Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 9, 2-3. 11-14

Ny Ran’ny Tenany no nentiny niditra tao amin’ny toerana marina indrindra.

Ry kristianina havana,
nisy tranolay natao,
ka ny efitra voalohany, izay atao hoe fitoerana masina,
dia nisy ny fanaovan-jiro maro rantsana,
sy ny latabatra, ary ny mofo alahatra.
Ary ny efitra lamba faharoa kosa,
dia atao hoe fitoerana masina indrindra.
Fa i Kristy kosa,
nony efa tonga ho Mpisorombe ny amin’ny soa ho avy,
dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra,
tsy nataon-tanana,
izany hoe tsy mba anisan’izao zava-boaary izao;
sady tsy mba ran’osilahy na ran-janak’omby,
fa ny Ran’ny Tenany no nentiny
niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra,
indray mandeha monja dia ampy,
ka nahazoany fanavotana mandrakizay.
Ary raha ny ran’osilahy sy ny ran-janak’omby aza
mbamin’ny famafazana ny lavenom-bantotr’ombivavy,
nanamasina izay voaloto amin’ny fanadiovana ny nofo,
mainka ny Ran’i Kristy
izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny
tamin’Andriamanitra,
amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay,
no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty,
mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 46, 2-3. 6-7. 8-9

Andriamanitra miakatra arahina hoby.
Ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara.

Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana!
ianareo andriamanitra manaova hora-pifaliana!
Fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.

Andriamanitra miakatra arahina hoby;
ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara!
Antsao Andriamanitra! antsao!
Antsao ny Mpanjakantsika! antsao!

Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Andriamanitra;
koa antsao amim-pirindrana!
Andriamanitra manjaka amin’ireo firenena;
Andriamanitra mitoetra am-piketrahany masina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo,
hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 20-21

Hoy ny havany: Efa very saina Izy.

Tamin’izany andro izany,
niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany,
dia nivory indray ny vahoaka,
ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.
Nony nandre izany ny havany
dia nivoaka hihazona Azy, fa hoy izy ireo:

“Efa very saina Izy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...