Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 7, 25 — 8, 6
Ry kristianina havana,
i Jesoa no mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany,
satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.
Eny tokoa, dia Mpisorombe toy izao no sahaza antsika:
masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin’ny mpanota,
voasandratra avo noho ny lanitra;
ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorombe hafa
ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa;
fa indray mandeha monja Izy no nanao izany
tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.
Satria olona zoim-pahalemena no atsangan’ny Lalàna ho mpisorombe:
fa ny tenin’ny fianianana taorian’ny Lalàna kosa
dia manendry ny Zanaka,
izay tonga amin’ny fara fanaperana mandrakizay.
Fa izao no tompon’ny zavatra lazaina amin’izao,
dia ny ananantsika Mpisorombe toy izany,
izay mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Avo indrindra any an-danitra,
mpandraharaha ao amin’ilay tena fitoerana masina
sy tena tranolay tsy naorin’olona,
fa naorin’ny Tompo.
Satria ny mpisorombe rehetra,
dia tendrena mba hanolotra fanatitra sy sorona,
ka tsy maintsy mba manan-katolotra koa izy.
Raha ety an-tany,
dia tsy mba ho mpisorona akory izy,
satria misy rahateo izay manolotra fanatitra araka ny Lalàna;
ireo dia sary sy tandindon’ny any an-danitra fotsiny
no fanompoana ataony araka ny natoron’Andriamanitra an’i Môizy
ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe:
“Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao
tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.”
Fa ny azy kosa dia fandraharahana ambony lavitra,
fa Mpanalalana amin’ny fanekena tsaratsara kokoa
sy miankina amin’ny fampanantenana ambony kokoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 39, 7-8a. 8b-9. 10. 17
Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao manko ny sofiko.
Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana:
ka hoy aho hoe: “Inty aho tamy.”
“Voasoratra ao amin’ny Boky ny momba ahy!
Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitro no mamiko!
Eny, ato anatin’ny foko
ny Lalànao!”
Torìko ao am-piangonam-be
ny fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo;
tsy akomboko ny molotro.
Fa hifaly sy hiravo aminao kosa
izay rehetra mitady Anao;
ary izay tia ny vonjinao
hivolan-dava hoe: “Lehibe ny Tompo!”
Aleloia. Aleloia.
Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo,
ary ny lalanao no aoka hanenika ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 7-12
Tamin’izany andro izany:
Lasa nankany amin’ny ranomasina
niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa,
ary maro ny olona avy tany Galilea no nanaraka Azy.
Ary maro koa no tany Jodea sy Jerosalema,
sy tany Idomea, sy tany an-dafin’i Jordany,
ary tamin’ny tany manodidina an’i Tira sy Sidôna
no nankeo aminy nony nandre ny nataony.
Ary nilaza tamin’ny mpianany Izy
mba hanomana sambo kely hiandry Azy eo
noho ny habetsahan’ny vahoaka
fandrao dia poritin’ny olona Izy.
Fa nahasitrana olona betsaka Izy,
ka nifanesika hanendry azy
izay rehetra nanana aretina.
Ary raha nahita Azy koa ny fanahy maloto,
dia miankohoka eo anatrehany ka miantso Azy hoe:
“Ianao no zanak’Andriamanitra”;
fa rarany sy rahonany mafy izy ireo
mba tsy hanao izay hahafantarana azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 7, 1-3. 15-17
Ry kristianina havana,
io Melkisedeka io, izay mpanjakan’i Salema,
mpisoron’ny Avo indrindra,
nitsena an’i Abrahama fony izy avy nandresy mpanjaka maro, nitso-drano azy,
notoloran’i Abrahama ny ampahafolon’ny babony rehetra;
— “mpanjakan’ny fahamarinana” no hevitr’anarany voalohany,
vao “mpanjakan’i Salema” koa,
izany hoe “mpanjakan’ny fiadanana”;
tsy ray tsy reny izy,
tsy nanana tantaram-pirazanana izy,
tsy voalaza andro niandohana na niafaram-piainana —
ka nampitoviana tamin’ny Zanak’Andriamanitra,
dia mitoetra ho mpisorona mandrakizay.
Vao mainka hita mihamazavazava kokoa indray izany,
rahefa nisy Mpisorona hafa tokoa niseho
tahaka an’i Melkisedeka:
tsy mba voatendry araka ny didin’ny Lalàna momba ny nofo,
fa araka ny herin’ny fiainany tsy manam-pahataperana,
fa toy izao no anambaràna azy:
“Ianao no Mpisorona mandrakizay
araka ny fomban’i Melkisedeka.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 109, 1. 2. 3. 4
Tenin’ny Tompo amin’ny Tompoko:
“Mipetraha ankavanako,
mandra-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao!”
Ny tehinao mahery
ahinjitry ny Tompo:
“Avy ao Siôna,
manjakà hatr’anivom-pahavalo!”
Fa Anao ny fiandrianana
hatramin’ny andro nahaterahanao!
Fa Izaho niteraka Anao teo am-Bohitra Masina:
toy ny mazava atsinanana miteraka ny ando!
Hoy ny fianianan’ny Tompo
ka tsy hanenenany:
“Ianao mpisorona mandrakizay
araka ny fanaon’i Melkisedeka!”
Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho,
mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 1-6
Indray Sabata,
i Jesoa niditra tao amin’ny Sinagôga,
ary nisy lehilahy anankiray maty tanana an’ila tao.
Ary nizaha taratra Azy ny sasany
na hanasitrana an’io amin’ny sabata Izy na tsia,
mba hiampangany Azy.
Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy maty tanana:
“Mitsangàna etsy afovoany.”
Ary hoy koa Izy tamin’ny olona:
“Inona no mety hatao amin’ny sabata,
ny soa sa ny ratsy, ny mamonjy aina sa ny mamono?”
Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo.
Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana Izy,
sy nalahelo noho ny hajamban’ny fony,
ary nilaza tamin-dralehilahy hoe:
“Ahinjiro ny tananao.”
Dia nahinjiny, ka sitrana ny tanany.
Ary lasa nivoaka ny Farisianina:
ka niaraka tamin’izay
dia niara-nihevitra tamin’ny Herôdianina
hanao izay hahavoazana Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Hotanterahana ny 15 janoary 2023, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Donatien Randriamalala, izay voatendrin'ny Papa ho Evekan'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Tafiditra ao anatin'ny andiany faharoa amin'ny Sinaody andiany fahafito izay iainanan'ny ao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izy ireo ankehitriny, ifanentanana amin'izany ny hoe "Diôsezy maitso"... ♦ Ny 22 janoary 2023, no hankalazan'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, izay natokana hitondrana am-bavaka sy hanohanana azy ireo...
Vaovao ny taona (2023), firariantsoa no tsara hifampizarana. Hirina mba hitondra fahatsaram-piainana noho ny vina sy ny tanjona ity taona ity. Mamporisika antsika hanao ezaka ary hijoro amim-pahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Ramakavelo Désiré.
Noho ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny Fiadanana sy ho fandraisana ny Taona Vaovao 2023, dia mirary soa ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, Arsevekan'i Toamasina
Noho ny fahatongavan'ny Taona Vaovao 2023, dia mitondra ny teny firarian-tsoa ho an'ny vahoaka Malagasy sy ny vahoaka kristianina ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, amin'ny alalan'i Mgr Samoela Jaona Ranarivelo, Filohan'ny Eklesia Episkôpaly Malagasy, sady Filohan'ny FFKM
Amin'izao Taom-baovao 2023 izao sy Fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny Fiadanana izao, dia manolotra ho antsika ny firarian-tsoa omban-tsodrano ho antsika i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, amin'ny alalan'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Morondava, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.
Amin'izao fanakalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy izao, dia mitondra hafatra sy firarian-tsoa ho antsika, i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo.
