31 jolay 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 31-35)

30 jolay 2023 — Alahady Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Misaotra Anao aho Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-52)

♦ Hanomboka anio ny Androm-Pirenena ho an'ny Ankizy, na ny JNE-3. Sorona Masina hotanterahana eny amin'ny tokontany malalaky ny ESCA Antanimena no hanehoana izany anio... ♦ Hivoaka mialoha ny fifidianana ny fitorian-dRamatoa Fanirisoa Herinaivo ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, hoy ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana omaly... ♦ Velon-taraina amin'ny zava-misy, ny zokiolona mikarakara taratasy ao amin'ny CNaPS Ampefiloha. Tsy rariny intsony ny zva-misy, hoy izy ireo...

♦ Nigadona androany teto Antananarivo, ireo mpivahiny hanatrika ny Androm-Pirenana ho an'ny Ankizy andiany fahatelo... ♦ Hivoaka alohan'ny fifidianana ny fitorian-dRamatoa Fanirisoa Herinaivo ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, hoy ny Filohan'ny HCC androany... ♦ Efa eo am-pamaranana, ny fanadihadiana momba ny fivoahan'ny laza adina tamin'ny fanadinana Bakalôrea, hoy ny SEG...

♦ Efa manomboka ho tonga tsikelikely eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, ireo ankizy avy amin'ny Diôsezy hafa, hiatrika sy hanatanteraka ny JNE-3... ♦ Efa feno mpizaha tany any amin'ny Faritra Menabe amin'izao fotoana izao. Manodidina ny 30 isan'andro eo ny fiara tonga, raha ny any Bemaraha fotsiny... ♦ Hanamarika ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy Afrikana, isika eto Madagasikara, rahampitso alakamisy sy amin'ny zoma izao...

♦ Nisantaran'ny Malagasy miatrika ny JMJ any Portugal omaly, ny fitsidihana sy ny fampahafantarana ny tantaran'ireo fiangonana sy ny tanàna ary ny fivahinianana masina... ♦ Hamory ny mpanao pôlitika sy ny kandidà Filoham-pirenena anio, ny RMDM... ♦ Tsy tokony hozimbazimbaina na hatao ho tsinontsinona ireo ray aman-dreny na ny mpitondra ara-drazana noho ny fankahalana ara-pôlitika, hoy ny Filohan'ny Federasiônn'ny Ampanjaka sy ny Ray aman-dreny ara-drazana eto Madagasikara...

♦ Nanentana ny mpiasam-panjakana ny Minisitry ny Asa, mba tsy ho voatariky ny mety ho fitiavana na fankahalana ny mpitondra izy ireo, ka hanimba ny mpiara-monina sy ny taranaka Malagasy... ♦ Hamory ireo mpanao pôlitika rehetra sy ireo kandidà ho Filoham-pirenena ny RMDM rahampitso, eny amin'ny Espace Dera Tsiadana... ♦ Tsy mankasitraka ny hiasan'ny orinasa BOVIMA any amin'ny Faritra Androy sy Anosy, hisehatra amin'ny fanondranana omby any ivelany, ny Solombavam-bahoaka Idealison...

♦ Hihaona amin'ny delegasiôn'ny SADC anio tolak'andro ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Fihaonana, tafiditra anatin'ny fakàn-kevitr'ity vondrona ity momba ny zava-misy ara-pôlitika sy ny fanomanana ny fifidianana eto Madagasikara... ♦ Mbola tsy tokony hiakatra aloha ny saran-dalana ao an-drenivohitra fa mila dinika, mba tsy hisy ny fanararaotana hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH. Miantso fandraisan'andraikitra haingana dia haingana ity fikambanana ity, noho izay zava-misy atsy ho atsy izay... ♦ Nahazo famatsiam-bola 366 miliara Ariary ny Governemanta malagasy, tamin'ny alalan'ny AFD. Famatsiam-bola natokana ho an'ny famokarana angovo sy ny fambolena isan-karazany amina kaominina 25 isa eto...

♦ Mihaona sy maka ny hevitr'ireo Vondrona pôlitika eto amintsika ny iraky ny vondrona SADEC nanomboka omaly. Manombona ny tontolo pôlitika sy ny filaminana eto Madagasikara izy ireo, mialohan'ny hirosoana amin'ny fifidianana... ♦ Nihemotra anio indray, raha tokony efa nanomboka omaly ny fitsarana ireo taratasim-panadinana Bakalôrea eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Nisy ny fandaminana tsy maintsy niarahana tamin'ireo mpitsara omaly... ♦ Mikasa ny hampiakatra saran-dalan'ny fitateram-bahoaka ao an-drenivohitra ny UCTU manomboka ny volana Aogositra ho avy izao. Tsy mbola voafaritra mazava aloha io saran-dalana hiakatra io hatramin'izao...

♦ Nihemotra ho rahampitso ny fitsarana ireo taratasim-panadinan'ireo mpiadina Bakalôrea... ♦ Hanamafy ny fampanginana ny Oniversite hatramin'ny alarobia izao, ny sendikà SECES sampana Antananarivo... ♦ Maminavina ny hampakatra saran-dàlana ny UCTU, manomboka ny volana aogositra ho avy izao...

♦ Nankatoavin'ny Papa François, ny fangatahan'i Mgr Fulgence Rabeony, hitsahatra amin'ny fitantanana pastôraly ny Arsidiôsezin'i Toliara noho ny fahafenoan'ny taona. Notendren'ny Ray masina handimby toerana azy i Mgr Gustavo Bombìn Espino, Evekan'i Maintirano... ♦ Nanainga omaly alina ireo Delegasôna Fahazavan'i Madagasikara, hiatrika ny JMJ hatao any Lisbonne, Portugal... ♦ Nigadona teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, ny sabotsy hariva lasa teo, i Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Vakiteny voalohany

Boky Levitika (Lev. 25, 1. 8-17)

Amin’ny taona Jobily, hody any amin’ny taniny avy ny olona rehetra.

Tamin’izany andro izany, ny Tompo niteny tamin’i Môizy
tany an-tendrombohitra Sinaia nanao hoe:

“Hanisa taom-tsabata fito impito fito taona ianao:
fotoana mahalany sivy amby efapolo taona no faharetan’izany taona sabata fito izany.
Ny andro fahafolon’ny volana fahafito
dia tsofy ataovy manakoako ny feon’ny trômpetra;
amin’ny andron’ny Fanorenana dia tsofy hatraiza hatraiza eo amin’ny taninareo ny trômpetra.
Ary ankamasino ny taona fahadimampolo,
ataovy antso avo ny fahafahana ho an’ny mponina rehetra amin’ny tany.
Fa Jobily ho anareo izany, ka samia ianareo mody amin’ny taniny avy,
samia mody ao amin’ny fianakaviany avy.
Jobily ho anareo ny taona fahadimampolo:
tsy hamafy ianareo, tsy hijinja izay maniry ho azy amin’ny tany;
ary tsy hioty ny voaloboka tsy norantsanana,
fa Jobily izany, ka masina ho anareo.
Izay ho vokatry ny taninareo no hohaninareo.

Amin’izany taona Jobily izany,
samia ianareo mody amin’ny taninareo avy.
Raha misy varotra ifanaovanareo amin’ny namanareo,
na misy zavatra vidinareo aminy,
dia aza misy mamono antoka ny rahalahiny.
Araka ny isan-taona isaina hatramin’ny Jobily lasa teo
no hividiananao amin’ny namanao,
ary araka ny isan’ny fotoam-pahavokarana no hivarotany aminao.
Araka ny hamaroan’ny taona mbola ho avy no hanondrotanao ny vidiny,
ary araka ny havitsian’ny taona no hampihenanao ny vidiny:
satria ny isan’ny vokatra isan-taom-pijinjana no ivarotany aminao.
Aza misy mamono antoka ny rahalahinareo ianareo,
fa matahora an’Andriamanitra,
satria Izaho no Tompo Andriamanitrareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 66, 2-3. 5. 7-8

Hidera Anao ny vahoaka rehetra, ry Andriamanitra. Hidera Anao ny vahoaka rehetra!

Hiantran’Andriamanitra anie isika hotsimbininy
ka ataony mamiratra eo amintsika ny Tavany.
Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao
ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!

Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony,
fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny
sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony!

Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra.
Andriamanitra mantsy Andriamanitsika: mitsimbina.
Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao,
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 1-12)

Naniraka hampanapaka ny lohan’i Joany i Herôda ary lasa nilaza izany tamin’i Jesoa ny mpianany.

Tamin’izany andro izany, ren’i Herôda tetrarka ny lazan’i Jesoa,
ka hoy izy tamin’ny mpanompony:

“I Joany Batista izay;
efa nitsangan-ko velona izy,
ka izany no ahavitany fahagagana maro.”

Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany,
ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny.
Satria i Joany nilaza taminy hoe:

“Tsy mahazo manambady io ianao.”

Nitady hamono azy i Herôda saingy natahotra ny vahoaka,
satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany.
Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda,
dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada,
ka nahafaly an’i Herôda.
Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona.
Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe:

“Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista.”

Dia nalahelo ny mpanjaka,
kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy,
dia nasainy homena azy ihany izany;
ary naniraka nampanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina izy.
Dia nentina tamin’ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy,
ary nentiny tany amin-dreniny.
Nalain’ny mpianatr’i Joany kosa ny faty dia naleviny,
vao lasa izy nilaza izany tamin’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 18 jolay 2025

• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...