Eken'ny fampianaran'ny Eglizy ny maha-ara-drariny ny fitokonana. "raha toa ka fara lalana tsy azo nidifiana mba hahazoana tombontsoa mifanahantsahana aminy", rehefa tsy nisy nahitam-bokatra ny ezaka hafa rehetra ntao handravonana ny fifanolanana. Ny fitokonana dia fandresena isan'izay nanahirana indrindra vao azon'ireo fikambanana sendikaly... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny fanatontoloana ny fiharian-karena, ny fanalalahana ny tsenam-barotra, ny rivotry ny fifaninana ary ny fahamaroan'ny orinasa mifantoka manokana amin'ny famatsiana entam-barotra voahodina sy ny asa fandraharahana dia mitaky tsenan'asa afa-manaraka tsara ny onjany, toraka izany koa ny fandrindrana sy ny fitantanana ny fizotry ny famokarana... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny dokam-barotra ankehitriny dia lasa misy tsy fifanajana, fanambaniana ny hafa, izay vokatry ny tosiky ny fifaninana. Ady ary asa mafy ny fandresen-dahatra olona hanjifa na hanaraka foto-kevitra iray amin'izao vaninan'andro izao. Miova ny endriky ny dokam-barotra, na ny vavaka aza misy dokam-barotra... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Tsy ny asa fiveloman'ny olona any amin'ny tany efa mandroso ihany no tsy voaaro sy tsy azo antoka haharitra fa indrindra koa ny any amin'ireo faritra eran-tany tena tratra aoriana ara-toekarena ; ireto farany moa ankoatra ny olana ateraky ny fiovan'ireo môdely ara-piharian-karena sy ara-pamokarana eo aminy dia tsy maintsy miatrika ny fanatontoloana. Misy ny tsenan'asa fa mafy koa ny fifaninanana... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Eo anatrehan'ireo zava-baovao "res novae" tsy mifanentana eo amin'ny tontolon'ny asa, ny fampianaran'ny Eglizy momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy dia manafatra ny mba hisorohana ny hadisoan-kevitra fa ireo fiovana ireO dia lahatra tsy azo ihodivirana. Manazava ny sain'ny besinimaro ny Eglizy fa tokony loha-laharana ny lafin'ny asa maha tompon'antoka ny olona satria ny asan'olombelona dia antso. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny fianakaviana no singa fototra fiandohan'ny fiaraha-monina ; raha tianao ho mendrika ny fiaraha-monina dia andeha hoamafisina ny soatoavina ara-môraly ; raha tianao hivoatra ny fiaraha-monina dia andeha ampiana ny ankohonana hikatsaka ny fivoarana ara-pivelomana ; raha tiana hiorina ny fahafahana, fandriam-pahalemana ary ny fihavanana dia andeha hamafisina ny fifandraisan'ny ankohonana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Raha tiana hiamafy ny fifandraisana dia atomboka eo amin'ny ankohonana ny fanajana an'Andriamanitra fitiavana ; raha tianao hivoatra ny fiaraha-monina dia andeha ampiana ny ankohonana hikatsaka ny fivoarana ara-pivelomana ; raha tiana hiorina ny fahafahana, fandriam-pahalemana ary ny fihavanana dia andeha hamafisina ny fifandraisan'ny ankohonana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Ny fototra iorenan'ny soa imbonana dia ny ankohonana. Fanirin'Andriamanitra tamin'ny naharian'ny ny olombelona : tian'Andriamanitra ny haha fianakaviana iray monja ny olombelona rehetra ary ny hifampitondran'izy ireo toy ny mpirahalahy sy mpianadahy. Ny atao hoe soa imbonana dia "fitambaran'ny fepetra ara-piaraha-monina afahana manatratra ny fahalavorariana tanteraka. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Ny singa fototra ilain'ny soa iombonana dia ny fanajana sy ny fampahalalana ny zo fototra maha-olona. Miteraka zo sy adidy mikasika ny taranak'olombelona tontolo ny soa iombonana. Isaky ny fitambaran'olona dia tsy maintsy mitsimbina ny zavatra ilaina sy ny faniriana ara-drariny eo amin'ny fitambaran'ny olona hafa. Ambony noho ny zavatra ny maha-olona izay miorina amin'ny fanajana ny zo. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Isan'ny singa fototra ilain'ny soa iombonana ihany koa ny fitandrovan'ny Fanjakàna ny zo fototra maha-olona. Tsy maintsy avelan'ny fiaraha-monina ny isam-batan'olona ao aminy hanatanteraka ny fiantsoan'Andriamanitra azy. Ny soa iombonana dia miorina amin'ny fepetra fampiasana ny fahafahana voajanahary : anisan'izany ny zo hanao asa amam-pihetsika araka ny fitsipika mahitsy ny kônsiansy... Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Ilain'ny soa iombonana ny hiantohan'ny fahefana mifehy, amin'ny fomba mendrika, ny filaminan-tsain'ny mpiara-monina sy ny an'ireo mpikambana ao aminy. Ny soa iombonana no manamarim-pototra ny zom-piarovan-tena eken'ny lalàna ataon'ny tsirairay sy ny rehetra mitambatra. Hoy ny konsily :"tsy hoe rahefa tsy misy ady, na mifandanja ny hery an-daniny sy ankilany dia mandry fehizay ny tany..." Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Manome andraikitra ny olona rehetra ao anaty fiaraha-monina ny soa iombonana. Mba hampiroboroboana sy hampandrosoana ny soa iombonana dia ilaina ny fandraisana anjaran'ny olona tsirairay sy isan-tsokajiny ary ny olona rehetra, satria io no endrika firotsahan'ny olona an-tsitrapo sy malalatanana eo amin'ny fifanampiana ara-piaraha-monina. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco