♦ Pretra telo sy diakra iray no nohamasinina tao amin'ny Katedraly Masina Maria Vonjy Mahatoky tao amin'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy ny sabotsy 15 ôktôbra 2022... ♦ Notsofin-drano ny alahady 16 ôktôbra 2022 ny toerana hanorenana ny fiangonana vaovao ao Antanimalandy, Diosezin'i Mahajanga... ♦ Nohalavain'ny Papa François hatramin'ny ôktôbra 2024 ny Sinaodin'ny Eveka momba ny Eglizy miara-dia...
♦ Niteraka resa-be ilay fanapahan-kevitr'i Madagasikara nisafidy ho nanameloka an'i Rosia tamin'ny latsa-bato teo anivon'ny Firenena Mikambana. Maro ireo gazety nilaza fa tsy nakàna ny hevitry ny filoham-pirenena ny safidy natao tany... ♦ Namoaka fanambaràna ny antoko TIM momba ny fahitàny ny fizotry ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy tamin'ity volana ity. Miahiahy ilay "jugement supplétif" ny antoko satria tsy ampy ny fanamarinana, ka misy ireo hahazo kara-panondro maromaro... ♦ Mitaraina ireo sekoly tsy miankina fa hanimba ny fanabeazana ny zaza Malagasy ny fisian'ireo "Cours" fakàna fanadinana mialohan'ny fotoana. Mahatsapa fitsoahan'ny mpianatra an-daharana izy ireo...
Sôva dia karazan-tononkalo tsimihety mitsikera toe-javatra iray na mitantara toe-javatra iray amin'ny teny mirindra matetika miady rima. Ny foko Tsimihety sy ny Betsimisaraka-avaratra no tena tompon'ny Sôva. Lehilahy havanana sy efa manana fahaizana manokana ny mpiangaly sôva. Atao an-kavoriana ny sôva, mandritra ny fotoam-dehibe eo an-tanàna. Fanoritsoritana zavatra fahita sy iaraha-mahafantatra eo amin'ny fiainana an-davan'andro. Ny sôva dia ahitana fampitahana sy fitanisana : endrika na toetra ; hita amin'ny zavatra na biby. Tsy mitovy ny sôva, ny vakisôva, ny tandonaka, ny jijy, ny rija betsileo. Misy vehivavy antsoina hoe mpandrombo izay mandrisika an'ilay mpiventy... Ny lamako dia valanondranon'omby, fitaovana ilaina amin'ny sôva.
♦ Ravan'ny afo ny tanàna tao amin'ny Fokontany Labandy, Kaominina Maromadia any amin'ny Faritra Sofia. Trano miisa 120 tafo no kila hotohoto... ♦ Sarotra ny fifehezana ny afo ao amin'ny valan-javaboahary Ambohitantely ao amin'ny Distrika Ankazobe ato amin'ny Faritra Analamanga hoy ny ao amin'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena. Nahetsika avokoa ny ratsa-mangaika ao amin'ny tafika malagasy hanampy tosika amin'ny famonoana ny afo... ♦ Nahavitabe tamin'ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny Federasionan'ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara na ny FVTM. Ny mpikambana izay mankalaza ny faha-20 taona nijoroan'izany rafitra izany...
♦ Mandroso aloha noho ny vinavinaina ny asa fanamboarana amin'ny toby famokarana herinaratra any Andekaleka. Maherin'ny 70% amin'ny asa no vita hatramin'ny omaly tolak'andro... ♦ Atahorana hitombo ny trangan'aretina peste bubonique, noho ny fisian'ny dorotanety mahazo vahana tato ho ato. Nambaran'ny avy amin'ny dorotanety mahazo vahana tato ho ato. Nambaran'ny avy amin'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka fa tsy ny aretin'ny taovam-pisefoana ihany no aterak'izany fa koa ny trangana pesta ihany koa... ♦ Nihintsana teo amin'ny dingana faharoa ny ElgecoPlus teo amin'ny fiadiana ny amboaran'ny CAF. Mbola resy indray ity klioba ity tamin'ny lalao miverina Afrika-Atsimo ny sabotsy tolak'andro teo...
Ny Bibaka an-tenda na "goître" dia fivontosana amin'ny faritry ny tenda izay fivontosan'ny tiroida. Io tranga io dia mety ho toe-javatra mihelina tsy ilàna fitsaboana, na mety ho fambara amin'ny olana hafa mikasika ny tiroida, mety ho lehibe ka ilàna fandidiana. Ny bibaka an-tenda dia vokatry ny tsy fahampian'ny "iode" na efa tarazo, mety ho vokatry ny fifohana sigara, na raritsaina be loatra... Ny hôrmônina vokarin'ny taova tiroida dia ilaina amin'ny fiasan'ny : fo, atidoha, hozatra, taovam-pandevonan-kanina... Fambara : taitaitra, kizitina, mikorontana ny torimaso, mangovitra ny tanana, misakafo tsara fa mihamahia, midobodoboka be ny fo, tsemboka lava, manana olana @ taovam-pisefoana...
♦ Hanao ny Visite any Limina any Roma ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny 21 hatramin'ny 29 ôktôbra ho avy izao... ♦ Marihana androany ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tehina fotsy. Miantso ny olom-pirenena hanampy azy ireo ny olona jamba rehefa mahitra azy ireo tojo fahasahiranana eny an-dalana... ♦ Ho hentitra ny sazy ho an'ireo tratra mandoro ala eto amintsika hoy ny Praiministra. Misy tambazotra ny fandoroana ala amin'izao fotoana izao hoy Andriamatoa Ntsay Christian ka tsy azo ekena izany...
♦ Hiatrika "Visite Ad Limina" any Rôma, ny 21 hatramin'ny 29 ôktôbra izao, ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. Hisy ny fotoana hihaonan'izy ireo amin'ny Papa François amin'izany... ♦ Nisy olona iray nosamborina, voalaza fa isan'ireo tompon'antoka tamin'ny fandorana ny ala arovana any Ambohitantely Ankazobe. Tsy maintsy hihatra ny sazy henjana ho an'ireo tratra minia mandoro ala, hoy ny Praiminisitra, androany... ♦ Nanao fitokonana fanairana nanomboka androany, ireo mpiasa ECD miisa 116, avy amin'ireo ivon-toerana manofana mpampianatra manerana ny nosy...
♦ Hanatanteraka ny visite Ad Limina apostolorum any Rôma ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny 21 hatramin'ny 29 ôktôbra 2022... ♦ Tontosa ny 12 ôktôbra 2022 ny fanokafana ny taom-pianarana 2022-2023 ho an'ny Sekoly Katôlika manerana ny Distrikan'i Betafo Antsirabe... ♦ Mankalaza ny faha-100 taona ny gazety-boky "Monde et Mission"...
♦ Miisa 179 ireo voafonja teny Antanimora no tsy afaka niatrika ny fitsarana, tao anatin'ny herinandro nanaovan'ny mpiraki-draharaham-pitsarana fitokonana... ♦ Nidina ifotony nanentana amin'ny fanajana ny lalana sy niantso fitoniana ny OMC any Morondava manoloana ilay horonam-peo niparitaka, mivoy fandatsahana ain'olona... ♦ Nahetsika androany ny zandary 250, hanampy ireo olona 600 hamono afo any Ambohitantely Ankazobe...
Sabotsy 22 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 1-9
Zoma 21 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 54-59
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco