♦ Amin'ny zoma izao no tokony hivoaka ny lisitra ôfisialin'ireo kandidà ho solombavambahoaka isan-distrika. Tsy maintsy mametra-pialàna mialoha izay ireo ministra hirotsaka ho fidiana... ♦ Mitaky mangarahara ny Transparency International eto Madagasikara amin'izao fifidianana solombavambahoaka izao. Tokony hanana zo mitovy ny kandidà rehetra hoy izy ireo... ♦ Manahy tandrevaka amin'ny fanomanana ny fanadinam-panjakàna ny Vovonan'ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara. Efa nisy ny olana tamin'ny nandraisana ny fisoratana anaran'ireo mpiadina... ♦ Vahoaka an-tapitrisany maro omaly no afaka nihanoka ny fijerena "tako-masoandro" tany Etazonia, Canada hatrany Mexique...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240409.mp3" background="#0099ffff"]

[Vaovao manokana] Alarobia 19 aogositra 2026

Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...