Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 3, 1-11)

Maty ianareo, miaraka amin’i Kristy, koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo.

Ry kristianina havana,
raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo,
dia ny zavatra any ambony,
amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho;
ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany.
Fa maty ianareo,
ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo;
fa rahefa hiseho i Kristy izay fiainantsika,
vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa ianareo.

Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo,
dia ny an’ny etý an-tany, izany hoe:
ny fijangajangana,
ny fahalotoana,
ny fahavetavetana,
ny fanirian-dratsy,
ary ny filan-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy;
fa izany rehetra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra
amin’ny zanaky ny tsy finoana;
niara-nandeha tamin’ireny koa ianareo taloha
fony ianareo nanaraka izany fiainana izany.
Fa ankehitriny kosa,
ario koa izao zavatra izao:
dia fahatezerana,
fahavinirana,
fahasomparana,
fitenenan-dratsy,
teny mahamenatra aloaky ny vavanareo;
aza mifandainga ianareo,
fa efa narianareo ny olombelona taloha mbamin’ny asany,
ary efa notafianareo ny olom-baovao,
izay havaozina ho amin’ny fahalalana lavorary
araka ny endrik’ilay Nahary azy,
ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody,
voafora na tsy voafora,
baribarianina na Sita,
andevo na olona afaka,
fa izao ihany:
i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 144, 2-3. 10-11. 12-13ab

Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo.

Misaotra Anao, isan’andro aho
sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra,
tsy azo takarina ny halehibeny.

Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra,
misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.

Ho fantatry ny olombelona anie ny Asanao mahery,
sy ny voninahitra ary ny harevaky ny Fanjakanao!
Fanjakana mandrakizay tokoa ny Fanjakanao,
amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 20-26)

Sambatra ianareo mahantra. Loza ho anareo kosa ry mpanan-karena.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niatrana nijery an’ireo mpianany, ka nanao hoe:

“Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo.
Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo.
Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona,
horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy
ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo,
noho ny amin’ny Zanak’Olona.
Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa,
fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra;
fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.

Fa loza ho anareo kosa, ry mpanan-karena,
fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo.
Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa ho noana ianareo.
Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo:
Loza ho anareo raha hataon’ny olona tsara laza ianareo,
fa tahaka izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...