Vakiteny voalohany

Bokin’ny Mpitsara (Mpits. 2, 11-19)

Nanangana mpitsara ny Tompo, kanefa tsy nohenoiny izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
nanao ratsy teo imason’ny Tompo ny zanak’i Israely,
fa nanompo an’ireo Baala.
Nafoiny ny Tompo Andriamanitry ny razany,
izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta;
fa andriamani-kafa,
tamin’ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy no narahiny,
sy niankohofany teo anatrehany,
ka nampahatezitra ny Tompo izy ireo.
Fa ny Tompo nilaozany, ary i Baala sy ny Astarte notompoiny.

Dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’ny Tompo
ka natolony ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina azy,
ary tsy nahatanty ny fahavalony intsony.
Izay nalehany namelezan’ny tanan’ny Tompo hampahory azy avokoa,
araka ny efa voalazan’ny Tompo,
araka ny nianianan’ny Tompo taminy rahateo
ka dia azon’ny fahoriana mafy be izy.
Nanangana mpitsara ihany ny Tompo hanafaka azy ireo tamin’izay nandroba azy;
nefa tsy nihaino izay mpitsarany akory izy;
fa nandeha nitolo-tena tamin’ny andriamani-kafa,
sy niankohoka teo anoloan’ireny.
Nalaky nivily izy tamin’ny lalana nomban’ny razany,
izay nitandrina ny didin’ny Tompo;
tsy nanao tahaka izany izy.
Nony nanangana mpitsara ho azy ireo ny Tompo,
dia nomban’ny Tompo izany mpitsara izany ka namonjy azy ireo
tamin’ny tanan’ny fahavalony,
tamin’ny andro rehetra iainan’ny mpitsara;
satria nalahelo ny Tompo noho ny fitarainany
teo anoloan’ireo nampahory sy nampijaly azy.

Rahefa maty anefa ny mpitsara dia nihasimba indray izy
mihoatra noho ny razany indray aza,
ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy
sy hiankohoka eo anatrehany,
fa tsy niala amin’ny hadisoany amam-pikiribibiany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 105, 34-35. 36-37. 39-40. 43ab sy 44

Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao.

Ireo olona voalazan’ny Tompo
dia tsy naringany velively.
Niharo tamin’ireo firenena izy,
sady nianatra ny fanaony.

Ny sampin’izy ireo notompoiny,
ka tonga fandrika ho azy.
Nosoroniny ho an-dolo
ny zanany lahy aman-janany vavy.

Voazimban’ny nataony izy ireo,
zary janga noho ny asany.
Koa nirehetan’ny haviniran’ny Tompo ny vahoakany,
tonga halany mainty ny lovany.

Matetika anefa nafahany ihany;
kanjo niasa nikomy sy nihombo hadisoana.
Kanjo hitany ny fahaporetany;
henony ny ferin’ny ainy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 16-22)

Raha tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao.

Indray andro,
nisy olona anankiray nanatona an’i Jesoa ka nilaza hoe:

“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”

Dia hoy Izy namaly azy:

“Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara?
Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra;
ka raha te-hiditra any amin’ny fiainana ianao,
tandremo ny didy.”

Dia hoy izy hoe:

“Didy inona avy?”

Dia hoy i Jesoa:

“Aza mamono olona,
aza mijangajanga,
aza mangalatra,
aza mety ho vavolombelona tsy marina,
manajà ny rainao aman-dreninao,
ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”

Dia hoy ilay tovolahy taminy:

“Hatra ny fony mbola kely aho
no efa nitandrina izany rehetra izany,
ka inona no mbola tsy ampy amiko?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Raha tahìny tianao ny ho lavorary,
andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao;
ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy.”

Nony nandre izany teny izany ilay zatovo,
dia niala tamin’alahelo,
satria be ny fananany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...