♦ Tokony atao mangarahara ny fampahafantarana momba ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakàna hoy ny fikambanana SONOSE MADA. Mangataka ny hanafainganana ny fizaràna ny fifanarahana arak'asa ho an'ireo mpampianatra nivoaka teny amin'ny ENS izy ireo... ♦ Mbola ambany raha mitaha amin'ny fenitra napetraka ny tahan'ny teti-bola atokana amin'ny fikarohana sy ny fandrosoana mihoatra amin'ny harin-kerena faobe raha ho an'i Afrika, isan'izany isika eto Madagasikara...   ♦ Hankalaza ny faha-15 taona nijoroany ara-panjakàna ny fikambanana Apinga. Fikambanana nanandratra sy nampiroborobo ny teny malagasy... ♦ Mihatsara ny fahasalaman'i Papa François, taorian'ny fandidiana azy...

♦ Nankalaza ny fetin'ny Sakramenta Masina ny Fiangonana omaly. Fantatra nandritra ny Sorona Masina teny amin'ny kianjan'i Masina Misely Amparibe fa ny 30 jolay izao no hametrahana an'i Mgr Jean de Dieu Raoelison amin'ny fiketrahana ny maha Arsevekan'Antananarivo vaovao azy handimby ny Arseveka Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona... ♦ Notsikerain'ireo antoko pôlitika miisa 5 tao anatin'ny fanambarana iombonana ho tsy manaja ny lalàna ny CENI amin'ny fanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Tsy marina izany fa ara-dalàna tsara ny asa natao hoy ny filohany Dama Arsène Andrianarisedo... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha 85 taonany i Jocelyn Rafidinarivo, mpanao gazety zokiolona...

♦ Miteraka resa-be ilay fanapahan-kevitry ny fitondràna tsy hanitsy ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana 2023. Fahadisoana lehibe na "faute grave" ny tsy hanaovana izany hoy ny antoko VHT... ♦ Vola 500 tapitrisa dôlara isan-taona no voahodikodina eo anivon'ny Jirama hoy ny solombavambahoaka Rolland Ratsiraka. Mangataka amin'y Bianco sy ny PAC izy, hanokatra fanadihadiana momba izany... ♦ Distrika 100 manerana ny nosy no kendrena hisitraka tetik'asa fiahiana ara-tsôsialy eo anivon'ny Ministeran'ny mponina amin'ity taona ity. Havaozina hanatsarana izany ny pôlitikam-pirenena momba ny fiahiana ara-tsôsialy...

♦ Maherin'ny 57.000 isa ireo tsy tomombana, maherin'ny 29.000 isa ireo anarana niverimberina ao anatin'ny lisi-pifidianana. Nampahafantatra izany ny Ceni omaly, taorian'ny fitsirihana natao tamin'io lisitra io... ♦ Nihaona tany Paris ny Filoham-pirenena Frantsay Emmanuel Macron sy ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Seha-pampandrosoana maro no voaresaky ny roa tonta tamin'izany... ♦ Antotan-kevitra mirefy 16 km no voatahiry eo anivon'ny Arsivam-pirenena malagasy nanomboka tamin'ny 1824. Nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Arsiva isika eto Madagasikara, nentina nampahafantarana izany....

♦ Hataon'ny Diôsezin'Antananarivo veloma sy ho tsofin-drano, mialoha ny hihazoany ny Diôsezin'i Morondava, izay nahavoatendry azy ho Eveka Mpanampy, i Mgr Rakotojaona Jean Nicolas, amin'ny talata ho avy izao... ♦ Nampahafantatra ny valin'ny fitsirihana ny lisitry ny mpifidy, teny amin'ny Foibe toerany teny Alarobia androany, ny CENI... ♦ Mipetraka eto amintsika ankehitriny, ny Antenimieran'ny varotra Israely-Madagasikara. Notokanana androany izany...

♦ Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny katesizy ho an’ny fianakaviana sy ny fanatsarana ny fomba fampitana hafatra ny tombana nataon’ny pretra mpanolotra fandaharana eto amin’ny Radio Don Bosco ny talata 6 jona 2023... ♦ Miato hatramin'ny 18 jona 2023 ny asan'ny Papa François, noho ny antony ara-pahasalamana... ♦ Manentana ny mpino hivavaka ho an’ny famongorona ny fampijaliana, ny Papa François amin’ity volana jona ity...

