Ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco dia mampanao fifaninanana ho an'ny tanora maneran-tany, manan-talenta amin'ny fanatontosana horonan-tsarimihetsika. "Don Bosco Global Youth Film Festival" (DBGYFF) no anaran'ny fifaninanana, ary amin'ity taona ity dia mifototra amin'ny lohahevitra hoe "Onenan'ny fanantenana".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nidina tany Kafarnaôma tanànan’i Galilea, ka nampianatra ny olona tamin’ny sabata, ary gaga ny olona tamin’ny fampianarany, satria niteny toy ny manam-pahefana Izy. Tao amin’ny sinagôga dia nisy lehilahy azon’ny demony maloto, ka niantso mafy nanao hoe: "Aoka re, fa mifandraharaha inona aminao izahay, ry Jesoa avy any Nazareta ô? Tonga handringana anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra." Fa notenenin’i Jesoa mafy izy nataony hoe: "Mangina ary mialà amin’io lehilahy io." Dia nandavo azy tamin’ny tany teo afovoan’ny olona teo ny demony vao nivoaka niala taminy, nefa tsy nandratra azy akory. Talanjona izy rehetra, ka nifampilaza hoe: "Teny manao ahoana re izany? fa mandidy ny fanahy maloto amin-kery sy fahefana Izy, dia miala ireny." Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazany.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy, ary niditra tao amin’ny Sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny. Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: "Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorîna ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana." Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga. Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: "Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany." Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy ireo: "Tsy ny zanak’i Jôsefa va itý?" Ary hoy kosa i Jesoa taminy: "Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe: "Dokotera, sitrano aloha ny tenanao. Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa." Dia notohiziny hoe: "Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy. Ary lazaiko marina aminareo koa fa maro ny mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra, nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza, fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà any amin’ny tany Sidôna ihany; ary be koa ny boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa i Naamàna Sirianina ihany."

Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany, ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana; fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy, dia lasa.

Tamin’izany andro izany, dia niangona teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema, ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin’ny tanana tsy madio, izany hoe tsy voasasa. Fa ny Farisianina sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tanany, fa mitana ny fanaon-drazany izy; ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa. Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana, dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana. Ka dia nanontany Azy ny Farisianina mbamin’ny mpanora-dalàna nanao hoe: "Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana, fa mihinana amin’ny tanana tsy misasa?" Ary hoy ny navaliny azy ireo: "Marina tokoa ny naminanian’i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: ‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, fa manalavitra Ahy ny fony; koa foana ny ivavahan’ireo amiko satria didin’olombelona no ataony fampianarana’. Ny didin’Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo".

Ary niantso ny vahoaka nankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: "Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara. Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy, satria avy ao anaty, dia avy amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy: dia ny fakàm-badin’olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona, ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana; izany zava-dratsy rehetra izany no avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe: "Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy. Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray; samy araka ny fahaizany avy dia lasa nandeha izy. Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa. Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa; fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa, nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony.

Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin’ny volany. Dia nanatona ilay nandray talenta dimy, nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe: "Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho." Dia hoy ny tompony taminy: "Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely dia hataoko mpitantana ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao." Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe: "Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho." Dia hoy ny tompony taminy: "Tsara izany, ry mpanompo tsara, sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpitantana ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao." Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe: "Tompoko, fantatro fa olona lozabe ianao, fa mijinja amin’izay tsy namafazanao, ary manangona amin’izay tsy nanahafanao, ka natahotra aho, dia lasa naleviko tany anaty tany ny talentanao; koa indro averiko aminao ny anao." Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe: "Ry mpanompo ratsy sady kamo, fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho, ary manangona amin’izay tsy nanahafako; koa tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanàna ny volako, ary rahefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany. Alao àry ny talenta any amin’io ka omeo ilay manana talenta folo; fa izay manana no homena, ka hanam-be izy, fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza. Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin’ny maizina any: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe: "Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina. Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry; ny dimy adala nitondra fanala fa tsy nitondra solika; fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika. Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.

Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe: ‘Intý tamy ny mpampakatra, mandehàna mitsena azy ianareo.’ Tamin’izay, dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony. Ary hoy ny adala tamin’ny hendry: ‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny jironay.’ Hoy ny navalin’ny hendry azy: ‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo, fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.’ Ary raha mbola nandeha hividy izy, dia tonga ny mpampakatra ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, dia nohidiana ny varavarana. Nony afaka kelikely, dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe: ‘Tompoko, tompoko, vohay izahay.’ Fa hoy ny navaliny azy: ‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro akory ianareo.’ Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora."

♦ Pretra iray avy amin'ny fikambanana Montfortain, no nohamasinina ho pretra omaly, tao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Feno 35 taona tamin'ny taon-dasa ny niorenan'ny fikambanan-dry Masera ZAFIMA na Zanakavavin'ny Fiangonan'i Mahajanga. Nomarihina omaly izany, tao amn'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Tontosa omaly, ny Zaikaben'ny MDMK tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé...

♦ Hosokafana any Roma ny 09 ôktôbra 2021 izao ny Sinaodin'ny Eveka... ♦ Nomarihana tamin'ny 6 aogositra 2021 ny faha-20 taona naha eveka an'i Mgr Gaetani Di Pierro, evekan'i Farafangana... ♦ Noraisina tamin'ny fomba ôfisialy ny 6 aogositra teo i Sr Rafaraonisoa Blandine, Malagasy voalohany voatendry ho lehiben'ny Fikambanan'ny Masera Filles de Marie Axiliatrice, eto Madagasikara...

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Miambena àry, fa tsy fantatrareo izay tapak’andro hiavian’ny Tomponareo. Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamîna ny tranony. Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona. Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry izay notendren’ny tompony ho mpifehy ny ankiziny, mba hanome hanina azy amin’ny fotoany? Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany; lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitantana ny fananany rehetra izy. Fa raha ratsy fanahy kosa ilay mpanompo ka manao anakampo hoe: Mbola ho ela ny tompoko vao ho avy, ka mikapoka ny mpanompo namany izy sy miara-mihinana sy misotro amin’ny mpimamo, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hotapahiny roa izy ary haraikiny ho any amin’ny mpihatsaravelatsihy ny anjarany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao hoe: "Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo eto ivelany ka miseho ho tsara, fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra. Toy izany koa, ianareo eto ivelany miseho ho marina eo imason’ny olona, nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy faharatsiana. Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa manamboatra ny fasan’ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny tsangam-baton’ny olo-marina ka manao hoe: ‘Raha izahay no mba tamin’ny andron’ny razanay, dia tsy ho niray tetika taminy, handatsaka ny ran’ny mpaminany izahay.’ Koa amin’izany ny tenanareo ihany no mitsangan-ko vavolombelona fa zanak’izay namono ny mpaminany ianareo. Fenoy àry ny famaran’ny razanareo!"

Tamin’izany andro izany, nifanena tamin’i Natanaely i Filipo dia nanao taminy hoe: "Efa hitanay Ilay voalazan’i Môizy tao amin’ny Lalàna, sy nambaran’ny Mpaminany, dia i Jesoa zanak’i Jôsefa avy any Nazareta." Ka hoy i Natanaely taminy: "Moa mba mety hisy zava-tsoa va avy any Nazareta?" Dia hoy i Filipo taminy: "Avia, ary zahao." Nony nahita an’i Natanaely tamy nanatona Azy i Jesoa dia nilaza azy hoe: "Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka." Ka hoy i Natanaely taminy: "Ahoana no nahalalanao ahy?" Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, dia hitako tao ambanin’ny aviavy ianao." Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe: "Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely." Ary hoy i Jesoa taminy: "Mino ianao, satria nilazàko fa hitako tao ambanin’ny aviavy ianao; mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao." Dia hoy koa Izy: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin’ny Zanak’olona ianareo."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe: "Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo. Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, noho ianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety mba hahazo mpianatra na dia iray aza; ka nony mahazo ianareo, dia ataonareo zanaky ny gehen’afo mihoatra indroa noho ianareo. Loza ho anareo, ry mpitari-dalana jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin’ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny volamena izay ao amin’ny tempoly, dia voafehy izy. Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny volamena sa ny tempoly izay mahamasina ny volamena? Ary koa: Raha misy mianiana amin’ny ôtely, tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny, dia voafehy izy. Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra? Koa amin’izany izay mianiana amin’ny ôtely, dia mianiana aminy sy amin’izay rehetra eo amboniny; izay rehetra mianiana amin’ny tempoly, dia mianiana aminy sy amin’Ilay mitoetra ao anatiny; ary izay mianiana amin’ny lanitra, dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, sy amin’izay mipetraka eo amboniny."

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...