Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 17, 15. 22 — 18, 1)

Izay ivavahanareo izay, nefa tsy fantatrareo no torìko aminareo.

Tamin’izany andro izany,
dia niaraka tamin’i Paoly hatrany Atena ry zareo nanatitra azy;
rahefa izany dia nohafaran’i Paoly
handefa an’i Silasy sy i Timôte hanatona azy faingana izy ireo, dia lasa.
Dia nitsangana teo afovoan’i Areôpaza i Paoly ka nanao hoe:

“Ry lehilahy atenianina:
hitako amin’ny zavatra rehetra etoana fa olona fatra-pivavaka loatra ianareo.
Satria raha nandalo aho ka nijery ny zavatra ivavahanareo,
dia nahita ôtely anankiray misy izao soratra izao:
‘Ho an’ny Andriamanitra tsy fantatra.’
Koa izay ivavahanareo izay, nefa tsy fantatrareo, no torìko aminareo:
Ny Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra ao aminy,
no tompon’ny lanitra sy ny tany,
ka tsy mba ny tempoly nataon’ny tanan’ny olona fotsiny no itoerany.
Tsy mba tompoin’ny tanan’olombelona Izy, fa tsy misy toy ny hoe zavatra ilainy,
fa Izy aza no manome an’izao rehetra izao:
ny aina sy ny fofon’aina, ary ny zavatra rehetra.
Avy tamin’ny olona iray no nampiaviany ny firenena rehetra,
mba hamenoany mponina ny vohon’ny tany rehetra,
ary Izy ihany no nametraka ny taona hisiany sy ny faritany honenany avy,
mba hitady an’Andriamanitra izy,
raha tahiny hahatsapa ka hahita Azy,
na dia tsy lavitra antsika rehetra aza Izy;
fa ao anatiny no ivelomantsika, sy ihetsiketsehantsika, ary iainantsika,
araka ny voalazan’ny mpanao tonon-kira sasany taminareo hoe:
‘Taranany koa isika.’
Koa raha taranak’Andriamanitra àry isika,
dia tsy tokony hino fa ny fomban’Andriamanitra dia mitovy amin’ny volamena,
na ny volafotsy, na ny vato izay nataon’ny tanana amam-pahaizan’olombelona.
Tsy nahoan’Andriamanitra ny andron’ny tsy fahalalana fahizay;
fa asainy hibebaka daholo kosa ankehitriny ny olona rehetra amin’izao tontolo izao.
Satria Izy efa nanendry andro anankiray hitsaràny an’izao tontolo izao araka ny rariny,
amin’ny alalan’ny Lehilahy anankiray izay efa voatendriny sy nohamarininy
mba hinoan’ny olona rehetra, tamin’ny nananganany Azy ho velona.”

Nony nandre izany hoe fitsanganan’ny maty izany izy ireo, dia nihomehy ny sasany,
fa ny sasany kosa nanao hoe:

“Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’izany.”

Toy izany no nialan’i Paoly teo amin’izy ireo.
Nisy olona vitsivitsy nino sy nikambana taminy ihany anefa; anisan’ireo i Denis isan’ny Areôpaza,
sy vehivavy anankiray atao hoe Damarisy, ary ny sasany hafa koa.
Taorian’izany dia niala tao Atena i Paoly ka nankany Kôrinto.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 148, 1-2. 11-12ab. 12d-14a. 14bde

Feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Miderà ny Tompo ianareo ’zay any an-danitra any!
Miderà ny Tompo ianareo rehetra monina any!
Miderà ny Tompo ianareo Anjeliny rehetra!
Miderà ny Tompo ianareo, ry tafiny rehetra!

Ianareo mpanjaka, ianareo vahoaka ts’ hita isa,
ianareo andriana, ianareo mpitsara ny tontolo,
ianareo zatovo, tsy an-kanavaka eran-tany,
ianareo ankizy sy ny zokiolona rehetra.

Aoka ireo hidera ny Anara-masin’Izy Tompo,
fa ny Anara-masiny no avo hany mendri-kaja,
ka ny fiamboniany avo noho ny lanitra sy tany.
’Reo mpanompo Azy faly mankalaza sy midera.

Ts’iza izany akory fa ny firenen’i Israely,
’lay vahoaka tiany nolalainy hatrany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy,
Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 12-15)

Ny Fanahin’ny fahamarinana no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho,
nefa tsy zakanareo ankehitriny;
fa rahefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana,
dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra,
satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy,
ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo.
Hanome voninahitra Ahy Izy,
satria handray ny avy amiko ka hanambara izany aminareo.
Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko;
ka izany no nanaovako hoe:
Handray ny avy amiko Izy ka hanambara izany aminareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...