Isany mahatsara ny fifandraisan'ny mpianakavy ny fifankaherezana. Ny teny famporisihana dia singa azo kilasiana ho zava-dehibe indrindra eo amin'ny mpivady sy/na ny mpianaka. Ny fifankaherezana sy ny famporisihana dia fanalahidin'ny fahombiazana sy fanatsarana ny fifandrisana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny Jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany eo anilany i Sr Marie Jeannine Rasoarimalala sy Sr Marie Rosalie Razafindrasoa, ao amin'ny fikambanan'ny Masera Orsolinina zanakavavin'i Masina Maria tsy azon-keloka avy any Verone... ♦ Ilaina amin'ny fandanjalanja ny fiainam-panahy ny fampitahana azy amin'ny Soratra Masina sy ny foto-pampianaran'ny Eglizy, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy ny alarobia 21 desambra 2022... ♦ Nirary soa ireo mpandraharaha ao amin'ny Curie Romaine ny Papa François, mba ho mailo manoloana ny demony...
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 6, 10-20
Ry kristianina havana,
tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria!
ka hanadino ny asanareo,
sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany,
tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
Irinay haneho fahazotoana toy izany koa ianareo tsirairay avy
hitana ny fanantenanareo feno sy lavorary hatramin’ny farany,
mba tsy hiketraka ianareo,
fa hanahaka ireo mandova ny lova nampanantenaina
noho ny finoany sy ny faharetany.
Tamin’ny fampanantenana
nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama,
noho ny tsy fisian’ny lehibebe kokoa noho ny tenany,
dia nianiana tamin’ny tenany Izy.
Ka nanao hoe:
“Hosoaviko tokoa ianao sy hohamaroiko koa”;
ary nahazo ny nampanantena azy io Patriarka io,
satria niandry tamim-paharetana izy.
Fa ny lehibebe kokoa noho ny tenany
no ianianan’ny olona,
ary ny fianianana no ataony antoka
ka entiny manapaka ny fifandirana rehetra.
Koa mba hanehoan’Andriamanitra mazavazava kokoa
ny tsy fiovan’ny fikasany amin’ny mpandova ny fampanantenana
dia nohamafisiny tamin’ny fianianana izany,
mba ho zavatra roa tsy manam-piovana
sy tsy hain’Andriamanitra amitahana antsika
no hahazoantsika fanalana alahelo mahery;
fa efa mihazakazaka isika
hihazona ny fanantenana natolotra antsika.
Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina
sady mafy no tsy mihetsika,
ary miditra any anatin’ny efitra lamba,
dia any amin’izay efa nidiran’i Jesoa
ho Mpialoha antsika,
rahefa natao Mpisorombe mandrakizay
araka ny fomban’i Melkisedeka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 110, 1-2. 4-5. 9 sy 10d
Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo
am-pivoarian’ny olo-marina sy am-piangonam-be.
Lehibe ny asan’ny Tompo,
mampisaina izay rehetra tia Azy.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy.
Mangoraka sy antra ny Tompo.
Manome hanina ny matahotra Azy Izy,
fa mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay.
Nandefa fanavotana tamin’ny vahoakany Izy,
sy nanorina ny fanekeny ho mandrakizay.
Masina sy mahatahotra ny Anarany;
maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Aleloia. Aleloia.
Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa
fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 23-28
Indray sabata,
raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa,
dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany,
ka hoy ny Farisianina taminy:
“Jereo ange e,
nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin’ny sabata?”
Fa hoy Izy taminy:
“Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida
raha terin’ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy?
Fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy
tamin’ny andron’i Abiatara lehiben’ny mpisorona,
ka nihinana ny mofo alahatra
izay tsy misy mahazo mihinana afa-tsy ny mpisorona ihany,
sady nomeny mbamin’ny mpanaraka azy koa.”
Dia hoy koa Izy taminy:
“Ny sabata no natao ho an’ny olona,
fa tsy ny olona no ho an’ny sabata.
Koa ny Zanak’Olona dia tompon’ny sabata aza.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco