Bokin’i Nehemia (Nehem. 2, 1-8)
Tamin’ny volana Nisàna,
taona faharoapolo nanjakan’i Artakserksesa mpanjaka,
raha ilay efa mby teo anoloany iny ny divay,
dia noraisiko izaho Nehemia ny divay ka natolotro ny mpanjaka,
ary nitandrina aho mba tsy halahelo teo anatrehany.
Ka hoy ny mpanjaka tamiko:
“Nahoana itý ianao no malahelo tarehy,
kanefa tsy marary tsinona?
Tsy inona izao, fa alahelon’ny fo mihitsy!”
Nivadi-po terý aho, ka namaly ny mpanjaka hoe:
“Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka!
Hataoko ahoana no tsy falahelo tarehy,
kanefa ny tanàna nisy ny fasan-drazako rava
ary ny vavahadiny levon’ny afo?”
Dia hoy ny mpanjaka tamiko:
“Inona no tianao hangatahina amiko?”
Nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra aho,
dia namaly ny mpanjaka hoe:
“Raha sitraky ny mpanjaka
ka mba nahita fitia eo imasony koa itý mpanompony
dia alefaso aho ho any Jodà,
any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako
mba hanamboarako azy indray.”
Nipetraka teo anilany koa ny mpanjakavavy tamin’izay,
ary hoy ny mpanjaka tamiko:
“Haharitra ohatrinona ny dianao,
ary rahoviana no hiverina ianao?”
Dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy,
ka nilaza fetr’andro taminy aho.
Ary hoy koa aho tamin’ny mpanjaka:
“Raha sitraky ny mpanjaka,
aoka homena taratasy aho,
ho an’ny governora any an-dafin’ny ony,
mba hamelany ahy handeha,
mandra-pahatongako any Jodà,
ary taratasy anankiray koa
ho an’i Asafa mpitandrina ny alan’ny mpanjaka,
mba hanomezany hazo ahy, hanaovana sakamandimby
hatao amin’ny varavaran’ny trano mimanda manoloana ny tempoly
sy hatao amin’ny mandan’ny tanàna,
mbamin’ny trano hihatahako.”
Dia nomen’ny mpanjaka ahy izany,
fa nomba ahy ny tanana manambin’Andriamanitro.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 136, 1-2. 3. 4-5. 6
Teo amoron’ny onin’i Babela,
nitorovoka izahay, nitomany mafy nahatsiahy an’i Siôna!
Ny lokanganay nahantonay
tamin’ny hazomalahelo izay teny.
Dia avy ny mpamabo
nangataka hira,
ny mpifaoka anay nangata-pifaliana:
“Ihirao hiran’i Siôna hoe izahay!”
Fa dia hataonay ahoana
no fihira ny hiran’ny Tompo atý an-tanin’olona?
Raha sanatria manadino anao aho, ry Jerosalema,
aoka ho maina ny tanako.
Aoka hipetaka amin’ny lanilaniko ny lelako,
raha tsy mahatsiahy anao aho,
raha tsy ianao, ry Jerosalema,
no hany antom-pifaliako!
Aleloia. Aleloia.
Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ka tariho amin’ny fahamarinanao aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 57-62)
Tamin’izany andro izany,
raha mbola teny an-dalana ho any Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany,
dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe:
“Hanaraka Anao aho,
na aiza na aiza halehanao.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Ny amboadia manan-davaka,
ary ny voromanidina manana akany;
fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.”
Ary hoy Izy tamin’ny anankiray hafa:
“Manaraha ahy.”
Dia izao no navalin’io:
“Aoka aloha, Tompoko,
handevina ny raiko aho.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy,
fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra.”
Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe:
“Hanaraka Anao aho, Tompoko,
fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Rahefa mety ho mpitana angadin’omby miherika,
dia tsy sahaza ny Fanjakan’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
3 ôktôbra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 51-56)
Bokin’i Zakaria Mpaminany (Zak. 8, 20-23)
Izao no tenin’ny Tompo Nahary:
Ho hita mirohotra indray ireo firenena sy ny mponina
avy amin’ny tanàn-dehibe maro.
Dia hifanatona ny olona samihafa fiaviana, hifampilaza hoe:
“Andao re isika hifona amin’ny Tompo hitady azy Tompo Nahary.
Fa izaho koa handeha ho any!”
Eny, vahoaka maro sy firenena matanjaka no ho avy ao Jerosalema,
hitady ny Tompon’ny hery rehetra,
sy hifona eo anatrehany.
Ary izao no tenin’ny Tompo Nahary:
amin’izany andro izany,
dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena rehetra samihafa fiteny,
hihazona mafy ny sisin-damban’ny Jody anankiray, hilaza aminy hoe:
“Izahay te-hiara-dia aminareo;
satria efa renay fa miaraka aminareo Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 86, 1-3. 4-5. 6-7
Ry Siôna, ry Siôna ô, eny an-tendrombohitra masina
no naorin’ny Tompo ianao, Ilay Tompo tsy mahafoy anao.
Ny fonenan’i Jakôba: maromaro ihany izy ireny
fa ianao no andrian’ny fony, tiany mihoatra ny sisa rehetra.
I Rahaba sy Babela: mahafantatra ahy izy ireo,
ary i Tira sy i Filistia, ary i Etiôpia sy ny hafa.
Izao no ambara momba ireo: Izy, hono, teraka tao!
I Siôna tsy tahaka izany: Ny rehetra no teraka tao!
Ny Avo indrindra, ry Siôna, manamafy orina anao!
Hosoratany anatin’ny boky ny Vahoaka fa: teraka tao.
Ny andriana eran-tany, toy ny Zanakao tsisy hafa!
Izy ireo samy faly milaza: fa Ianao loharano niaviany.
Aleloia. Aleloia.
Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 51-56)
Nony efa antomotra ny andro
tsy maintsy hanalàna an’i Jesoa eto amin’izao tontolo izao,
dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy
ka nandefa iraka nialoha Azy.
Dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray
tany amin’ny Samaritanina,
mba hanomana ny fandraisana Azy;
fa tsy nisy nandray Azy ny olona,
satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy.
Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe:
“Tompoko,
tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy
handevona azy?”
Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe:
“Tsy fantatrareo manko izay tokony ho fanahinareo.
Ny Zanak’Olona anie tsy tonga hamery olona fa hamonjy azy.”
Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mbola manana zom-pirenena malagasy ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, hoy ny Filohan'ny HCC teo aloha, Eric Rakotoarisoa... ♦ Tokony hosaziana ireo Andrim-panjakana tsy manara-dalàna, hoy ny fikambanana Fiverenana Andoharano... ♦ Niverina ny asan-dahalo, ny halatr'omby sy ny fakana an-keriny ary ny vaky fasana ato amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo...
♦ Nandray fepetra manokana ka nanamora ny fahafahan'ireo kandidà mampiasa angindimby amin'izao fifidianana izao ny eo anivon'ny ACM... ♦ Efa fitsapan-kery no misy eto amin'ny firenena fa tsy firesahana lalàna intsony, hoy ny mpamakafaka pôlitika, Toavina Ralambomahay... ♦ Mbola miato ny fampianarana sy ny fikarohana eny anivon'ny Oniversiten'Antananarivo sy ireo Foibem-pikarohana Nasiônaly, ary tsy misy hatramin'ny famoahana voka-panadinana, hoy ny teo anivon'ny SECES...
Ambohim-pihaonan'ny mpamokatra eny ambanivohitra sy ny mpitsidika, mpanjifa eto an-drenivohitra ny feny amin'ny MPE Nanisana amin'ity herinandro ity. Tanterahana eny an-toerana nanomboka ny alakamisy 28 septambra hatramin'ny alahady 01 ôktôbra 2023 ny Tsenaben'ny Fiompiana, ny Jono ary ny Fambolena andiany faha-15...
♦ Notafihan'ny dahalo mitam-piadiana androany maraina ny tao Ankilimida, Distrikan'i Mahabo, Faritra Menabe. Miaramila iray sy dahalo iray no maty vokatry ny fifanjevoana teo amin'ny dahalo sy ny fokonolona miaraka amin'ny miaramila nanara-dia ireo mpanafika... ♦ Handray anjara amin'ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena ho fampivoharana ny asa-tanana eto Madagasikara ny Federasiôna ivondronan'ireo Tranoben'ny asa tanana sy ny haitao na ny FC. MAM... ♦ Tanterahana ao amin'ny ENS Ampefiloha ao Antananarivo renivohitra mandritra ny telo andro ny fifanakalozan-kevitra momba ny fanavaozana sy ny fomba fampianarana ny zava-misy ankehitriny sy ny vinavina momba ny ho avy...
Maro ny tanora tsy mahafantatra ny ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo atao hoe : IST kanefa mitombo be ireo fahazoana ny otrik'aretina mahatonga azy ankehitriny. Aleo misoroka toy izay mitsabo anefa satria maro be ny voka-dratsiny ara-pahasalamana sy ara-pitondrantena sy ara-panahy... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.
♦Nihaona tamin'ny iraka manokan'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana mamita iraka eto Madagasikara ny vondron'ireo kandidà ho filoham-pirenena miisa 11. Tsy miady amin'ny kandidà Andry Rajoelina izy ireo fa mikatsaka ny tombontsoa ambonin'ny firenena hoy ny mpitondra teniny... ♦ Efa miaina tsy fitoniana isika eto Madagasikara hoy ny FFKM. Mikatsaka vahaolana amin'ny alalan'ny fifampidinihan'ireo kandidà mandray anjara izy ireo. Tsy misy resaka fifanarahana pôlitika kosa anefa ny momba izany... ♦ Hanomboka anio maraina eny amin'ny MPE Nanisana ny Tsenaben'ny Fiompiana, ny Jono ary ny FAmbolena na ny FEPA andian'ny faha-15. Mpamokatra miparitaka amin'ny trano heva 130 no mandray anjara...
♦ Tsy miady amin'ny kandidà Andry Rajoelina ny vondron'ireo kandidà, fa mitaraina amin'ny fitanilana amin'ny fanehoan-kevitra. Nambaran'izy ireo izany, tao aorian'ny fihaonana tamin'ny iraky ny Firenena Mikambana teny Andraharo... ♦ Mandalo fotoan-tsarotra ny firenana, hoy ny FFKM raha namoaka fanambarana. Efa miaina ny firosoana amin'ny fifidianana amin'izao, hoy ny Filohany, raha namaly ny fanontanian'ny mpanao gazety... ♦ Manjavozavo tanteraka ny rafi-pampianarana misy eto Madagasikara, hoy Kônferderasiôna sendikalin'ny Sempama. Nahitsy izy ireo nilaza fa tsy fantatra instony izay fandaharam-pianarana ampiharina ankehitriny...
2 ôktôbra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 46-50)
Bokin’i Zakaria Mpaminany (Zak. 8, 1-8)
Tonga ny tenin’ny Tompon’ny tafika nanao hoe:
“Saro-piaro dia saro-piaro an’i Siôna Aho,
sady entim-pahatezerana mafy Aho, noho ny aminy.
Tafaverina eto Siôna Aho,
ka te-honina eo afovoan’i Jerosalema;
i Jerosalema hantsoina hoe:‘Ny tanànan’ny fahamarinana’;
ary ny tendrombohitry ny Tompon’ny tafika, hatao hoe:
‘Ny tendrombohitry ny fahamasinana.’
Mbola hisy anti-dahy sy anti-bavy indray,
hipetraka eny amin’ny kianja any Jerosalema,
samy hitana tehina avy noho ny andro niainany efa maro.
Ny kianjan’ny tanàna ho feno zazalahy aman-jazavavy
milalao eny amin’ny kianjany.
Amin’izany andro izany,
na hiseho ho zava-mahagaga aza izany
eo imason’izay sisa amin’itý firenena itý;
moa ho zava-mahagaga eo imasoko koa va izany?
— teny marin’ny Tompon’ny tafika —.
Indro Aho hanafaka ny vahoakako avy any amin’ny tany atsinanana sy ny tany andrefana; hoentiko mody izy honina ao afovoan’i Jerosalema,
ka izy ho vahoakako ary Izaho ho Andriamanitr’izy ireo
amin’ny rariny sy ny hitsiny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 101, 16-18. 19-21. 29 sy 22-23
Hatahotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena,
ny voninahitrao, ny Mpanjaka rehetra eran-tany!
Ny Tompo mantsy hanorina an’i Siôna,
ka hiseho anatin’ny voninahiny,
hanatrika ny vavak’izay norobaina,
tsy hanosika ny talahon’izy ireo!
Soraty izany ho an’ny taranaka any aoriana:
ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho àry!
Avy any an-toerany Masina any ambony Izy mitsinjo,
avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany:
hahahenoany ny senton’ny mpifatotra,
hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.
Ny zanaky ny mpanomponao handry fehizay,
ary ny taranany hijoro eo anoloanao!
Ka ho voatantara ao Siôna ny Anaran’ny Tompo,
sy ao Jerosalema ny fiderana Azy,
raha ho tafaray mba hanompo ny Tompo
ireo vahoaka sy ireo fanjakana!
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 46-50)
Tamin’izany andro izany,
nisy hevitra tonga tao an-tsain’ireo mpianatra,
dia ny amin’izay lehibe aminy.
Fantatr’i Jesoa ny hevitra tao am-pony,
ka naka zaza kely anankiray Izy napetrany teo anilany,
dia hoy Izy tamin’izy ireo:
“Na iza na iza mandray itony zaza kely itony amin’ny Anarako
dia mandray Ahy,
ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy;
fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra
dia izy no lehibe.”
Dia niteny i Joany nanao hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
nahita olona anankiray nandroaka demony tamin’ny Anaranao izahay,
ka noraranay,
satria tsy namantsika izy.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Aza raràna,
fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco