Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 5, 1-7)

Ny taranak’i Israely no tanimboaloboky ny Tompon’ny tafika.

Andeha hihira ho an’ny malalako aho,
ilay hiran’ny malalako,
ny amin’ny tanimboalobony.
Ny malalako dia nanan-tanimboaloboka,
teo amin’ny tanety mahavokatra.
Ka nasainy ny tany, noesoriny ny vato taminy;
ary namboly karazam-boaloboka teo izy.
Nanorina tilikambo teo afovoany izy,
ary nandavaka famiazam-boaloboka koa.
Nampoiziny hamoa voaloboka tsara izy,
kanjo divay marikivy no vokany.
Ary izao kosa,
ry mponina ao Jerosalema, sy olona any Jodà,
masìna ianareo,
tsarao aho sy ny tanimboaloboko!
Inona moa no mbola tokony ho natao tamin’ny tanimboaloboko,
ka tsy nataoko taminy?
Nahoana no voaloboka no nantenaiko ho voany,
kanjo tsy mamoa afa-tsy divay marikivy izy?
Koa ankehitriny haposako aminareo,
izay hataoko amin’ny tanimboaloboko:
hongotako ny fefiny, dia horaotina izy;
harodako ny tambohony, dia ho voahosihosy izy.
Hataoko tany foana izy;
ka tsy hohetezana na hasaina intsony;
fa hanirian’ny hery aman-tsilo;
ary handidy ny rahona aho,
tsy handatsaka orana aminy intsony.
Fa ny taranak’i Israely,
no tanimboaloboky ny Tompon’ny tafika,
ary ny olona any Jodà no voly nolalainy;
hitsiny no nantenainy taminy,
kanjo ra latsaka no niseho;
ny fahamarinana no nantenainy,
kanjo fitarainam-pahoriana no hita.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 79, 9 sy 12. 13-14. 15-16. 19-20

Ny taranak’i Israely no tanimboaloboky ny Tompo.

Nongotanao tany Ejipta ilay voaloboka,
noroahinao ireo firenena hambolena azy;
ny sampany tonga hatrany an-driaka,
ny sakeliny hatramin’ilay Ony.

Koa ahoana no dia nobangainao ny fefiny?
Indreo ny mpandalo tonga mioty,
ny lamboala mitrongy,
ny bibidia miraotra.

Ry Andriamanitry ny tafika ô,
miverena, mitsinjova avy any an-danitra,
jereo ilay foto-boaloboka
karakarao ilay nambolen’ny tananao.

Izahay tsy handao Anao intsony,
velomy izahay hiantso ny Anaranao.
Ry Tompon’ny tafika, ampodio izahay:
ny Tavanao aseho, dia ho voavonjy izahay!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 4, 6-9)

Ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.

Ry kristianina havana,
aza manahy na inona na inona,
fa ambarao an’Andriamanitra,
amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana,
izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona.
Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie
ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Farany, ry kristianina havana,
na inona na inona marina,
na inona na inona manan-kaja,
na inona na inona rariny,
na inona na inona madio,
na inona na inona mahatehotia,
na inona tsara laza,
rehefa mety ho hatsaram-panahy,
sy rehefa mety ho misy dera koa,
dia aoka hoheverinareo izany.
Araho avokoa izay efa nianaranareo,
sy noraisinareo ary renareo sy hitanareo tamiko,
dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 33-43)

Hahofany amin’ny mpiasa hafa ny tanimboalobony.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ireo lohandohan’ny mpisorona
sy ny loholona nanao hoe:

“Mihainoa fanoharana hafa koa:
Nisy lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka;
namefy azy manodidina izy,
sy nandavaka tany hanaovana famiazana teo,
ary nanao tilikambo;
dia nahofany tamin’ny mpiasa izany,
ka lasa nandeha lavitra izy.

Nony tonga ny taom-pahavokarana,
dia nirahiny ho any amin’ireo mpiasa ny ankizilahiny,
handray ny vokatry ny tanimboalobony;
fa nosamborin’ireo mpiasa ny ankizy lahiny,
ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny,
ary ny anankiray notorahany vato.
Dia naniraka ankizilahy maromaro kokoa noho ny taloha indray izy,
fa nataony toraka izany ihany koa.
Nony farany dia ny zanany lahy no nirahiny ho any aminy,
fa hoy izy:

‘Hanaja ny zanako izy ireo’.

Kanjo nony hitan’ireo mpiasa ilay zanany lahy
dia nifampilaza izy ireo hoe:

‘Inty ny mpandova; andeha hovonointsika ity,
dia ho lasantsika ny lovany’.

Dia nosamboriny izy
ka nentiny tany ivelan’ny tanimboaloboka
ary novonoiny.

Koa rehefa tonga ilay tompon’ny tanimboaloboka,
hataony ahoana moa izany mpiasa izany?”

Dia hoy ireo taminy:

“Haringany tsy hananany antra akory
izany mpiasa ratsy fanahy izany,
ary ny tanimboalobony dia hahofany amin’ny mpiasa hafa,
izay hanome ny vokatry ny tany amin’ny fotoany”.

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Tsy mba novakìnareo va ny Soratra Masina hoe:

‘Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro;
avy tamin’ny Tompo izany,
ka mahagaga eo imasontsika?’

Noho izany, dia lazaiko aminareo,
fa hoesorina aminareo ny Fanjakan’Andriamanitra,
ka hafindra amin’ny firenena hampahavokatra azy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...