Bokin'ny Jenezy (Jen 3, 9-15. 20)
Rehefa nihinana tamin’ny voankazo i Adama,
dia niantso azy ny Tompo Andriamanitra nilaza taminy hoe:
“Aiza moa ianao?”
Hoy ny navaliny:
“Nandre ny feonao tao anaty saha aho,
ka natahotra fa mitanjaka, ka dia niery aho.”
Ary hoy ny Tompo Andriamanitra:
“Iza no nahafantaranao fa mitanjaka ianao?
Moa nihinana tamin’ny hazo noraràko tsy hihinananao va ianao?”
Hoy ny navalin-dralehilahy:
“Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko
no nanome ahy tamin’ilay hazo dia nihinana aho.”
Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin-dravehivavy:
“Ahoana no nanaovanao izany?”
Hoy ny navalin-dravehivavy:
“Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.”
Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin’ny bibilava:
“Noho ianao nanao izany,
dia voaozona ianao amin’ny biby rehetra eny an-tsaha:
hikisaka amin’ny kibonao ianao
ary vovo-tany no hohaninao
amin’ny andro rehetra hiainanao.
Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy,
ny taranakao sy ny taranany:
izy hanorotoro ny lohanao,
ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.”
Ary Eva no nataon’i Adama anaran’ny vadiny,
satria izy no renin’ny olombelona rehetra.
— Izany àry ny tenin'ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 12-14)
Tamin’izany andro izany;
nony tafakatra any an-danitra i Jesoa dia niverina tany Jerosalema ny Apôstôly,
avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva,
izay lalana azo aleha sabata raha eo Jerosalema.
Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihana fitoerany izy ireo,
dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tômà, i Bartelemy sy i Matio,
i Jakôba zanak’i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Joda rahalahin’i Jakôba.
Niray saina izy rehetra,
ary naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sasany,
sy i Maria Renin’i Jesoa, ary ny rahalahiny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany (Jo 19, 25-34)
Ary nitsangana teo akaikin'ny hazo fijalian'i Jesoa
ny reniny sy ny rahavavin-dreniny,
dia Maria vadin'i Kleofasy, ary Maria Madelena.
Nony hitan'i Jesoa ny reniny sy ilay mpianany malalany
nitsangana teo akaikiny, dia hoy izy tamin-dreniny:
" Ravehivavy, indro ny zanakao."
Ary hoy koa izy tamin'ilay mpianatra:
" Indro ny reninao."
Ka hatramin'izay dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy.
Nony afaka izany, dia fantatr'i Jesoa
fa efa tanteraka ny zavatra rehetra,
ka hoy izy mba hahatanteraka ny Soratra Masina:
" Mangetaheta aho."
Ary nisy bakoly feno vinaingitra kosa teo,
ka nalaina ny sponjy novontosana vinaingitra,
sy notohizana tamin'ny hazo hisopy,
dia natohoka teo am-bavany.
Vao nanandrana ny vinaingitra izy dia nanao hoe:
" Tanteraka ny zavatra rehetra."
Dia nanondrika ny lohany izy ka niala aina.
Ary andro fiomanana tamin'izay, ka nangataka tamin'i Pilaty ny Jody
mba hotapahina ny ranjon'izy ireo, dia hoesorina,
mba tsy hisy faty mihantona amin'ny hazo fijaliana amin'ny andro sabata
(fa andro lehibe izany sabata izany).
Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany
sy ny an'ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa;
fa nony nankeo amin'i Jesoa izy ireo,
dia hitany fa efa maty sahady izy,
ka tsy mba notapahiny ny ranjony.
Fa nolefonin'ny miaramila anankiray kosa ny lanivoany,
ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin'izay.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Siràka (Ekl. 17, 19-24)
Izay mibebaka, dia eken’Andriamanitra ny hiverenany,
ary izay very fanantenana, alany alahelo.
Mitodiha ny Tompo ianao, ka mialà amin’ny fahotana;
mivavaha eo anoloan’ny tavany, ary ampahavitsio ny ratsy natao.
Miverena amin’ny Avo indrindra, mialà amin’ny tsy fahamarinana,
ary ankahalao mafy izay vetaveta.
Iza no hidera ny Avo indrindra, any amin’ny Seoly,
hisolo ny velona, sy izay nanome voninahitra Azy?
Ny olona efa maty tsy mahazo midera fa toy ny tsinontsinona izy,
fa ny velona sy ny salama no midera ny Tompo.
Endrey ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo!
sy ny fangoraham-pony an’izay mibebaka aminy!
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 31, 1-2. 5. 6. 7.
Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota!
Eny, sambatra ny olona
tsy itanan’ny Tompo hadisoana,
sy tsy misy fitaka eo am-bava!
Koa nitsorako taminao ny otako;
tsy nafeniko Anao ny hadisoako.
Miaiky heloka aho, Tompo! hoy aho:
dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota!
Koa amin’ny andro fahoriana,
ny mpivavaka rehetra hidera Anao;
raha ho tondraka ny ranobe,
izy tsy mba ho trany!
Ianao no fiereko
miaro amin’ny loza;
izaho hodidininao
hiram-pahafahana!
Aleloia. Aleloia.
Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika
mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-27)
Tamin’izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa,
dia nisy lehilahy nidodododo nandohalika teo anatrehany
ka nanontany Azy hoe:
“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”
ary hoy i Jesoa taminy:
“Nahoana no ataonao hoe tsara Aho?
Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery.
Fantatrao ny didy hoe:
Aza mijangajanga;
aza mamono olona;
aza mangalatra;
aza mety ho vavolombelona tsy marina;
aza manambaka;
manajà ny rainao aman-dreninao.”
Dia hoy ny navaliny Azy:
“Ry Mpampianatra ô,
hatra ny fony kely aho
no efa nitandrina izany rehetra izany.”
Ary nijery azy i Jesoa,
dia tia azy ka nanao taminy hoe:
“Zavatra iray loha no tsy ampy aminao:
mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao,
ary rahefa izany dia avia hanaraka Ahy.”
Nampahory azy izany teny izany fa nanan-karena be izy,
ka niala tamin’alahelo.
Ary nijerijery nanodidina i Jesoa
ka nanao tamin’ny mpianany hoe:
“Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena
amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!”
Nony gaga tamin’izany teny izany ny mpianany,
dia hoy indray i Jesoa taminy:
“Sarotra, anaka,
ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra
noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.”
Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe:
“Iza àry no mety ho voavonjy?”
Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe:
“Amin’ny olombelona, zava-tsy vitany izany;
tsy mba toy izany amin’Andriamanitra,
satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 1-11)
Nony tonga ny andro Pantekôty,
dia tafavory tao amin’ny trano anankiray ny Apôstôly rehetra,
ary tampoka injay nisy feo avy any an-danitra
toy ny rivotra nifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany:
sady nisy lela maro mitarehina afo niseho taminy sy nizarazara
nipetraka teo amboniny tsirairay avy,
ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra
sy niteny tamin’ny fiteny maro samihafa,
araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy avy.
Ary nisy Jody mpivavaka tsara nitoetra tao Jerosalema,
avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra,
nony nahare izany izy ireo,
dia nidodododo maro be ka very hevitra izay tsy izy,
fa samy nandre azy ireo niteny ny fiteniny avy izy rehetra.
Gaga sy talanjona izy ireo, ka vaky nanao hoe:
“Endre, tsy avy any Galilea daholo va ireo miteny ireo?
Ka nahoana àry ity isika no samy mandre azy
miteny ny fitenin-drazantsika avy;
dia ny Parta, ny Meda, ny Elamita sy ny mponina any Mezôpôtamia,
Jodea, Kapadôsa, Pônto, Azia, Frijia, Panfilia, Ejipta,
ary ny any Libia akaikin’ny Sirena, sy ny vahiny avy any Rôma,
na Jody na prôzelita, ary ny any Kreta sy ny Arabo,
dia ahoana no samy mandre azy ireo
milaza amin’ny fitenintsika avy ny zava-mahagaga
ataon’Andriamanitra isika rehetra?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 103, 1ab sy 24ad. 29bd-30. 31 sy 34
Isaory ny Tompo, ry fanahiko
lehibe indrindra Ianao, ry Andriamanitro;
fiandrianana sy voninahitra no itafianao.
Maro tokoa ny asanao, ry Tompo
sady vita amim-pahakingana.
Ny tany henika ny harenao.
Ny fofon’ainy alanao: mody mandry izy;
ny fofon’ainao alefanao: àry izy,
ka indro mihavao ny endriky ny tany.
Mandrakizay ny voninahitry ny Tompo.
Hifaly amin’ny asany anie ny Tompo!
Ho tonga anatrehany anie ny vetsoko:
ny Tompo, ny ahy, no fifaliako.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 12, 3b-7. 12-13)
Ry kristianina havana, tsy misy afa-milaza hoe:
“i Jesoa no Tompo”,
raha tsy amin’ny Fanahy Masina.
Maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy;
maro samihafa ny fanompoana, nefa ny Tompo iray ihany,
ary maro samihafa ny asa, nefa iray ihany Andriamanitra
izay manao ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra.
Samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy,
mba hahasoa ny be sy ny maro.
Fa toy ny maha iray ny vatana, na dia maro rantsana aza,
sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy,
dia toy izany koa i Kristy.
Fa Fanahy iray ihany no nanaovana Batemy antsika rehetra,
mba ho vatana iray ihany isika na Jody na Jentily,
na mpanompo na tsy mpanompo;
ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino;
ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-23)
Ny harivan’ny Paka ilay andro voalohan’ny herinandro,
raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra
noho ny fahatahorany ny Jody,
dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany
sy nilaza tamin’izy ireo hoe:
“Homba anareo anie ny fiadanana!”
Nony efa nilaza izany Izy,
dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany,
ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.
Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo:
“Homba anareo anie ny fiadanana!
Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa”.
Rehefa nilaza izany Izy dia nitsoka
ka nanao tamin’izy ireo hoe:
“Raiso ny Fanahy Masina,
ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela
ary izay hotananareo dia ho voatana”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire Saint François de Sales, Analamasôva, ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Nanokatra ny fankalazana ny faha-160 taonany ny Gardes d'Honneur an'ny Fo Masin'i Jesoa maneran-tany, ny tao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga, omaly... ♦ Iraka isika, hoy ny hafatry ny Eveka ao amin'ny Diôsezin'Ambanja, nandritra ny fitsidihana pastôraly notanterahany tao amin'ny EKAR Luigi Orione, Distrikan'i Begavo...
♦ “Nikely aina mandrakariva koa aho mba tsy hotsinin’ny feon’ny fieritrertako, na eo anatrehan’Andriamanitra, na eo anatrehan’ny olombelona”. Io no lohatenin'ny hafatra izay natolotry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny niatrehan'izy ireo ny Fivoriambe sy ny laretirety, izay nanomboka ny 1 mey 2023... ♦ Notendren'ny Papa François ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava, androany 19 mey 2023, i Mompera Jean Nicolas Rakotojaona, Pretra diôsezanina avy amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
Hotanterahina ny 02 jolay 2023 ny fanamasinana ho Eveka an’i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, koa manentana ny vahoaka ao Menabe mba hitondra am-bavaka azy ny Evekan’i Morondava, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina...
Manoloana ny fenendrena dia maneho ny fankasitrahana ny Fiketrahana Masina sy mitondra ny teny fiarahabana ho an’i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, ny Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina.
Notendren’ny Papa François ho Eveka mpanampy ao amin’ny diosezin’i Morondava, androany 19 mey 2023, i Mompera Jean Nicolas Rakotojaona, Pretra diosezanina avy amin’ny diosezin’Antananarivo. Teraka ny 18 janoary 1973 tao Anosy avaratra, Antananarivo, i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona. Zanak’i Rakotojaona Jean Pierre sy Razafinjaika Hélène.
Hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara. “Nikely aina mandrakariva koa aho mba tsy hotsinin’ny feon’ny fieritrertako, na eo anatrehan’Andriamanitra, na eo anatrehan’ny olombelona” (Asa 24, 16)
♦ Anisan'ny nankalaza ny Andro Maneran-tany ho an'ny Mpanabe androany, ny tao amin'ny sekoly Stella Maris Toamasina... ♦ Nomarihana tamin'ny faran'ny herinandro teo, ny Andro Nasiônaly ho an'ny TAMPIKRI, ka nanatanteraka hetsika manokana ny TAMPIKRI tao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Nankalaza ny fetin'ny Olomasina mpiaro azy ny EKAR Notre-Dame de Fatima Ambohipeno, Distrikan'Andranomadio, Diôsezin'i Tsiroanomandidy...
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 12-14)
Tamin’izany andro izany;
nony tafakatra any an-danitra i Jesoa dia niverina tany Jerosalema ny Apôstôly,
avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva,
izay lalana azo aleha sabata raha eo Jerosalema.
Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihana fitoerany izy ireo,
dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tômà, i Bartelemy sy i Matio,
i Jakôba zanak’i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Joda rahalahin’i Jakôba.
Niray saina izy rehetra,
ary naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sasany,
sy i Maria Renin’i Jesoa, ary ny rahalahiny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 26, 1. 4. 7-8a
Ny Tompo faniloko sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
hany ataoko Anao, ry Tompo:
ny honina an-tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra iainako,
mba hankafy ny hatsaran’ny Tompo
sy hibanjina ny toerany masina.
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso;
iantrao aho ka valio.
Tadiavo ny Tavako, hoy ianao:
ny Tavanao, ry Tompo, no tadiaviko.
Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 4, 13-16)
Ry hava-malala,
mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy,
mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana
amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.
Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny Anaran’i Kristy,
fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin’ny voninahitra sy ny fahefana,
dia ny Fanahin’Andriamanitra.
Aoka tsy hisy mijaly ao aminareo noho izy mpamono olona,
na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsiriritra fananan’olona;
fa raha noho izy kristianina kosa no ijaliany,
dia aoka tsy ho menatra amin’izany izy,
fa vao mainka hanome voninahitra an’Andriamanitra aza,
noho izany anarana izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo,
fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 1-11a)
Tamin’izany andro izany:
i Jesoa niandrandra ny lanitra ka nivavaka hoe:
“Raiko ô, tonga ny fotoana: omeo voninahitra ny Zanakao,
mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra Anao,
fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy,
mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.
Ary izao no fiainana mandrakizay,
dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao.
Nanome voninahitra Anao Aho tety ambonin’ny tany,
fa tanterako ny asa nomenao Ahy hataoko.
Ary ankehitriny kosa dia Anao, Raiko ô,
ny manome voninahitra Ahy eo aminao,
dia ny voninahitra ananako tao aminao talohan’ny nahariana izao tontolo izao.
Nitory ny Anaranao tamin’ny olona nomenao Ahy ao amin’izao tontolo izao Aho;
Anao izy ireo, ka nomenao Ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy.
Fantany ankehitriny fa avy aminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy;
satria nomeko azy ny teny nomenao Ahy ka noraisiny;
dia fantany marina fa avy aminao Aho,
ary ninoany tokoa fa Ianao no naniraka Ahy.
Mangataka ho azy ireo Aho.
Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho,
fa ho an’izay nomenao Ahy,
satria Anao izy ireo
(fa Anao izay Ahy rehetra ary Ahy izay Anao rehetra),
ary nahazo voninahitra amin’izy ireo Aho.
Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho;
izy ireo no ho eto amin’izao tontolo izao,
fa Izaho kosa ho any aminao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nanatanteraka fiofanana mitohy nandritra ny telo andro, ireo Inspecteurs sy Katesista avy ao amin'ny Misiona telo ao Mandritsara, Diôsezin'i Port-Bergé, nanomboka ny talata teo... ♦ Efa ao anatin'ny fiomanana tanteraka amin'ny fandraisana ireo ankizy avy amin'ny diôsezy manerana an'i Madagasikara, ny Diôsezin'Antananarivo, izay mpandray ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy andiany fahatelo... ♦ Hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Vehivavy Katôlika ny FFBKEM, ny 14 mey 2023 ao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco