♦ Tsy honohono fa tena misy ny famarotana zaza araka ny fanamafisana nentin'ny solombavambahoakan'i Ikongo Razafitsiandraofa Jean Brunelle, androany maraina. Efa in-droa nifanojo tamin'ireo reny nivaro-janaka ny vadin'ity solombavambahoaka ity saingy nisy ny fandraisan'andraikitra nataony... ♦ Hitan'ny pôlisy tao amin'ny tanàna iray ilay zaza nisy nangalatra omaly tao amin'ny toeram-pitsaboana iray ao Toliara. Nisy ireo olona notanan'ny pôlisy avy hatrany tamin'ity raharaha ity... ♦ Mahatratra 70% hatramin'ny 80% ny fatiantoka ho an'ny trano mpanonta boky malagasy noho ny fisian'ny mpanao hosoka. Maro amin'ireo mpanoratra no kivy vokatra izany asa fisolokiana izany...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...