Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa, koa mitomoera amin’ny fitiavako ianareo. Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany. Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo. Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo. Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako. Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantaro fa Izaho no halany talohanareo. Raha olon’izao tontolo izao ianareo, dia ho tian’izao tontolo izao izay azy; fa noho ianareo tsy olon’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo. Tsarovy ny teny izay nolazaiko hoe: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony. Raha nenjehiny Aho, dia hoenjehiny koa ianareo; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny Anarako, satria tsy fantany Ilay naniraka Ahy."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo. Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako. Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa, ka mitomoera amin’ny fitiavako ianareo. Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany. Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo."
Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy i Mompera Gabriel Randrianantenaina, pretran'ny Diosezin'i Moramanga ary Secrétaire Coordinateur-n'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara hatramin’izao.
Na dia mandalo vanim-potoana sarotra aza dia tadidio fa mbola hisy ny tsirim-panantenana eo amin' ny fiainana. (28-04-2021)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: "Fiadanana no avelako aminareo, ny fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho atý aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao, satria lehibe noho Izaho ny Ray. Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rahefa tonga izany. Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho, fa avy ny filohan’izao tontolo izao; tsy manana na inona na inona amiko anefa izy, fa mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ka araka izay nandidiany Ahy no ataoko."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’i Tômà nanao hoe: "Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; hatramin’izao, dia mahafantatra Azy ianareo, sady efa nahita Azy." Dia hoy i Filipo taminy: "Asehoy anay ny Ray, Tompoko, dia ampy ho anay izany." Fa hoy i Jesoa taminy: "Izay ela izay no nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray koa; ka ahoana no anaovanao hoe: Asehoy anay ny Ray? Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa. Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko; na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.
Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka izay rehetra angatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo dia hotanterahiko izany."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly. Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa. Efa madio ianareo izao, noho ny fampianarana nataoko taminareo.
Mitomoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo. Fa ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka, tsy mahazo mamoa ho azy, ary toy izany koa ianareo raha tsy mitoetra ao amiko. Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo. Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.
Raha mitoetra ao amiko ianareo, ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany. Ho voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha nahafantatra Ahy ianareo dia ho nahafantatra ny Raiko koa; hatramin’izao, dia mahafantatra Azy ianareo, sady efa nahita Azy." Dia hoy i Filipo taminy: "Asehoy anay ny Ray, Tompoko dia ampy ho anay izany." Fa hoy i Jesoa taminy: "Izay ela izay no nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray koa; ka ahoana no anaovanao hoe: Asehoy anay ny Ray? Tsy mino ve ianao fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa. Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko; na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany. Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo, dia hotanterahiko izany."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa. Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo, ary rahefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa. Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay alehako." Dia hoy i Tomà taminy: "Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko, ka ahoana no ahafantaranay ny lalana?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako."
Tamin’izany andro izany, nony efa voasasan’i Jesoa ny tongotry ny mpianany, dia hoy Izy tamin’izy ireo: "Lazaiko marina dia marina aminareo: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony; na ny iraka tsy ambony noho izay naniraka azy. Raha fantatrareo izany, dia ho sambatra ianareo raha manao izany.
Tsy ianareo rehetra no antsoiko (fantatro izay nofidîko); fa mba ho tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Izay miara-mihinana mofo amiko no hanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.
Ilazako izany ianareo ankehitriny dieny mbola tsy tanteraka izany, mba hinoanareo rahefa tanteraka fa Izaho no Izy. Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mandray izay hirahiko, dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy, dia mandray izay naniraka Ahy."
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco