Ny fametsifetsena dia azo adika ihany koa hoe " famitahana, fampanantenana poakaty. Ny fametsifetsena dia hita eo amin'ny fiaraha-monina ary tonga amin'ny fahapotehan'ny firenena.  Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Ny fanararaotana dia mety ho amin'ny lafiny tsara fa misy koa ireo manararaotra amin'ny ratsy. Koa araraoty ny andro azo hanaovana soa. Tsy lavitra izany ny fahasarotam-piaro, indrindra ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

♦ Ny finoana raisina sy zaraina no ijoroantsika ho vavolombelona hahazoana ny fiainana mandrakizay, hoy i Mgr Donatien Randriamalala, Evekan'Ambanja tao amin'ny Eglizy Masinandraina Andraikiba Antsirabe... ♦ Notanterahina tao amin'ny Kianjan'i Mgr Xavier Tabao, Antanambazaha ny Festival des chorales, nokarakarain'ny Radio Aina Mananjary... ♦ Frera efatra mirahalahy no nanonona ny voady mandrakizay tao amin'ny Fikambanan'ny Frères Hospitaliers de Saint Jean de Dieu ny 16 sy 23 aprily 2023...

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 7, 1-7)

Nifidy lehilahy fito feno ny Fanahy Masina ny Apôstôly.

Tamin’izany andro izany, rehefa nitombo ny isan’ny mpianatra,
dia nimonjomonjo tamin’ny Hebrio ny Helenista,
satria tsy mba nahìna loatra tamin’ny fizarana ny fiantrana isan’andro
ny mpitondra tena tao aminy.
Ka novorian’ny roa ambin’ny folo lahy ny mpianatra rehetra nilazany hoe:

“Tsy mety raha ilaozanay mitandrina ny sakafo,
ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra.
Koa amin’izany,
ry rahalahy havana iray finoana,
mifidiana fito lahy eo aminareo,
izay tsara laza sady feno ny Fanahy Masina sy fahendrena,
mba hametrahanay izany raharaha izany;
ary izahay kosa hikely aina amin’ny fivavahana sy ny fitorian-teny”.

Nankasitrahin’ny olona rehetra izany teny izany,
ka nofidìny i Etiena lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina,
i Filipo, i Prôkôra, i Nikanôra, i Timôna, i Parmenasy,
ary i Nikôlà, prôzelita avy any Antiôkia.
Narosony teo anatrehan’ny Apôstôly izy ireo,
ka nametrahany tanana nony efa vita ny fivavahana.
Dia niely ny tenin’Andriamanitra,
nihamaro be dia be ny mpianatra tao Jerosalema,
ary betsaka koa ny mpisorona nanaiky ny finoana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 32, 1-2. 4-5. 18-19

Homba anay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny hitokianay Anao.

Ry olo-marina, hobio ny Tompo.
Ny olo-mahitsy no mendrika hidera.
Derao amin-dokanga ny Tompo,
antsao am-baliha tory folo.

Fa marina ny tenin’ny Tompo,
ny asany rehetra mahatoky,
ny rariny sy hitsiny no tiany,
mameno ny tany ny fitiavany.

Izay matahotra ny Tompo no ahìny;
eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany
hafahany amin’ny fahafatesana,
hovelominy amin’ny tao-mosarena.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 2, 4-9)

Ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka.

Ry hava-malala,
manatòna an’i Jesoa Tompo, izay vato velona nolavin’ny olona ihany tokoa,
nefa voafidy sy sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra kosa;
ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona,
mba hitsangana ho tempoly fanahy,
ho mpisorona masina,
ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Fa izany no ilazan’ny Soratra Masina hoe:

“Indro Aho mametraka vato fehizoro ao Siôna,
dia vato voafidy sy saro-bidy,
ary izay mino Azy tsy hangaihay”.

Koa voninahitra ho anareo izay mino;
fa ho an’izay tsy mino kosa dia:

“Ny vato nolavin’ny mpanao trano
no efa tonga fehizoro ary vato mahasolafaka sy vatolampy mahatafintohina”;

fa tafintohina amin’ny teny izy ireo satria tsy nanaiky,
sady izany rahateo no nanendrena azy.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy,
mpisorona manjaka,
firenena masina,
vahoaka navotana,
mba hitorianareo ny hatsaran’ilay niantso anareo
hiala tamin’ny haizina,
ho amin’ny fahazavany mahagaga.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-12)

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aoka tsy hitebiteby ny fonareo.
Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa.
Misy toerana maro ao an-tranon’ny Raiko,
raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho;
fa handeha Aho hanamboatra toerana ho anareo,
ary rehefa lasa Aho ka voavoatra ny toerana ho anareo,
dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko,
dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay alehako”.

Dia hoy i Tômà taminy:

“Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko,
ka ahoana no hahafantaranay ny lalana?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Raha nahafantatra Ahy ianareo,
dia ho nahafantatra ny Raiko koa;
hatramin’izao, dia mahafantatra Azy ianareo,
sady efa nahita Azy”.

Dia hoy i Filipo taminy:

“Asehoy anay ny Ray, Tompoko,
dia ampy ho anay izany”.

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Izay ela izay no nitoerako teto aminareo,
ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo?
Izay nahita Ahy,
dia nahita ny Ray koa;
ka ahoana no anaovanao hoe:
Asehoy anay ny Ray?
Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray,
ary ny Ray ato amiko?
Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko,
fa ny Ray Izay mitoetra ato amiko no manao ny asa.
Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko;
na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.
Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy,
dia hanao ny asa ataoko koa,
ary hanao mihoatra noho izany aza izy,
satria mankany amin’ny Ray Aho”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Mifantoka amin'ny zava-misy iainan'ny firenena, ny hafatra avy amin'ny Justice et Paix, izay nanatanteraka ny Fihaonambe, ny 18 hatramin'ny 21 aprily 2023... ♦ Nanatanteraka Zaikabe sady nanokatra tamin'ny fomba ôfisialy ny fankalazana ny faha-90 taona niorenany, ny MDMK-CVX ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina... ♦ Fianakaviambe Fransiskana, tia sy manaja ny Tranobe iombonana, io no lohahevitra nifampizarana nandritra ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tany, ny Rano ary ny Ala, teny amin'ny trano fivarotam-boky Masindahy Paoly Analakely, ny sabotsy teo...

Mila filaminana isika na ara-tsaina na ara-batana na ara-panahy. Mila mifanaja ihany koa, indrindra ny fanajana ny fitsipi-pifehezana na ao an-tokantrano na eo amin'ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mahaiza mifanampy isika Malagasy amin'ny fanjifàna ny vokatra eto an-toerana, fa ny vita avy any ivelany manabe takolaka ny hafa fotsiny. Tsangan-kevitra apetraka ny hoe : "maro tohanan'ny maro". Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny asan’ny Apôstôly (Asa 2, 14a. 36-41)

Nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy iny lehilahy iny.

Nony tonga ny andro Pantekôty,
dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera,
ka nanao antso avo tamin’ny Jody hoe:

“Aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina,
fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny,
no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy”.

Voatsindron’izany teny izany ny fon’ny olona,
ka hoy izy tamin’i Piera sy ireo Apôstôly namany:

“Inona àry, ry rahalahy, no hataonay ?”

Dia hoy i Piera tamin’izy ireo:

“Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy
amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra,
mba hahazo ny famelana ny fahotanareo,
dia handray ny Fanahy Masina homena anareo.
Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana,
sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra any lavitra any,
rehefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitsika koa”.

Ary nanambara sy namporisika azy tamin’ny teny maro hafa koa izy nanao hoe:

“Vonjeo ny tenanareo
mba ho afaka amin’ity taranaka ratsy ity”.

Dia natao Batemy izay nandray tsara ny teniny,
ka niampy tokony ho telo arivo ny isan’ny mpianatra
tamin’izany andro izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5-6

Ny Tompo no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.

Ny Tompo miandry ahy:
tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany,
tarihiny amin’ny lala-marina.

Na mamaky lohasaha maizina aza aho,
tsy misy loza atahorako
satria Ianao miaraka amiko,
ireo tehinao mampatoky ahy.

Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.

Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 2, 20b-25)

Indro ankehitriny fa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.

Ry hava-malala,
raha manao soa ianareo no ampahoriana,
ka miaritra amim-pandeferana,
dia izany no ankasitrahin’Andriamanitra.
Sady izany koa no niantsoana anareo,
satria i Kristy nijaly ho anareo koa,
ka namela fianarana ho anareo,
mba hanarahanareo ny diany;
dia Izy, Ilay tsy nanota akory,
na mba niloa-bava nilaza fitaka velively;
Izy Ilay notevatevaina, nefa tsy nandrahona,
fa nanolo-Tena tamin’ny mpitsara Azy tsy ara-drariny;
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo,
mba ho faty isika raha ny amin’ny ota,
fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana;
ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
Fa efa toy ny ondry nania ianareo,
ary indro ankehitriny
efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo,
sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 1-10)

Izaho no vavahadin’ny ondry.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny Farisianina hoe:

“Lazaiko marina aminareo,
fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry,
fa mananika amin’ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy;
fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry.
Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy,
ny ondry mihaino ny feony,
ary izy miantso ny Azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy.
Rehefa tafavoakany avokoa ny azy,
dia mialoha izy,
ka manaraka azy ny ondry,
satria mahalala ny feony;
ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany,
satria tsy fantany ny feony”.

Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany,
nefa tsy azon’ireo izay nolazainy tamin’izany.
Ka hoy indray i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa Izaho no varavaran’ny ondry.
Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako,
fa tsy nihaino azy ny ondry.
Izaho no varavarana.
Raha Izaho no idiran’ny olona, dia hovonjena izy,
ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana,
fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana,
sady hananany azy be dia be”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Samy nanentana ny mpino rehetra kristianina manerana an'i Madagasikara, mba hitalaho mandrakariva ny famindram-pon'Andriamanitra, na ny tany amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé, na ny tao amin'ny Chapelle an'ny Aumônerie Saint Luc Befelatanana, nandritra ny fanamarihana ny Alahadin'ny Famindram-pon'Andriamanitra... ♦ Nifarana omaly ny fivahinianana masina diôsezanina izay fanao isan-taona, tanterahana any amin'ny toerana naha maritiry an'i Ramose Lucien Botovasoa, ary nanamarihana ny fahadimy taona nanandratana azy ho Olontsambatra...

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 14. 22-28)

Tsy azo atao ny hihazonan’ny fatoran’ny fahafatesana an’i Jesoa.

Nony tonga ny andro Pantekôty,
dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera,
ka nanao antso avo niteny hoe:

“Ry Jody sy ianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema,
fantaro tsara izao,
ary mampandria sofina amin’ny teniko:
I Jesoa avy any Nazareta,
Lehilahy nankatoavin’Andriamanitra teo imasonareo
tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana
ary ny famantarana nampanaoviny Azy teo aminareo,
araka ny fantatry ny tenanareo,
dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova
sy ny fahalalany mialoha,
ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana
sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;
fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona
sy nahafaka Azy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana,
satria tsy azo atao ny hihazonan’izany Azy,
araka ny voalazan’i Davida ny aminy hoe:
Nijery ny Tompo teo anatrehako lalandava aho,
satria eo ankavanako Izy mba tsy hihozongozona aho.
Noho izany, ny foko miravoravo, ny lelako mirobiroby,
ary ny foko hitombina amin’ny fanantenana,
fa tsy ho foinao ao amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko,
ary tsy hatolotrao hafoy ho tratry ny lo ny Masinao.
Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao,
ary nameno hafaliana ahy amin’ny fampisehoana ny Tavanao amiko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

(Sal. 15, 1-2a. sy 5. 7-8. 9-10. 11)

Ny Teninao, ry Tompo, no faniloko. Ny lalanao, ô ry Ray ô, no tianay haleha.

Andriamanitra ô, ambeno aho mifefy aminao!
Ianao, ho’aho, ry Tompo, no Andriamanitra;
Ianao no hasambarako:
Ny Tompo ny ahy no zara lovako;
ianao no rakitro mateza.

Isaorako ny Tompo manolo-tsaina ahy,
alina avy ny foko no toroany.
Ataoko anoloana hatrany ny Tompo,
izaho tsy hiala eo ankavanany.

Koa faly ny foko, ravo ny fanahiko,
ny nofoko avy no mandry amin-toky.
Ny fanahiko tsy hafoinao ho any an-tSeoly,
ity sakaizanao tsy hekenao hahita ny hady;

Fa iny lalan’ny fiainana
no hatoronao ahy:
hafenoam-pifaliana anoloanao,
hafinaretan-dava ankavananao.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 1, 17-21)

Navotana tamin’ny Ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, ianareo.

Ry hava-malala,
raha Ilay tsy mizaha tavan’olona,
fa mitsara ny olona rehetra araka ny asany avy,
no antsoinareo hoe Ray,
dia aoka hitondra tena amim-pahatahorana ianareo,
mandritra ny andron’ny fivahinianareo ety,
satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo
ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana,
dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na volafotsy,
fa ny Ra saro-bidin’i Kristy.
Ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,
dia Ilay talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao no efa voatendry,
fa tamin’izao andro farany izao vao naseho, noho ny aminareo.
Tamin’ny alalany no nahazoanareo finoana an’Andriamanitra,
Izay nanangana Azy ho velona,
sy nanome voninahitra Azy,
ka zary fanantenana an’Andriamanitra koa ny finoanareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo;
Ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)

Teo am-pamakiana ny mofo no nahafantaran’izy ireo Azy.

Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro ihany
dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny vohitra anankiray atao hoe Emaosy,
tokony ho enimpolo stady raha avy eo Jerosalema.
Niresaka ny zava-niseho rehetra izy ireo.
Ary raha mbola niresaka sy nifampilaza izay heviny teny izy,
dia nanatona azy i Jesoa ka niara-dalana taminy;
fa voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’izy ireo.
Hoy Izy taminy:

“Inona izato resahinareo ety an-dalana,
no toa dia efa malahelo ery ianareo izany?”

Dia namaly ny anankiray atao hoe Kleôfasy ka nanao taminy hoe:

“Ianao irery angaha no vahiny ao Jerosalema
tsy mahalala izay zava-niseho tao tato ho ato?”

Fa hoy Izy tamin’ireo:

“Zavatra inona moa izany?”

Dia hoy ireo:

“Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta,
izay Mpaminany mahery tamin’ny asany sy ny teniny,
teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
dia ny amin’ny nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny lehibentsika Azy ho faty,
mbamin’ny namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana.
Nanantena izahay fa hoe Izy no Ilay hanavotra an’i Israely:
kanjo indro fa androany izao no andro fahatelo hatramin’ny nisehoan’izany.

Nisy ihany tokoa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra,
fa tany amin’ny fasana maraina koa izy ireo,
ary niverina nilaza fa tsy nahita ny fatiny,
nefa nahita Anjely niseho taminy, nanambara fa velona Izy.
Dia nankany amin’ny fasana ny sasany taminay
ka nahita araka izay nolazain’ny vehivavy,
nefa tsy nahita Azy”.

Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Ry adala sy votsa saina amin’ny finoana izay rehetra voalazan’ny Mpaminany!
Moa tsy tokony ho niaritra izany va i Kristy
mba hidirany amin’ny voninahiny?”

Dia novoasany tamin’izy ireo ny tenin’i Môizy
sy ny Mpaminany rehetra manambara Azy ao amin’ny Soratra Masina.
Nony mby tao akaikin’ny vohitra halehan’izy roa lahy izy ireo,
dia nanao hoatra ny mbola handeha lavidavitra ihany i Jesoa
fa notanan’izy ireo nataony hoe:

“Mitoera re aty aminay,
fa efa ho hariva izao,
efa mandrorona ny andro”.

Dia niditra niara-nijanona tamin’izy ireo Izy.
Ary rehefa niara-nihinana izy ireo,
dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakìny,
dia natolony azy ireo.
Izay vao nisokatra ny mason’izy ireo ka nahalala Azy,
fa Izy kosa tonga tsy hitany intsony.
Dia nifampilaza izy hoe:

“Akory izany firehidrehitry ny fontsika tao anatintsika,
fony Izy niresaka tamintsika teny an-dalana,
sy nivaofy ny Soratra Masina tamintsika!”

Niaraka tamin’izay dia nitsangana izy ireo
ka niverina tany Jerosalema,
ary nahita ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany tafavory
sady nilaza hoe:

“Efa nitsangana tokoa ny Tompo,
ary efa niseho tamin’i Simôna Izy”.

Dia mba notantarain’izy ireo kosa
ny zavatra niseho taminy teny an-dalana
sy ny nahafantarany Azy tamin’ny famakiana ny mofo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Notontosaina tamin'ny talata teo ary hifarana rahampitso ny fihaonana izay fanao isan-taona, ho an'ny Fianakaviambe Salezianina eto Madagasikara... ♦ Hotontosaina ny 15 sy 16 aprily 2023 ny pelerinazy diôsezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, izay hakalazaina ny 17 aprily 2023 ny fetiny... ♦ Nohamafisin'ny Papa François ho an'ny vavaka ho an'ity volana aprily ity, ny fampanjakana tanteraka ny fandriampahalemana, ka anisan'ny ezaka atao amin'izany ny tsy fampiasana fitaovam-piadiana...

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 42-47)

Niray toerana ny mpino rehetra, dia niombonany ny fananany rehetra.

Nazoto ireo mpino tamin’ny fampianaran’ny Apôstôly sy ny famonjem-pivoriana,
ary tamin’ny famakiana ny mofo sy ny fivavahana rehetra.
Betsaka koa ny fahagagana sy ny famantarana nataon’ny Apôstôly tao Jerosalema,
ka raiki-tahotra ny olona rehetra.
Niray toerana ny mpino rehetra,
dia niombonany ny fananany rehetra,
sy namidiny ny taniny sy ny fananany,
ka nozarazaraina tamin’izy rehetra,
araka izay nilainy avy.
Nazoto niaranankao amin’ny Tempoly isan’andro izy rehetra,
sy namaky mofo tany an-tranony
ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po,
niarani-dera an’Andriamanitra sady tsara laza tamin’ny vahoaka rehetra.
Ary nanampin’ny Tompo isan’andro ho isan’izy ireo ny olom-bonjena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

(Sal. 117, 24. 13-15. 22-24)

Miderà ny Tompo, fa tsara fo Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony.

Valion’i Israely manontolo:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Valion’ny fokon’i Aarôna:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Valion’ny matahotra ny Tompo:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!

Naronjiny aho mba ho lavo;
ny Tompo kosa namonjy ahy.
Ny Tompo no heriko sy tanjako;
izy no Mpamonjy ahy.

Injao hobin-kafaliana manakoako
ao amin’ny fonenan’ny olo-marina;
hoy ny antso fandresena:
Ny tanan’ny Tompo naneho hery.

Nanandratra ahy ny tanan’ny Tompo;
ny tanan’ny Tompo naneho hery!
Tsy maty aho fa velona
hitanisa ny asan’ny Tompo.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 1, 3-9)

Niteraka antsika ho amin’ny fanantenana velona ny Tompo noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona.

Ry kristianina havana,
hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay niteraka antsika indray,
araka ny haben’ny famindram-pony,
noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona,
ho amin’ny fanantenana velona,
hahazo ny lova tsy mety simba,
tsy misy pentina,
tsy mety levona,
izay voatahiry ho anareo any an-danitra,
dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana,
ho amin’ny famonjena izay efa vonon-kaseho amin’ny andro farany.
Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo
nefa mbola tsy maintsy hampahorian’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo,
ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo
izay ambony lavitra noho ny volamena
(io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany
na dia zavatra mety simba aza),
dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany,
amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.
Tia Azy ianareo,
na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza;
mino Azy ianareo,
na dia izao aza mbola tsy mibanjina Azy;
izany no iontanan’ny fonareo
amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra,
sady matoky ianareo fa hahazo ny antenain’ny finoanareo,
dia ny famonjena ny fanahinareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy;
fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i MAsindahy Joany (Jo. 20, 19-31)

Nony afaka hateloana dia tonga i Jesoa.

Nony hariva ny andro voalohany amin’ny herinandro,
raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra,
noho ny fahatahorany ny Jody,
dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany,
sy nilaza tamin’izy ireo hoe:

“Ho aminareo anie ny fiadanana!”

Nony efa nilaza izany Izy,
dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany,
ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.
Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo:

“Ho aminareo anie ny fiadanana!
Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy
no anirahako anareo koa”.

Rehefa nilaza izany Izy,
dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe:

“Raiso ny Fanahy Masina:
ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela,
ary izay hotananareo dia ho voatana”.

Fa i Tômà, ilay atao hoe Didimo,
anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa,
tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa.
Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy:

“Efa nahita ny Tompo izahay”.

Fa hoy izy tamin’ireo:

“Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika
ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako,
ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako,
dia tsy hino aho”.

Nony afaka havaloana,
raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany
sady teo koa i Tômà,
dia tonga i Jesoa,
nefa nirindrina ny varavarana.
Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe:

“Ho aminareo anie ny fiadanana!”

Ary hoy Izy tamin’i Tômà:

“Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako,
ary arosoy ny tananao, ka atehafo eto amin’ny tratrako,
dia minoa, fa aza malain-kino”.

Dia namaly i Tômà ka nanao hoe:

“Tompoko sy Andriamanitro!”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Nino ianao, ry Tômà,
satria nahita Ahy;
sambatra izay tsy nahita ka nino”.

Maro koa ny fahagagana nataon’i Jesoa
teo imason’ny mpianany no tsy voasoratra amin’ity boky ity.
Fa voasoratra ireto mba hinoanareo
fa i Jesoa Kristy dia Zanak’Andriamanitra,
ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany,
amin’ny finoana Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...