Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy. Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny? Fa ny Zanak’Olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa, fa ny sasany eto, dia tsy hanandrana fahafatesana, raha tsy efa mahita ny Zanak’Olona avy amin’ny fanjakany."
♦ Tanterahina ny 13 hatramin'ny 18 jolay 2022 ny Fihaonamben'ny ankizy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ "Ankizy mivelona ny Tenin'Andriamanitra sy ny Eokaristia no fanantenan'ny Eglizy" no teny ifanentanan'ny ankizy ao amin'ny Diôsezin'Ambanja, ny 13 hatramin'ny 17 jolay 2022... ♦ Hanatanteraka ny fihaonambe ny 18 hatramin'ny 22 jolay 2022, ny ACP eto Antananarivo...
Ny nofinofy hanana tanjona sy dingana eo amin'ny fiainana no manala ny sakana anaty rehetra. Tsy tokony ho ny safidin'ny raiaman-dreny no hamaritra ny fiofanana na asa hataon'ny tanora fa izay nofinofiny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Desiré Ramakavelo.
♦ Fivoriana sy laretirety no hanamarihana ny volan'ny pretra ho an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Nihaona nandritra ny efatra andro ny Misiona Fianakaviana Masina sy ny Misiona Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely ao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Nanentana ny rehetra hivavaka ho an'i Sri-Lanka, izay miaina ao anatin'ny olana ara-toekarena sy pôlitika, ny Papa François ny alahady 10 jolay 2022...
♦ Niantso ny isam-pianakaviana hifanome tanana amin'ny fampanjariana ny fandriam-pahalemana, ny Arsevekan'i Toamasina, ny Kardinaly Tsarahazana Désiré... ♦ Hotanterahana ny 9 sy 10 jolay ny fihaonam-ben'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Manentana ny rehetra hivavaka ho an'ny zokiolona ny Papa François, mandritra ny volana jolay...
♦ Hotontosaina amin'ny 18 hatramin'ny 22 jolay 2022 ny Fihaonamben'ny Aumônerie Catholique des Prisons. Lohahevitra hobanjinina amin'izany ny hoe "ACP, akaiky an'ireo voafonja mandrakariva"... ♦ "Tsy maintsy homanina ny ho avy", hoy ny pretra nitarika ny Eokaristia Masina, nanatanterahana ny Fihaonamben'ny Ankizy, teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Olon-dehibe miisa 45 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana, nandritra ny fitsidihana pastôraly nataon'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana, tao amin'ny Paroasy Saint Eugène de Mazenod, omaly alahady...
♦ Notontosaina ny 29 sy 30 jona 2022 ny fihaonana voalohany ho an'ireo Ekipa nasiônaly, namondronana ireo valim-panontaniana rehetra manodidina ny Sinaodin'ny Eveka... ♦ Hotontosaina ny 9 sy 10 jolay 2022 ny fivoriana faharoa ho an'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, eny amin'ny FTMTK Ambohipo... ♦ "Aza manao hoe zaza aho, fa handeha any amin'izay hanirahako anao ianao" (Jer. 1, 7a). Io no teny manentana amin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Ankizy eny amin'ny FTMTK sy ny Seminera zandriny Ambohipo, nanomboka androany...
♦ Notanterahana ny sabotsy 18 jona 2022, ny fanatontosana ny horonan-tsary fanentanana momba ny JMJ Mada X, sy ny famoriana ny anjara biriky ho fizakana ny JMJ Mada X, ao Antsirabe... ♦ Nomarihana tao Mandritsara ny faha-70 taonan'ny Fikambanan-dry Masera Fo Masin'i Jesoa sy Fo Madion'i Maria... ♦ Hotanterahana ny 1 ka hatramin'ny 3 jolay 2022 ny Andron'ny Ankizy eto Antananarivo...
Ny 26 jona dia fety miavaka amin'ny Malagasy satria io no andro hanamarihana ny tsingerin-taona namerenana ny fahaleovan-tena. Ny lohahevitra : ” Ny fitiavako ny tanindrazako mamelona ny ambopom-pirenena”. Firariantsoa ho an'ny Malagasy 27 tapitrisa ny hoe : " ho fetim-pirenena hiainana ny "fahavanona" anie ity andro malaza ity ary ho fety sambatra ho antsika rehetra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Tamin’izany andro izany, nisy olona iray tao amin’ny vahoaka nanao tamin’i Jesoa hoe: "Ry Mpampianatra, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko". Fa hoy i Jesoa taminy: "Ralehilahy ô, iza moa no nanendry Ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo?" Ary hoy Izy tamin’ny olona: "Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana ianareo, fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany". Dia nanao fanoharana tamin’izy ireo Izy ka nanao hoe: "Nanan-tany nahavokatra be ity lehilahy mpanan-karena anankiray, ka velona eritreritra toy izao: ‘Inona re no hataoko, fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho ity?’ Dia hoy izy: ‘Izao lahy no ndeha hataoko, horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibe kokoa aho, dia hangoniko ao daholo rehefa mety ho vokatro sy fananako rehetra, ary holazaiko amin’ny fanahiko hoe: Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin’ny taona maro ianao ka mialà sasatra, mihinàna, misotroa, manaova fihinanambe’. Fa hoy kosa Andriamanitra taminy: ‘Ry adala, anio alina ihany dia halana aminao ny fanahinao, ka ho an’iza àry izay novorînao?’ Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an’ny tenany ihany, fa tsy mba mihary eo amin’Andriamanitra".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao: rahefa feno izy, dia nosarihana ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona fa ny ratsy kosa nariany. Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao: hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina, ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Efa azonareo va izany?" Eny, hoy izy ireo taminy.
Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe: "Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny." Nony tapitra izany fanoharana izany, dia niala teo i Jesoa.
Tamin’izany andro izany, dia nanatona an’i Jesoa ny renin’ny zanak’i Zebede mbamin’ny zanany lahy, ka nitsaoka Azy ary nangataka zavatra taminy. "Inona no irinao?" hoy i Jesoa taminy. Dia hoy izy: "Aoka ireto zanako roa lahy ireto mba hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, ao amin’ny fanjakanao." Dia hoy ny famalin’i Jesoa: "Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?" Hoy ireo taminy: "Efanay ihany." Ary hoy Izy taminy: "Raha ny amin’ny kapoakako dia hosotroinareo tokoa; fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako, dia tsy Ahy ny hanome anareo izany, fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy." Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra tamin’izy mirahalahy. Fa nasain’i Jesoa nanatona Azy izy ireo, ka nilazany hoe: "Fantatrareo fa ny mpanjakan’ny jentily mandidy azy mafy, ary ny lehibeny mifehy azy fatratra. Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo kosa no aoka ho mpanomponareo izy, ary izay te-ho lohany aminareo, no aoka ho mpanomponareo: dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro."
• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco