♦ Hiato mandritra ny 4 andro ny famokarana herinaratra any Andekaleka amin'ny faran'ny herinandro izao. Hisy ny fahatapahan-jiro hifandimby eto Antananarivo, vokatr'izany... ♦ Mitaky ny hamoahana an'i Mahery Lanto Manandafy am-ponja tsy misy fepetra n fianakaviany. Nametraka fitoriana teny amin'ny Brigadin'ny Pôlisy eny Anosy, momba ity raharaha ity ny vadiny fa tsy noraisina... ♦ Misy mandrahona ho faty ny tompon'andraikitry ny fitsaràna sy ny ben'ny tanàna any Menabe. Misy ny horonam-peo niparitaka tamin'ny tambajotra ara-tsôsialy momba izany...
♦ Hotapatapaka mandritra ny fotoana maharitra indray ny herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina, manomboka amin'ny zoma ho avy izao. Hiato mandritra ny efatra andro indray ny famokarana herinaratra any Andekaleka, araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra... ♦ Tsy noraisin'ny brigady misahana ny heloka bevava eny Anosy, ny fitoriana napetraky ny vadin'i Mahery Lanto Manandafy. Fitoriana noho ny fandrahonana hofaty nataon'ilay vazaha nitory an'i Malama, nandritra ny fotoana nakany ny taratasy fiantsoana azy teny Anosy...
♦ Niampy roa indray ireo Olomasin'ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômana, Olontsambatra roa no naroso ho eo amin'izany laharana izany omaly. Anisan'izany ilay Frera Salezianina, Artémide Zatti... ♦ Mamangy ny fikambanana eto Madagasikara ny Père Général an'ny Fikambanan'i Jesoa. Anisan'ny notsidihina ny tany amin'ny Diôsezin'i Mananjary sy ny tao amin'ny Diôsezin'i Fianarantsoa... ♦ Natsangana tamin'ny fomba ôfisialy omaly, ny Fraternité Franciscaine ao Vohipeno...
♦ Mbola tena tsy ampy ny fanentanana amin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, raha ny fanadihadiana natao... ♦ Trano 35 tafo no kila hotohoto ny afo tany amin'ny kaominina Beforona distrikan'i Moramanga. Olona 120 no traboina vokatra izany... ♦ Vinavinaina hampiditra vola 80 miliara Ariary ho an'ny tanànan'i Toamasina amin'ny alalan'ny fizahan-tany ny tetik'asa MIAMI aorian'ny fahavitany... ♦ Tombanan'ny UNICEF ho 1,2 tapitrisa ireo ankizy ahiana ho voan'ny kolera any Haïti.
Ny teny malagasy dia teny iray ihany satria fototra iray no iorenany ara-pitispika. Ny teny malagasy dia misy fiteny maro, izay mampiavaka ny isam-paritra. Ny malagasy iombonana dia ireo voambolana teraka tamin'ny taona 1972 mba ho ampiasaina, avy amin'ny sehatra isan-tsokajiny sy faritra maro. Ny malagasy ôfisialy dia tsy azo hadika hoe teny imerina fa ireo teny ampiasaina amin'ny fitondran-draharaham-panjakana. Ny malagasy ara-penitra dia ireo izay manaraka ny lasitra na fitsipika. Ny sehatr'asa isan-karazany dia samy manana voambolana teknika ; ohatra : ordonnance didim-pitsarana (Fitsarana) taratasim-panafody (Fitsaboana). Ny teny malagasy dia sokajiana ho "teny teratany".
♦ Nasandratry ny Papa François ho Olomasina, omaly, i Fr Artémide Zatti, coadjuteur salezianin'i Don Bosco... ♦ Mihamafy ny tsindry manery ireo mpirakidraharaham-pitsarana hiverina hiasa. Tsy hilefitra anefa izy ireo fa hanohy ny fitokonana tsy misy fiandrasandraharaha... ♦ Nanao ranolava ny fikaonandoha notarihan'ny ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovanjafy amin'izao vanim-potoanan'ny afo izao. Tsy handefitra amin'ireo mpandoro tanindrazana ny Fanjakana, hoy Ramatoa Ministra... ♦ Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba hanohana an'i Haïti ny sekretera jeneralin'ny firenena mikambana manoloana ny krizy any amin'ity firenena ity...
♦ Manahy ny haharïtra tsikelikely ny vola tahiry eo anivon'ny CNaPs ny Firaisan-kinan'ny sendikà eto Madagasikara na ny SSM. Ahiahy, manoloana ny fivoahan'ilay didim-pitondrana momba ny fampiakarana ny karama farany ambany ho an'ny sehatra tsy miankina... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana faobe ny sendikan'ny Paramed, raha mbola misy naman'izy ireo mamoy ny ainy, noho ny tsy fandiam-pahalemana. Mpitsabo mpanampy roa no naratra, vokatr'izany hatramin'ny volana septambra nankaty... ♦ Handray lalao iraisam-pirenena indray rahampitso ny Kianjaben'i Mahamasina. Hifandona amin'ny Marumo Gallants avy atsy Afrika-atsimo ny ElgecoPlus, amin'ny dingana faharoa amin'ny fiadiana ny amboaran'ny CAF...
Ny faha-04 ôktôbra no fankalazana ny fetin'i Md François d'Assise. Ny Papa mitantana ny fiangonana katôlika ankehitriny dia nisafidy hisalotra ny anarana "François" rehefa teo amin'ny Fiketrahana Masina. Misy ny fitsidihana ataon'ny Jeneraly eo anivon'ny fikambanan'i Jesoa maneran-tany eto Madagasikara. I Md François d'Assise tamin'ny fahavelomany dia zanak'olona manan-karena fa tamin'ny faha-25 taonany dia nisafidy ny fiainam-pahantrana naka tahaka an'i Kristy, hizara fahasoavana amin'ny ireo olona sahirana. Ity olomasina ity dia nahazo ny fahasoavana tamin'ny niainany ny fery dimin'i Kristy, tamin'ny felan-tanany roa sy ny tongony ary ny manandrify ny fony. Maneho ny hoe eglizy miara-dia ny fitsidihana atao eto Madagasikara...
Ny 12 ôktôbra dia fetin'ny olontsambatra Jean Beyzim, ary fitondrana am-bavaka ireo marary hoditra rehetra. Zava-dehibe ny fanabeazana ka mila kajiana sy kolikoloina amin'ny sehatra rehetra, miainga eo anivon'ny ankohonona ka hatreny amin'ny fiaraha-monina. Mila ampiana ny zaza, ny zatovo, ary ireo tanora na ara-batana na ara-tsaina na ara-panahy fa ireo no manorina ny tanteraka ny maha-olona manontolo. Samy manana ny fomba hikarakarana azy ireo singa telo ireo : ara-batana dia ny sakafo sy ny fitafiana miampy fanatanjahantena ; ny ara-panahy dia fikolokolohana hananana fahalalana ; ny ara-panahy dia ny vavaka. Mila mifanampy sy mifampitaiza ny mpiara-belona...
Ny aretina "parkinson" dia aretina mahazo ny selan'ny atidoha, izay mamokatra ny tsiranoka atao hoe "dopamine". Ity farany dia manana ny asa mandrisika ny vatana havitrika. Ny atidoha dia taova mibaiko ny vatana manontolo, ka ilàna fitandremana. Ny sakafo mandrisika amin'ny famokarana "dopamine" : ankondro, chocolat, sésame, zavoka, atody, sakafo vita avy amin'ny ronono. Ny lehilahy no betsaka voan'ny aretina "parkinson", ny salan-tanao dia manodidina ny 60 taona no miakatra. Ny fambara : valabalaka, mihena ny fifantohana, mihena ny fahazotoana manao asa, mihinjitsindritra ny ozatra samihafa, sahirana manetsika vatana, mangovitra ny loha na tongotra na ny tanana rehefa mipetraka, sahirana miteny, miharatsy soratra...
♦ Miantso ny olom-pirenena ho mailo amin'ilay hetsika fitsaràna mitety vohitra, hanaovana kara-panondro faobe ny Firaisa-monim-pirenena OSC. Manahy ny amin'ny mety hisian'ny "doublons" betsaka anatin'ny lisitry ny mpifidy amin'ny taona 2023 izy ireo, vokatr'io hetsika io... ♦ Tsy hanaiky ny hampidinana ny karama farany ambany ho an'ny mpiasa tsy miankina amin'ny taona 2023 ny fiaraha-midiniky ny mpiasa malagasy na ny CTM. Nilaza ny hitory eny amin'ny filan-kevi-panjakàna ihany koa ny Randrana Sendikaly, manoloana izany... ♦ Mandalo any amin'ny diôsezin'i Fianarantsoa ny lehiben'ny Fikambanan'i Jesoa maneran-tany. Nanome hafatra ho an'ireo mpianatra sy kristiana izy omaly, tao Ambatomena...
♦ Tsy mankasitraka ny fanaovana fikaonan-doham-pirenena ny antoko Lia Raiky... ♦ Nijerena ny olana sy ny paikady hampivoarana ny asa tanana no isan'ny tanjona amin'ilay fikaonan-doham-pirenena momba izany, natao tetsy Ivato, androany... ♦ Tafapetraka ny birao vaovaon'ny Antenimieran'ny Varotra eto Antananarivo...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco