Ny tsy fananana fahaleovantena eo anatrehan'ny ray aman-dreny dia mitarika fiankinandoha izany hoe tsy zatra mandray andraikitra sy mitrosa matetika. Mila mihezaka mampivelatra ny sehatra fiariana izay hanorina tokan-trano. Ny olana dia mila hatrehina satria ny olana dia natao ho vahana fa tsy handosirana. Iainana ilay teny nifanomezana : "na inona hidona na inona hiatra..." Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Satria fianakaviana no resahana dia manana andraikitra ihany koa ny reny eo amin'ny asa fivelomana. Toy ny lehilahy ihany dia mila fiomanana ihany koa ny ho renim-pianakaviana, ka ankoatra ny fianarana dia ny fizarana amin'ny asa madinika ao an-trano. Na miasa na tsia ny vehivavy dia izy no tokony hiandraikitra ny fitantanana. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Ny fijoroan'ny renim-pianakaviana ho mpanohana sy mpankahery ny vadiny dia efa tohana lehibe sady mandrisika azy hiasa. Adidin'ny raiaman-dreny ny mamelona ny zanaka, sady zon'izy ireo koa ny ho toy ny zana-bahoaka : misakafo, mianatra, mitafy, milalao. Ny fandraisana andraikitra sy fizarana asa madinika ao an-trano dia tsy fampiasana zaza fa fanazarana azy. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Fifamenoana ny fiainana, ka mila mifameno amin’ny lafiny maro ny ray sy ny reny ao an-trano ho fampandrosoana ny ankohonany. Hoy ny Soratra Masina: “Isika rehetra dia samy momba ny tenantsika avokoa, koa tsy natao hifanohitra ny tsy fitoviantsika, fa hifameno. Tsy ozona ny asa fa tso-drano avy amin'Andriamanitra sady mampiavaka ny olombelona. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Ny asa no mampiavaka ny olombelona amin'ny zava-boary hafa rehetra. Natao hivelomana sy hanaovana adidy ary hahasambatra ny asa. Fanohizana ny asa fahariana nataon'Andriamanitra ny asa ka mila kolokoloina sy hajaina mba hahatsara izao tontolo izao sy hahafahan'ny olombelona manjaka aminy fa tsy sanatria manjakazaka. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Andriamanitra no nampisy ny fianakaviana hatrany ampiandohana ka izay no maha masina azy. Ny fanehoana izay fahamasinana izay no maha Evanjely velona ny fianakaviana. Ny fianakaviana tao Nazareta, nisy an'i Joseph sy Maria ary i Jesoa no antsoina hoe fianakaviana Masina, tao i Jesoa ilay Evanjely torina no nipoitra izay fototry ny katesizy. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Nanolotra ny tenany ho fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra i Masina Maria : ""inty aho ankizivavin'ny Tompo, hoy izy...". Ny fanekena ny sitrapon'Andriamanitra dia vokatry ny finoana. Evanjely velona ny fianakaviana satria samy manolo-tena ho fanantanterahana ny sitrapon'Andriamanitra. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Araka ny finoantsika dia tena olombelona i Jesoa sady tena Andriamanitra, ka tahaka ny olombelona rehetra dia mila volavolaina sy beazina ny maha olona manontolo : vatana, saina, ary ny fo amam-panahy. Fototry ny maha-olon ny vatana, saina, fanahy koa tsy misy azo atao antsirambina.  Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Ny kolontsaina sy fomba jody no netin'i Jesoa Kristy nampianatra sy nitory ny fanjakan'Andriamanitra, hany ka azon'izay nifanerasera taminy ny tiany hambara. Tsy nisekoseko hoe "izaho zanak'Andriamanitra" i Jesoa fa niaina ny fiainan'ny olombelona. Ilaina ny fameloma-maso ny faritra niaviana sy ny kolontsaina mba ho evanjely velona no sady mamelona. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Ny fijoronao amin'ny maha-izy anao dia mahasarika ny hafa ary mandrisika azy hanaraka sy hihaino anao. Ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana malagasy iray rehefa manaja sy miaina tsara ny kolontsaina malagasy, satria ao anatin'io kolontsaina eo an-toerana io ihany no afaka mamaka eo amin'ny fiainan'ny tsirairay ny Evanjely. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana rehefa tena tia ka tsy mitady ny tombontsoany manokana fa mikaroka ny ahasoa ny ankohonany. Ny fifankatiavan'ny mpianakavy no mampisy firaisan-kina sy tena mamelona ny fiainana. Mila mandalina ny atao hoe "tena fitiavana" ny raim-pianakaviana mba ahafoana ny fanjakan-dehilahy sy ny tsy refesi-mandidy. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Ireto avy no maha Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana : Ny fitomboana amin'ny mahaolona manontolo, indrindra fa ny fitomboan'ny zanaka amin'ny maha-zanaka mila ray aman-dreny. Ny fanajana ny kolotsaina eo an-toerana sy ny fanehoana ny maha-Izy ny tena. Ny fiainana ny Fitiavana marina araka i Jesoa Kristy hita ao amin'ny fampianaran'ny Evanjely. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...