ny mahay. Ny tsy fanarahan-dalana ihany koa dia mampikorosy ny firenena toy ny tsy fandoavan-ketra. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny harena dia tsy tonga na azo mora foana. Ny loharanon'ny harena dia ny fahazotoana. Ny hakingan-tsaina ihany koa dia isan'ny fototra ipohiran'ny harena. Na misy aza ny vola raha tsy manana ny fahaizana mandanjalana ny fandaniana dia ho rava hoazy ny harena. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Manomana an'ireo tanora ho lasa tompon'andraikitra any amin'ny fikambanan'ny tantsaha samihafa manerana ny nosy, misy azy mivondrona ao anatin'ny tambazotran'ny Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny tambazotra "SOA". Homanina ihany koa handimby an'ireo mpitantana zokiny amin'izao fotoana izao.
♦ Nisitraka famatsiambola 100 tapitrisa Dolara avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena hanatsaràna ny tontolon'ny fahasalamana i Madagasikara, famatsiambola tsy averina ny 50 tapitrisa Dolara... ♦ Notoloran'ny governemanta amerikana 5 tapitrisa Dolara amin'ny alalan'ny USAID hanohanana ireo olona niharam-boina tamin'ny rivo-doza tany amin'ny faritra atsimon'ny nosy i Madagasikara... ♦ Hifarana rahampitso ny fotoana ahafahan'ny oniversite mifidy izay ho filohany. Ho an'ny eto Antananairvo androany no notanterahana ny fifidianana ary ho fantatra anio hariva ny vokany raha tsy misy ny fihovana...
Maro ny fanamby atrehintsika amin'ny angovo sy ny fikajiana ny tontolo iainana. Anisan'ny vahaolana voalohany, ny fahafantarana ny filàna sy ny tahan'ny angovo ampiasaina ao an-tokantrano mba ahafahana mitantana azy. Anisan'ny vahaolana naroso teto amin'ny fandaharana ihany koa ny fampiasana ny arina azo avy amin'ny volobe "bambou". Tombotsoa maro no azo avy aminy : kely ny "carbone" avoakany, vetivety dia mafana ka mitsitsy fotoana, tsy mandoto ary mora vidy.
Ny mandrafitra ny fianakaviana dia ny mpivady sy ny zanany, na vondron'olona nakamban'ny karazam-pamatorana misy, ao anatin'ny fiaraha-monina. Hatraiza anefa ny anjara toerana omentsika ny fianakaviana eo amin'ny fiainantsika tsirairay avy, ary inona no toe-tsaina hoentina rehefa miaina eo anivon'ny fianakaviana. Voajanahary ny fahaleovantena sy ny fivelarana ho an'ny olona tsirairay rehefa misaraka amin'ny ray aman-dreny. Ny anjara toeran'ny fianankaviana dia tokony hivoatra mifanaraka amin'ny zava-misy : mitaiza, manabe, ary rehefa lehibe maleho tena dia mifanoro lalana. Mila mizatra mitondra tena ny tsirairay mba hampivelatra ny tsirairay.
♦ Voatendry ho tale kabinetra sivily eny anivon'ny fiadidiana ny repoblika, mandimby an-dRamatoa Lovahasiniriana Ranoromaro lasa talen'ny serasera Ramatoa Baomihavotse Vahinala Rahariniriana, ministry ny tontolo iainana teo aloha... ♦ Nidina an-dalambe naneho ny alahelony sy ny hatezerany ny mpianatry ny EN3 Ampefiloha Oniversite Antananarivo. Tsy mbola nahazo ny vatsim-pianarany 5 volana... ♦ Hanamafy ny fiaraha-miasa hanabeazana ireo ankizy voafonja ny ministeran'ny Fitsaràna sy ny UNICEF, resaka nivoitra nandritra ny fitsidihan'ny solontenan'ity farany eto Madagasikara tao amin'ny Ministry ny Fitsaràna...
Talata 12 aprily 2022 — Talata Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 21-33. 36-38
Alatsinainy 11 aprily 2022 — Alatsinainy Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay! Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 1-11
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco