Boky Jenezy (Jen. 4, 1-15. 25)
Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny, ka nanana anaka izy,
dia niteraka an’i Kaina, sy nanao hoe:
“Efa nampisy olona anankiray aho
tamin’ny fanampian’ny Tompo.”
Dia niteraka an’i Abela rahalahiny koa izy.
I Abela dia mpiandry ondry ary i Kaina dia mpiasa tany.
Nony afaka elaela dia nanatitra vokatry ny tany i Kaina
ho fanatitra ho an’ny Tompo.
Ary i Abela koa mba nanatitra ny voalohan-terak’ondriny,
mbamin’ny taviny.
Ary ny Tompo nitsinjo an’i Abela sy ny fanatiny,
fa tsy nijery an’i Kaina sy ny fanatiny.
Dia tezitra mafy tamin’izany i Kaina, ary kivy endrika izy.
Ary hoy ny Tompo tamin’i Kaina:
“Nahoana no tezitra ianao,
ary nahoana no kivy endrika?
Raha tsara ny ataonao,
tsy hankasitrahana va ianao?
Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao,
moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota?
Mankaminao ny faniriany,
fa tsy maintsy maharesy azy kosa ianao.”
Hoy i Kaina tamin’i Abela rahalahiny:
“Andeha isika ho any an-tsaha.”
Ary nony mby tany an-tsaha izy ireo,
namely an’i Abela rahalahiny i Kaina ka nahafaty azy.
Dia hoy ny Tompo tamin’i Kaina:
“Aiza i Abela rahalahinao?”
Fa hoy ny navaliny:
“Tsy fantatro.
Moa mpiambina ny rahalahiko va aho?”
Hoy ny Tompo:
“Inona no nataonao?
fa mitaraina hatraty amiko
ny feon’ny ran-drahalahinao avy amin’ny tany.
Amin’izao dia voaozon’ny tany ianao,
fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao
nalatsaky ny tanananao.
Rahefa hiasa ny tany ianao
dia tsy hanome vokatra intsony izy,
ary ianao ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ny tany.”
Dia hoy i Kaina tamin’ny Tompo:
“Lehibe loatra ny saziko ka tsy zakako efaina.
Indro roahinao hiala amin’ity tany ity aho ankehitriny
ary ho takona ny tavanao aho, lavitra Anao;
ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin’ny tany aho,
ary na iza na iza hahita ahy hamono ahy.”
Hoy ny Tompo taminy:
“Izao àry: Raha misy hamono an’i Kaina
dia valiana faty impito heny i Kaina.”
Ary nasian’ny Tompo famantarana tamin’i Kaina
mba tsy hisy hamono azy izay mifanena aminy.
Ary i Adama nahalala ny vadiny indray ka niteraka lahy iray izy,
nataony hoe Seta, fa hoy izy:
“Nomen’Andriamanitra ny fara aho
ho solon’i Abela izay novonoin’i Kaina.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 49, 1 sy 8. 16bd-17. 20-21)
Ny Tompo Andriamanitra lehibe manaika ny tany tontolo
dia izay iposahan’ny andro ka hatrany amin’izay ilentehany:
“Tsy ny fanatitrao no anadidiako anao,
na ny sorona doranao izay anoloako lalandava!”
Ahoana ianao no mitanisa ny didiko
sy manao ny fanekeko eo am-bava;
ianao mpankahala anatra,
sy mpanipy ny teniko any ivoho.
Mivalaketraka ianao maneba-drahalahy, sy manoso-potaka ny zana-dreninao!
Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho!
Sa Izaho heverinao ho toa anao?
Aoka horeseko lahatra ianao sy hamborahako azy eto imasonao!
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 11-13)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny Farisianina,
ka niady hevitra taminy
sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy,
mba hakany fanahy Azy.
Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe:
“Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana?
Lazaiko aminareo marina tokoa
fa tsy homena famantarana ity taranaka ity.”
Dia nilaozany izy ireo
ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny ampita.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Siràka (Sir. 15, 15-20)
Raha sitra-ponao dia hitandrina ny didy ianao;
miankina amin’ny sitraky ny fonao, ny tsy mivadika.
Nataony eo anoloanao ny afo sy ny rano,
azonao atsotra amin’izay tianao ny tananao.
Eo anoloan’ny olombelona ny fiainana sy ny fahafatesana,
ka izay fidìny dia homena azy.
Fa lehibe ny fahendren’ny Tompo;
sady mahery Izy no mahefa, ary mahita ny zavatra rehetra.
Ny masony dia eo amin’izay matahotra Azy,
ary fantany avokoa ny asan’ny olombelona.
Tsy misy olona nodidiany ho mpankahala fivavahana,
tsy misy olona nomeny lalana hanota.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 118, 1. 2. 4-5. 17-18. 33-34)
Sambatra izay madio famindra,
fa mizotra amin’ny Lalàn’ny Tompo!
Sambatra izay mitandrina ny Fanambaràny,
sy mitady azy amin’ny fony tontolo!
Ianao ihany no namoaka ny Lahatrao
mba hotandremana fatratra.
Enga anie ho marin-toetra ny lalako
amin’ny fitandremana ny Fitsipikao!
Asio soa ity izaho mpanomponao:
ka ho velona sy hitandrina ny Teninao!
Alao tampina ny masoko hibanjina
ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao!
Tompo ô, toroy ny lalan’ny Fitsipikao aho,
mba hitandremako azy hatramin’ny farany.
Omeo fahalalana aho hitandremako ny Lalànao,
sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo!
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 2, 6-10)
Ry kristianina havana,
mitory fahendrena amin’izay efa lavorary ihany izahay;
nefa tsy mba ny fahendren’izao tontolo izao izany,
na an’ny mpanjakan’izao tontolo izao, izay olona efa ho levona;
fa fahendren’Andriamanitra no torìnay,
dia fahendrena lalina tsy hita polopolorina,
izay voatendrin’Andriamanitra talohan’izao tontolo izao
hampahazo voninahitra antsika;
ary tsy nisy nahatakatra izany ny mpanjakan’izao tontolo izao
(satria raha nahalala izy,
dia tsy ho namantsika ny Tompon’ny voninahitra tamin’ny Hazofijaliana);
fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe:
Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina,
na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively
no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.
Tamintsika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahiny;
satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy,
na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao.
Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-37)
Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany;
tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa,
fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany,
dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia iray
na tendrin-tsoratra iray akory aza,
mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Koa amin’izany,
izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo,
ka hampianatra ny olona toy izany,
dia ho kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra;
fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa
dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra.Lazaiko aminareo,
fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna
sy ny Farisianina ny fahamarinanareo,
dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra akory ianareo.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.
Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny Fitsarana.Ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrìna;
ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo.
Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao,
ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny namanao,
dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao,
ka mandehana mihavana amin’ny namanao
vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao,
dieny samy mbola eo an-dalana ianareo,
fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao,
ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra,
ka hatao an-tranomaizina ianao.
Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao,
ambara-pandoanao ny variraiventy farany.Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:
Aza mijangajanga.
Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy,
dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao,
dia esory izy ka ario lavitra anao,
fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very,
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao,
dia tapaho ka ario lavitra anao,
fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very,
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary koa efa voalaza hoe:Na iza na iza hisaotra ny vadiny,
dia aoka hanome azy ny taratasy fisaorana.Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany,
dia mampijangajanga azy;
ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga.Ary efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:
Aza mianiana tsy to, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory,
na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy;
na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy;
na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny Mpanjaka lehibe izy;
na amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty
na dia singam-bolo iray akory aza ianao.
Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia;
fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao.
Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-22a. 27-28. 33-34a. 37)
Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Lazaiko aminareo,
fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna
sy ny Farisianina ny fahamarinanareo,
dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra akory ianareo.Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:
Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.
Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny Fitsarana.Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:
Aza mijangajanga.
Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy,
dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.Ary efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:
Aza mianiana tsy to, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory,
Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia;
fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny firaisan-kina manova zavatra maro eo amin'ny fiainana. Ny sehatra rehetra misy fifandraisana, fifaneraserana dia ilàna firaisan-kina satria izany no fototry ny fandrosoan'ny tsirairay. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Nanomboka tamin'ny volana janoary teo ny fisoratana anarana ho an'ireo ankizy rehetra izay hiatrika ny Fihaonamben'ny Ankizy, andiany faha-3, hotanterahana eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny 27 hatramin'ny 30 jolay 2023... ♦ Ny 18 sy 19 febroary 2023 no hotanterahana, ny fihaonamben'ny Filankevitra amin'ny Fitondrana ny Vahoak'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nifarana tamin'ny fivahinianana iraisam-pinoana tao amin'ny Mausolée John-Garang, Soudan Atsimo, ny Fitsidihana Apôstôlika faha-40, nataon'ny Papa François...
♦ Nankahery ny fianakaviam-be saleziana amin'ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fanabeazana ny tanora, ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, tamin'ny fankalazana ny fetin'i Masindahy Joany Bosco, ny talata 31 janoary 2023... ♦ Feno 25 taona katroka tamin'ny 31 janoary 2023 ny Radio Tsiry ao Fianarantsoa... ♦ Nanomboka ny 31 janoary 2023 ny fitsidihana apôstôlika faha-40 ataon'ny Papa François...
Ny faharerahan-tsaina dia miteraka famoizam-po. Ny famoizam-po mitondra ho any amin'ny famonoantena. Mba hisorohana zavatra maro dia ilàna fitandremana ny "faharerahan-tsaina". Fandaharana "Mba ho vanona" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Efa nivoaka ankehitriny ny vavaka ho an'ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany faha-3, izay hotanterahana eto Antananarivo ny 27 hatramin'ny 30 jolay 2023... ♦ Notontosaina omaly ny Eokaristia Masina ho fisaorana an'i Mgr Gustavo Bombin Espino, izay nitantana ny Diôsezin'i Mahajanga tao anatin'ny efa-taona... ♦ Notanterahana omaly ny Eokaristia Masina ho fisaorana an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, izay notendren'ny Papa François, ho mpiandry ondrin'ny Diôsezin'i Mahajanga...
Boky Jenezy (Jen. 3, 9-24)
Ny Tompo Andriamanitra niantso an’i Adama nilaza taminy hoe:
“Aiza moa ianao?”
Hoy ny navaliny:
“Nandre ny feonao tao anaty saha aho,
ka natahotra, fa mitanjaka,
ka dia niery aho.”
Ary hoy ny Tompo Andriamanitra:
“Iza no nahafantaranao fa mitanjaka ianao?
Moa nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao va ianao?”
Hoy ny navalin-dralehilahy:
“Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko
no nanome ahy tamin’ilay hazo, dia nihinana aho.”
Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin-dravehivavy:
“Ahoana no nanaovanao izany?”
Hoy ny navalin-dravehivavy:
“Ny bibilava no namitaka ahy,
ka dia nihinana aho.”
Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin’ny bibilava:
“Noho ianao nanao izany,
dia voaozona ianao amin’ny biby fiompy rehetra
sy ny biby rehetra eny an-tsaha:
hikisaka amin’ny kibonao ianao ary vovotany no hohaninao
amin’ny andro rehetra hiainanao.
Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy,
ny taranakao sy ny taranany:
izy hanorotoro ny lohanao,
ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.”
Ary hoy Izy tamin-dravehivavy:
“Hampitomboiko ny fijalianao, indrindra raha bevohoka ianao;
fijaliana no hiterahanao zanaka;
hankamin’ny vadinao ny fanirianao ary izy hizaka anao.”
Dia hoy Izy tamin-dralehilahy:
“Noho ianao nihaino ny tenin’ny vadinao
ka nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao,
dia voaozona ny tany noho ny nataonao.
Asa mahasasatra no hahazoanao hanina aminy
mandritra ny andro rehetra hiainanao.
Tsilo sy hery no vokatra homeny anao;
ary anana eny an-tsaha no hohaninao.
Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina
mandra-piverinao amin’ny tany;
satria tany no nangalana anao,
fa vovoka ianao, ary hody vovoka indray.”
Ary i Eva no nataon’i Adama anaran’ny vadiny,
satria izy no renin’ny olombelona rehetra.
Nanaovan’ny Tompo Andriamanitra akanjo hoditra
i Adama sy ny vadiny dia natafiny azy.
Ary hoy ny Tompo Andriamanitra:
“Indro efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ny olombelona
raha ny amin’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
Fa amin’izao kosa aoka tsy haninjitra ny tanany izy
haka amin’ny hazon’aina koa, sy hihinana izany,
ka ho velona mandrakizay.”
Dia navoakan’ny Tompo Andriamanitra
hiala tao amin’ny sahan’i Edena izy,
mba hiasa ny tany izay nangalana azy.
Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima
sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan’ny sahan’i Edena,
mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 89, 2. 3-4. 5-6. 12-13)
Mbola haizina ny tany, irony vohitra tsy àry,
ny tontolo zavozavo mbola tsy naterakao:
efa teo Ianao, ry Tompo, hany tokana mahefa,
Ilay tsy nanam-piandohana ka ho velona mandrakizay.
Nampodinao ho vovoka ny arin-tananao:
“Miverena hoy Ianao, ry taranaka voafetra.”
Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona,
tsidik’andro kely fohy, pitik’alina mimaona.
Moa tsy nofy indaosinao ka misinda vao maraina,
toy ny ahitra eny an-tsaha izay mandrobona mitsiry,
manipelana maraina vaky vony sy mijoro,
fa milofika malazo, very aina ny hariva.
Ampianaro anay, ry Tompo, ny manisa ny andronay;
atodiho fo fanahy mba hikatsa-pahendrena.
Miverena re, ry Tompo, aza ela fa tongava:
mangoraha ka tsinjovy mba ho soa ny olonao.
Aleloia. Aleloia.
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 1-10)
Tamin’izany andro izany:
nony betsaka ny vahoaka sady tsy nanan-ko hanina
dia niantso ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Mampalahelo ahy ity vahoaka,
fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-ko hanina;
ary raha ampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana
dia ho reraka eny an-dalana, fa avy lavitra ny sasany.”
Dia hoy ny mpianany namaly Azy:
“Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo atý an’efitra?”
Ary Izy nanontany azy hoe:
“Manana mofo firy ianareo?”
“Fito”, hoy izy ireo.
Dia nasainy hipetraka tamin’ny tany ny vahoaka
ary noraisiny ny mofo fito,
ka nony vita ny fisaorana dia novakìny,
sy nomeny hozarain’ny mpianany,
ary nozarainy tamin’ny vahoaka.
Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa Izy,
ka notsofiny rano dia nasainy hozaraina.
Ary nihinana ny olona ka voky,
ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny dia nisy fito sobika.
Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana; dia nampodiny.
Dia niondrana an-tsambokely niaraka tamin’izay Izy sy ny mpianany,
ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanotà.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 3, 1-8)
Ny bibilava no fetsy indrindra amin’ny biby rehetra eny an-tsaha
izay nataon’ny Tompo Andriamanitra.
Hoy izy tamin-dravehivavy:
“Hay va re Andriamanitra nanao hoe:
Aza mihinana amin’ny hazo rehetra amin’ny saha ianareo.”
Hoy ny navalin-dravehivavy ny bibilava:
“Mihinana amin’ny voan’ny hazo amin’ny saha izahay;
fa ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha
no nanaovan’Andriamanitra taminay hoe:“Aza mihinana amin’izany ary aza mikasika izany akory,
fandrao maty ianareo.”
Dia hoy ny bibilava tamin-dravehivavy:
“Tsia, tsy ho faty akory ianareo:
fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinanareo amin’izany,
dia hisokatra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo,
mahalala ny tsara sy ny ratsy.”
Ary hitan-dravehivavy fa ny voan’ilay hazo dia fihinana
mahate-hijery sy mendrika hoirìna mba hahazoana fahiratan-tsaina;
nioty tamin’ny voany izy,
dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy,
ary nihinana izy.
Nisokatra ny mason’izy mivady,
ary fantany fa nitanjaka izy;
ka nanjaitra ravin’aviavy izy ireo nataony sikina.
Tamin’izay dia ren’izy ireo ny feon’ny Tompo Andriamanitra
nandalo tao amin’ny saha rahefa nangatsiatsiaka ny andro;
ka niery ny Tompo Andriamanitra
tao anaty hazon’ny saha ralehilahy sy ny vadiny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 31, 1-2. 5. 6. 7)
Sambatra izay afa-keloka
sy voavela ota!
Eny, sambatra ny olona tsy itanan’ny Tompo hadisoana,
sy tsy misy fitaka eo am-bava!
Koa nitsorako taminao ny otako;
tsy nafeniko Anao ny hadisoako:
“Miaiky heloka aho Tompo!” hoy aho:
dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota!
Koa amin’ny andro fahoriana,
ny mpivavaka rehetra hidera Anao;
raha ho tondraka ny ranobe,
izy tsy mba ho trany.
Ianao no fiereko
miaro amin’ny loza;
izaho hodidininao
hiram-pahafahana!
Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira, ary namaky ny faritanin’i Sidôna
ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapaoly.
Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana
nentin’izy ireo teo aminy sy nangatahany mba hametrahany tanana.
Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy,
ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany.
Rahefa izany dia niandrandra ny lanitra Izy,
sady nisento ary nanao taminy hoe:
“Efeta, izany hoe, misokafa.”
Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny
ary voavaha ny fatoran’ny lelany, ka niteny tsara izy,
ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza;
fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza;
sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe:
“Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony,
fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 2, 18-25)
Hoy ny Tompo Andriamanitra:
“Tsy tsara raha irery ny lehilahy;
fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy.”
Ary ny Tompo Andriamanitra,
Izay efa namorona tamin’ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha
sy ny vorona rehetra eny amin’ny habakabaka
dia nampiavy azy hankeo amin-dralehilahy
mba hahitany izay hanononany azy avy;
hitondran’ny zava-manana aina rehetra
ny anarana homen-dralehilahy azy avy.
Dia nomen-dralehilahy anarana avokoa ny biby fiompy rehetra,
mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka
sy ny biby eny an-tsaha,
nefa tsy hitany izay ho mpanampy an-dralehilahy mitovy aminy.
Ka nataon’ny Tompo Andriamanitra renoky ny torimaso ralehilahy, dia natory;
ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray
fa nofo no nakombony ho solony.
Ny taolan-tehezana nalain’ny Tompo Andriamanitra tamin-dralehilahy
dia namoronany vehivavy iray, ka nentiny teo amin-dralehilahy.
Ary hoy ralehilahy:
“Amin’izao ity no taolana avy amin’ny taolako,
sy nofo avy amin’ny nofoko.”
Hantsoina hoe vehivavy izy, satria nalaina avy tamin’ny lehilahy.
Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy
ka hikambana amin’ny vadiny;
ary ho nofo iray ihany izy ireo.
Samy nitanjaka izy roa, dia ralehilahy sy ny vadiny,
nefa tsy nahamenatra azy izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 127, 1-2. 3. 4-5)
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra amin’ny lalany!
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao:
ka sambatra sy tretrika.
Ny vadinao
foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao!
Ny zanakao:
solofon’ôliva manodidina ny latabatrao.
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy
matahotra ny Tompo!
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
amin’ny andro rehetra hiainanao.
Aleloia. Aleloia.
Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 24-30)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa,
dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy Sidôna,
ary niditra tao an-trano anankiray,
fa tsy te-ho fantatr’olona, nefa tsy nahazo niery.
Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray
nanan-janakavavy azon’ny fanahy maloto nandre izany,
ka tonga niankohoka tamin’ny tongony.
Jentily avy amin’ny firenena Sirôfenisa ravehivavy,
ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin’ny zanany vavy.
Fa hoy Izy taminy:
“Aoka ho voky aloha ny zanaka;
fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza
ka atsipy ny amboa.”
Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe:
“Marina izany, Tompoko,
kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza
ao ambany latabatra ihany.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Mandehana, fa noho izany teny izany,
dia efa niala tamin’ny zanakao vavy ny demony.”
Nony tonga tany an-tranony izy,
dia nahita ny zanany vavy nandry teo am-parafara
fa efa nialan’ny demony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 2, 4b-9. 15-17)
Tamin’ny andro nanaovan’ny Tompo Andriamanitra ny tany sy ny lanitra,
teo ambonin’ny tany tsy mbola nisy hazo madinika eny an-tsaha,
ary ny anana eny an-tsaha tsy mbola nisy nitsimoka,
satria ny Tompo Andriamanitra tsy mbola nandatsaka ranonorana amin’ny tany;
ary ny olona hamboly ny tany koa tsy mbola nisy.
Nefa nisy etona niakatra avy amin’ny tany, sy nanondraka ny tany rehetra.
Vovotany no nanaovan’ny Tompo Andriamanitra ny olombelona,
dia nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony,
ka tonga zava-manana aina ny olona.
Ary ny Tompo Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana,
ka napetrany tao ny olona izay noforoniny.
Ary nampanirìn’ny Tompo Andriamanitra tamin’ny tany izao hazo rehetra
mahatehijery sady fihinana isan-karazany izao
sy ny hazon’aina tao afovoan’ny saha,
ary ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
Dia nalain’ny Tompo Andriamanitra ralehilahy,
ka napetrany tao amin’ny saha Edena,
mba hiasa sy hiandry azy.
Ary ny Tompo Andriamanitra nanome izao didy izao an-dralehilahy:
“Azonao ihinanana avokoa ny hazo rehetra eto amin’ny saha.
Nefa aza ihinananao ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy,
fa ho faty mihitsy ianao amin’ny andro hihinananao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 103, 1-2a. 27-28. 29bd-30)
Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Lehibe aoka izany Ianao, ry Tompo Andriamanitro,
izay mitafy fahamendrehana sy fiandrianana,
mifono hazavana ho toa akanjo.
Izy rehetra miandry Anao hamahana azy amin’ny fotoana.
Ianao manome: izy ireo mandray;
sokafanao ny tanana:
manarana amin-java-tsoa izy.
Afeninao ny tava: mipenimpenina izy,
alanao ny fofon’ainy: mody mandry izy!
Alefanao ny fofon’ainao: dia ary izy,
ka mihavao ny endriky ny tany.
Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 14-23)
Tamin’izany andro izany,
niantso ny vahoaka nankeo aminy indray i Jesoa
ka nanao taminy hoe:
“Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.
Tsy ny zavatra avy any ivelany
miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy,
fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy.
Raha misy manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.”
Nony niala teo amin’ny vahoaka Izy
ka tonga tany an-trano,
dia nanontanian’ny mpianany ny amin’ilay fanoharana,
ary hoy Izy taminy:
“Hay! ianareo koa mba kely fahalalàna toy izany!
Tsy fantatrareo va fa izay avy eo ivelany dia tsy mahaloto azy,
satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany,
ka ariana any an-katakonana?
Izany no mahadio ny hanina rehetra.
Fa izay mivoaka avy amin’ny olona, hoy izy,
no mahaloto ny olona; satria avy ao anaty,
dia avy amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy
dia ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana,
ny famonoana olona, ny halatra,
ny fahihirana, ny hasomparana,
ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana,
ny fialonana, ny vava ratsy,
ny fiavonavonana, ny fahadalana;
izany zavatra rehetra izany
no avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 1, 20 — 2, 4a)
Hoy Andriamanitra:
“Aoka ny rano ho be zava-manan’aina mihelotrelotra;
ary aoka ny vorona hanidina ambonin’ny tany,
eny amin’ny habakabaky ny lanitra.”
Dia noarìn’Andriamanitra ny biby vaventy anaty rano,
sy ny zava-manana aina mihetsiketsika rehetra
mihelotrelotra anatin’ny rano, samy araka ny karazany avy,
mbamin’ny voro-manidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy.
Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Dia nitso-drano an’ireo Andriamanitra nanao hoe:
“Miteraha maro sy mitomboa ary mamenoa ny ranomasina;
ary aoka ny vorona hihamaro eo ambonin’ny tany.”
Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahadimy.
Hoy Andriamanitra:
“Aoka ny tany hamoaka zava-manana aina, araka ny karazany avy,
dia ny biby fiompy, ny biby mikisaka
sy ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy.”
Dia tanteraka izany.
Nataon’Andriamanitra ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy,
sy ny biby fiompy araka ny karazany avy,
mbamin’izay rehetra mikisaka amin’ny tany, araka ny karazany avy.
Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Rahefa izany dia hoy Andriamanitra:
“Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, mifanahaka amintsika,
ka aoka hanjakany avokoa ny hazandrano ao amin’ny ranomasina,
ny voromanidina eny amin’ny habakabaka,
ny biby fiompy sy ny tany rehetra,
ary ny biby mandady mikisaka amin’ny tany.”
Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy;
mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy,
ary nataony lahy sy vavy izy ireo.
Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nanao taminy hoe:
“miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy;
ary anjakao ny hazandrano ao amin’ny ranomasina,
ny voro-manidina mbamin’ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.”
Ary hoy Andriamanitra:
“Indro omeko anareo ny anana mamoa rehetra eo ambonin’ny tany,
mbamin’ny hazo rehetra misy voankazo manana ny voany ao aminy;
izany no atao fihinanareo.
Fa ho an’ny bibin’ny tany mbamin’ny voro-manidina
sy izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany,
ka manam-pofon’aina ao aminy,
dia ny zava-maitso rehetra no omeko ho fihinany.”
Dia tanteraka izany.
Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony,
ka tsara indrindra izany.
Ary nisy hariva ary nisy maraina: izay no andro fahenina.
Toy izany no nahavitan’ny lanitra sy ny tany
mbamin’izay rehetra momba azy.
Ary tamin’ny andro fahafito
dia efa vitan’Andriamanitra ny asa rehetra nataony.
Ary Andriamanitra nitso-drano ny andro fahafito sy nanamasina azy,
satria tamin’izany andro izany no nitsaharany
tamin’ny zavatra rehetra noarìny tamin’ny nanaovany azy.
Izay no tantaran’ny lanitra sy ny tany, rahefa voaary izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 8, 4-5. 6-7. 8-9)
Raha nahita ny lanitra nataon’ny tananao aho,
ny volana, ny kintana izay namboarinao.
Fa inona ny olona no mba tsiahivinao,
ny zanak’olombelona he tsimbininao!
Fa lasa ambany kely noho ireo andriamanitra izy,
ka heni-boninahitra izy nasondrotrao.
Ny asan-tananao foinao hozakainy,
ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany!
Dia omby aman’ondry omban’ny bibidia,
ny biby izay mandady sy mandia izany tany;
ny vorona eny an-danitra sy trondron-dranomasina
izay miriaria sy mifaly eny ambonin’ny onja.
Aleloia. Aleloia.
Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-13)
Tamin’izany andro izany,
niangona teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema,
ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin’ny tanana tsy madio, izany hoe tsy voasasa.
— Fa ny Farisianina sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana
raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tanany,
fa mitana ny fanaon-drazana izy;
ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa.
Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana
dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana.
— Ka dia nanontany Azy ny Farisianina mbamin’ny mpanora-dalàna nanao hoe:
“Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana,
fa mihinana amin’ny tanana tsy misasa?”
Ary hoy ny navaliny azy ireo:
“Marina tokoa ny naminanian’i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy
araka ny voasoratra hoe:ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony,
fa manalavitra Ahy ny fony;
koa foana ny ivavahan’ireo amiko
satria didin’olombelona no ataony fampianarana.
Ny didin’Andriamanitra afoinareo,
fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo toy ny manasa tavoara sy kapoaka,
ary manaraka fomba maro toy izany koa ianareo.”
Dia hoy Izy taminy:
“Marina fa nofoananareo tokoa ny didin’Andriamanitra
mba hitandremanareo ny fomban-drazanareo.
Fa hoy i Môizy:Manajà ny rainao sy ny reninao; ary koa:
Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hohelohina ho faty.Fa hoy kosa ianareo:
Raha misy milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe:
Ny zavatra izay tokony hoentiko manampy anao
dia efa Kôrbana izany hoe: fanatitra ho an’Andriamanitra,
dia tsy avelanareo hanao na inona na inona
ho an’ny rainy na ny reniny intsony,
ka dia foananareo amin’ny fanaon-drazana asainareo tandremana
ny tenin’Andriamanitra;
sady maro koa ny zavatra toy izany ataonareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco