Vakiteny voalohany
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 9-14)
Nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina Andriamanitra, ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany.
Ry kristianina havana,
hatramin’ny andro nandrenesanay ny fitiavanareo,
dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay;
ary izao no angatahinay:
mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra,
amin’ny fahendrena amam-pahazavàn-tsaina rehetra ara-panahy ianareo,
ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra;
mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo,
sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra,
mba hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny fahefany be voninahitra ianareo,
ka handefitra ny zavatra rehetra amim-paharetana sy an-kafaliana;
ary misaotra ny Ray,
izay nahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olomasina any amin’ny mazava,
tamin’Izy nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina,
ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany,
dia Izy kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 97, 2-3a. 3de-4. 5-6
Ny Tompo nanambara ny famonjeny.
Hitan’ny firenena rehetra
ny famonjeny amam-pahamarinany.
Mba tsarovy, ry Israely,
ilay Fitiavany tsy mivadika.
He zahao e, ry vazan-tany,
izato vonjin’Andriamanitra.
O ry tany, derao ny Tompo,
ka mientàna amin-karavoana!
Ndao, antsao am-baliha ny Tompo;
anaovy antsa sy fihobiana.
Feon’antsiva sy anjomara
enti-midera ny fiandrianany!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)
Nandao ny zavatra rehetra izy ireo ka nanaraka Azy.
Tamin’izany andro izany,
raha teo amoron’ny farihin’i Genezareta i Jesoa,
dia nifanesika nankeo aminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra.
Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano Izy
(fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato),
dia niditra tamin’ny sambo kely anankiray izay an’i Simôna
ka nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany,
vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka.
Rahefa nitsahatra niteny Izy,
dia nanao tamin’i Simôna hoe:
“Mandrosoa eny amin’ny lalina,
dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.”
Fa hoy ny navalin’i Simôna Azy:
“Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay,
fa tsy nahazo na inona na inona;
nefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato.”
Nony nanao izany izy,
dia nahazo hazandrano be dia be ka nisy rovitra ny haratony.
Ary nanàtsika ny namany izay teny amin’ny sambo kely hafa izy ireo
mba ho avy hanampy azy:
dia tonga ireo,
nofenoiny ny sambo kely roa ka efa saika nilentika ny sambo.
Nony nahita izany i Simôna Piera
dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe:
“Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho.”
Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy,
noho ny habetsahan’ny hazandrano azony;
ary toy izany koa i Jakôba sy i Joany, zanak’i Zebede
izay iray raharaha tamin’i Simôna.
Dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna:
“Aza matahotra,
fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao.”
Dia nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo
ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.