Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 3, 1-6. 9-12)

Niseho tamin’ny endriky ny lelafo teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo ny Tompo.

Tamin’izany andro izany,
niandry ny biby fiompin’i Jetrao, rafozany,
mpisorona tao Madiàna, i Môizy.
Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby,
ka tonga tany amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, tany Hôreba izy.
Ny Anjelin’ny Tompo niseho taminy, amin’ny endriky ny lelafo,
teo afovoan’ny zavamaniry milobolobo.
Hitan’i Môizy fa indro nirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo,
nefa tsy levona.
Ka hoy i Môizy:

“Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io,
sy hizaha izay tsy mahalevona ny zava-maniry milobolobo.”

Hitan’ny Tompo fa niolaka hijery izy,
dia niantso azy Andriamanitra teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo,
nanao hoe:

“Ry Môizy! Ry Môizy!”

Ka hoy ny navaliny:

“Inty aho!”

Dia hoy Andriamanitra:

“Aza manakaiky eto;
esory ny kapa amin’ny tongotrao, fa tany masina io.”

Ary hoy koa Izy:

“Izaho no Andriamanitry ny rainao,
Andriamanitr’i Abrahama,
Andriamanitr’i Isaaka
ary Andriamanitr’i Jakôba.”

Nosaronan’i Môizy ny tavany,
fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra izy.
Hoy indray ny Tompo:

“Ankehitriny,
indro tafasondrotra hatratý amiko ny fitarainan’ny zanak’i Israely,
ary efa hitako ny fahoriana atambesatry ny Ejipsianina amin’izy ireo.
Koa handeha ianao amin’izao,
irahiko ho any amin’i Faraôna,
hitondranao mivoaka ny zanak’i Israely vahoakako.”

Fa hoy i Môizy tamin’Andriamanitra:

“Zinona moa aho no hankany amin’i Faraôna
sy hitondra ny zanak’i Israely hivoaka avy any Ejipta?”

Dia hoy Andriamanitra:

“Homba anao Aho;
ary izao no famantarana fa Izaho no naniraka anao:
Rahefa tafavoakanao an’i Ejipta ny vahoaka,
dia hanompo an’Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 102, 1-2. 3-4. 6-7

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
sy ny Anarany Masina, ry ato anatiko rehetra.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Aza misy hadinoina ny soa azo avy aminy.

Izy Ilay mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny lavaka,
manototra hatsaram-po sy indrafo anao!

Mpanome rariny ny Tompo,
omeny hitsiny izay ampahoriana rehetra.
Nampahafantatra ny Lalany an’i Môizy Izy,
sy ny asany vaventy ny Zanak’i Israely.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-27)

Nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry Ianao fa nanambara azy tamin’ny tso-po.

Tamin’izany andro izany, niteny i Jesoa nanao hoe:

“Misaotra Anao Aho, Raiko,
Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao,
ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa.
Eny, misaotra Anao Aho, Raiko,
fa izany no sitra-ponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray;
ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...