3 febroary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)

Tamin’izany andro izany,
niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly,
dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.
Ary hoy Izy taminy:

“Avia ianareo,
ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina,
ka mialà sasatra kely”:

fa maro ny olona mifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory.
Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo
ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina.
Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany,
ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin’ny tanàna rehetra,
sy tonga tany talohany.
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa
dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy,
satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo,
dia nampianatra azy zavatra maro Izy.

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...