Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 16, 22-34)

Minoa an’i Jesoa Tompo dia ho voavonjy ianao sy ny ankohonanao.

Tamin’izany andro izany,
dia nirohotra hamely an’i Paoly sy i Silasy ny vahoaka tao Filipy;
ary nasain’ny mpitsara nendahana ny lambany vao handalasina amin’ny hazo izy ireo.
Ary rahefa naratra be ihany izy, dia nataony an-tranomaizina,
ka nasainy hambenan’ny mpiambina mafy.
Nony nahazo teny toy izany ny mpiambina,
dia nampiditra azy tao an-tranomaizina anatiny indrindra,
sy nangia ny tongony tamin’ny bolaky hazo.
Rahefa tokony ho nisasaka ny alina,
dia nihira fiderana an’Andriamanitra i PaoIy sy i Silasy,
ka nihaino azy ny tao an-tranomaizina.
Niaraka tamin’izay dia nisy horohoron-tany mafy dia mafy
nanozongozona ny trano hatrany am-potony,
ka nivoha tampoka ny varavarana rehetra;
ary nivaha daholo ny fatoran’izy rehetra.
Taitra tamin’izay ny mpiambina ny tranomaizina,
ka nony nahita ny varavaran’ny tranomaizina nivoha izy,
dia nanatsoaka ny sabany ndeha hamono tena,
satria nataony ho nitsoaka nandositra ny mpifatotra.
Fa niantso tamin’ny feo mahery i Paoly nanao hoe:

“Aza mamono tena foana,
fa eto daholo ihany izahay rehetra.”

Dia nangataka jiro ny mpiambina,
ka niditra faingana sady nangovitra niankohoka teo an-tongotr’i Paoly sy i Silasy.
Nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy:

“Tompoko,
inona no tokony hataoko mba ho voavonjy aho?”

Ary hoy ny navalin’izy roa lahy:

“Minoa an’i Jesoa Tompo,
dia ho voavonjy ianao sy ny ankohonanao.”

Dia nilazan’izy roa lahy ny tenin’ny Tompo izy
sy izay rehetra tao an-tranony.
Iny alina iny ihany,
dia nitondra azy roa lahy izy, ka nanasa ny feriny;
ary tamin’izany ora izany ihany dia natao batemy izy sy ny tao an-tranony rehetra.
Dia nentiny nankao an-tranony izy roa lahy, ka norosoany hanina,
ary nifaly izy mianakavy rehetra, satria efa nino an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 137, 1-2a. 2bd-3. 7d-8

Ny tananao mamonjy ahy, ry Tompo.

Tompo ô! midera Anao amin’ny foko tontolo aho:
satria Ianao nihaino ny tenin’ny vavako!
Miantsa Anao eo anatrehan’ireo andriamanitra aho,
miankohoka mitodika ny Tempolinao Masina.

Misaotra ny Anaranao aho:
noho ny hatsaram-po sy fahamarinanao!
Ny andro iantsoako, mamaly Ianao,
sy mampitombo hery ny fanahiko!

Ny tananao mitsotra sy mamonjy ahy.
Ny Tompo Mpamaly izay ratsy atao ahy!
Tompo ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao:
aza atsahatra ny efa nataon’ny tananao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 5b-11)

Raha tsy mandeha Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpanafaka alahelo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Fa ankehitriny handeha Aho,
ka tsy misy aminareo manontany hoe: Ho aiza Ianao?
Fa noho Izaho nilaza izany taminareo dia feno alahelo ny fonareo.
Milaza ny marina aminareo anefa Aho
fa mahasoa anareo ny handehanako;
satria raha tsy mandeha Aho,
dia tsy ho avy aminareo ny Mpanafaka alahelo;
fa raha mandeha Aho, dia haniraka Azy ho aty aminareo.
Ary rahefa tonga Izy,
dia handresy lahatra an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana,
sy ny amin’ny fahamarinana, ary ny amin’ny fitsarana:
ny amin’ny fahotana,
satria tsy mino Ahy izy ireo;
ny amin’ny fahamarinana,
satria mankany amin’ny Ray Aho, ka tsy ho hitanareo intsony;
ary ny amin’ny fitsarana,
satria voatsara sahady ny filohan’izao tontolo izao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...