17 jona 2023 — Sabotsy, Ny Fo Madion'i Maria Virjiny — Sambatra tokoa ianao, ry Maria Virjiny fa nitahiry ny Tenin’Andriamanitra ianao sy nandinika azy tao am-po — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 41-51)

16 jona 2023 — Zoma, Ny Fo Masin'i Jesoa — Fankalazana manetriketrika — Taona A — Ento ny jiogako, hoy ny Tompo ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-30)

Vakiteny voalohany

Boky Deterônômy (Det. 7, 6-11)

Andriamanitra nifidy anareo noho ny fitiavany anareo.

Tamin’izany andro izany,
dia hoy i Môizy tamin’ny vahoaka:

“Vahoaka masina ho an’ny Tompo Andriamanitrao ianao.
Ianao no nofidin’ny Tompo Andriamanitrao mba ho vahoakany manokana,
eo amin’ny vahoaka hafa rehetra ambonin’ny tany.
Tsy noho ianareo mihoatra isa noho ny vahoaka rehetra anefa,
no niraiketan’ny Tompo taminareo sy nifidianany anareo;
vitsy noho ny vahoaka hafa rehetra aza ianareo;
fa noho ny fitiavany anareo,
sy noho ny fankatoavany ny fianianana nataony tamin’ny razanareo,
dia nentin’ny Tompo nivoaka, tamin’ny tanana mahery,
sy navotany tamin’ny fanandevozana ianareo,
dia tamin’ny tanan’i Faraona mpanjakan’i Ejipta.

Koa aoka ho fantatrao àry, fa ny Tompo Andriamanitrao no Andriamanitra,
dia Andriamanitra tsy mivadika,
fa maharitra amin’ny fanekena amam-pamindram-po,
hatramin’ny taranaka faharivo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny.
Fa mamaly an-kitsirano kosa an’izay mankahala Azy, amin’ny fandringanana azy;
tsy hitaredretra akory Izy ny amin’izay mankahala Azy,
fa hovaliany an-kitsirano izao.
Koa tandremo ny didy sy ny lalàna amam-pitsipika andidiako anao anio,
ka tanteraho izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 102, 1-2. 3-4. 6-7. 8 sy 10

Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko:
ny soa avy aminy aza misy hadinoina.

Izy ilay namela ny helokao rehetra,
sy manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny hady,
manototra fitiavana sy indrafo anao.

Ny Tompo mpanome rariny:
izay ampahoriana omeny hitsiny.
i Môizy nanehoany ireo fikasàny;
ny zanak’i Israely, ireo asany ambony.

Mpamidra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika,
na araka ny helotsika no avaliny antsika.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 4, 7-16)

Tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha.

Ry hava-malala,
aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra,
ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.
Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.
Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy,
tamin’ny nanirahany ny Zanany lahy tokana ho amin’izao tontolo izao,
mba hahavelona antsika amin’ny alalany.
Ary toy izao izany fitiavana izany:
tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha,
sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika.
Ry hava-malala,
raha toy izany no nitiavan’Andriamanitra antsika,
dia tokony mba hifankatia koa isika.

Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.
Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra,
ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy.
Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika,
ary Izy ao amintsika.
Ary efa nahita izahay,
ka manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.
Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra,
dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra.
Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.
Andriamanitra dia fitiavana;
koa izay mitoetra amin’ny fitiavana dia mitoetra ao amin’Andriamanitra,
ary Andriamanitra ao aminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ento ny jiogako, hoy ny Tompo ary mianara amiko,
fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-30)

Malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho.

Tamin’izany andro izany, dia hoy indray i Jesoa:

“Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nanafina ny hevitrao tamin’ny hendry sy be saina Ianao,
ary nanambara izany tamin’ny tso-po kosa.
Eny, misaotra Anao Aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray;
ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.
Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana,
fa hanamaivana anareo Aho.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho,
dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny didiko.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

15 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)

14 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafolo Madavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

13 jona 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...