♦ Hoamasinina ho Evekan'ny Diôsezin'i Miarinarivo amin'ny volana mey ho avy izao i Mgr Rakotoharisoa Jean Claude. Manasa ny vahoakan'Andriamanitra hanatrika izany ny Diôsezin'i Miarinarivo... ♦ Hifarana anio ny fahafahan'ireo kandidà voahiliky ny OVEC hitondra fitarainana eny amin'ny CENI foibe. Hamoaka ny lisitra ôfisialy ny CENI ny faha-16-ny volana aprily izao... ♦ Nandrotsaka kandidà miisa 40 amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao ny antoko AREMA. Isan'ny kandidà nirotsaka any amin'ny distrika Mahanoro ny sekretera nasiônaly Annick Ratsiraka... ♦ Namerina ny antso efa nataony hisian'ny filaminana ao Ukraine, ny Tany Masina ary ny any Birmanie ny Papa François tamin'ny audience général...

[audio src="/images/sounds/jma-20240411.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...