♦ Nivoaka izao takariva izao ny voka-panadinana bakalorea ho an'ny Faritanin'i Mahajanga. Nihena ny taha-pahafahana tamin'ity taona ity, raha oharina tamin'ny taon-dasa... ♦ Nanelingelina ny asa famonoam-balala teto Madagasikara nandritra ny taona 2021-2022 noho ny fiovaovan'ny toetrandro... ♦ Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra ataon'ny mpitantana ny antoko AREMA. Namabran'ny Sekretera Nasiônaliny, tany amin'ireo toerana nolalovany, fa vonona handray anjara amin'ny fanampiana ny fiahiana ny fiainan'ny mponina ny antoko...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...