Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 3, 3b-10. 19)

Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao.

Tamin’izany andro izany,
i Samoela nandry tao an-Tempolin’ny Tompo
izay nisy ny fiaran’Andriamanitra;
dia nantsoin’ny Tompo i Samoela ka namaly hoe:

“Inty aho!”

Sady lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Helî, nanao hoe:

“Inty aho, fa niantso ahy ianao”.

Ary hoy i Helî;

“Tsy niantso aho, fa miverena mandry”;

Dia lasa izy nandry.
Nantsoin’ny Tompo indray i Samoela,
ka niarina i Samoela dia nankany amin’i Helî nanao hoe:

“Inty aho, fa niantso ahy ianao”.

Namaly i Helî hoe:

“Tsy niantso aho, anaka, fa miverena mandry”.

Tsy mbola nahalala ny Tompo i Samoela,
satria tsy mbola nanehoana ny tenin’ny Tompo izy.
Ary nantsoin’ny Tompo fanintelony indray i Samoela ka niarina,
dia nankany amin’i Helî, nanao hoe:

“Inty aho, fa niantso ahy ianao”.

Fantatr’i Helî tamin’izay fa ny Tompo no niantso ny zaza,
ka hoy i Helî tamin’i Samoela:

“Mandehana mandry,
fa raha misy miantso anao, valio hoe:
“Mitenena, ry Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao”.

Dia lasa i Samoela nandry tany amin’ny fitoerany.
Ary tonga ny Tompo ka nitsangana tao,
dia niantso toy ny taloha nanao hoe:

“Ry Samoela ô! ry Samoela ô!”

Dia namaly i Samoela hoe:

“Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao”.

Dia nitombo ho lehibe i Samoela sady nomba azy ny Tompo
ary tsy navelany ho raraka an-tany ny teniny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 39, 2 sy 4ab. 7-8a. 8b-9. 10

Inty aho, ry Tompo, mba hanao ny sitrakao.
na hoe: Ny teninao, Tompo ô, mamiko sy teliko; ny lalanao lalako, no sitrako.

Niandry ny Tompo aho ka niandry,
niondrika Izy, nihaino talaho,
hira vao no nataony teo am-bavako,
fiderana an’ilay Tompontsika.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra:
ny sofiko manko nosokafanao.
Tsy misy ilainao mihitsy
izay sorona dorana sy fanonerana;
Ka hoy aho hoe: Inty aho tamy.

Voasoratra amin’ny boky ny momba ahy:
ny manao ny sitrakao, no mamiko;
ny lalànao, ry Tompo, no ato am-poko.

Ny fahamarinanao, ry Tompo,
notorìko tamin’ny fiangonana;
ny molotro tsy nakomboko:
fantatrao tsara izany.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 6, 12e-15a. 17-20)

Rantsam-batan’i Kristy ny vatanareo.

Ry kristianina havana,
ny vatana tsy mba ho an’ny fijangajangana, fa ho an’ny Tompo;
ary ny Tompo, ho an’ny vatana.
Efa nanangan-ko velona ny Tompo Andriamanitra,
ka hanangana antsika amin’ny heriny koa.
Tsy fantatrareo va fa rantsam-batan’i Kristy ny vatanareo?
Ary izay miray amin’ny Tompo dia fanahy iray aminy.
Halaviro ny fijangajangana.
Ny fahotana hafa rehetra
dia ataon’ny olona any ivelan’ny tenany avokoa;
fa ny fijangajangana ihany no ataony amin’ny tenany indrindra.
Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo
dia tempolin’ny Fanahy Masina,
Izay mitoetra ao anatinareo,
sy noraisinareo tamin’Andriamanitra,
ka tsy anareo ny vatanareo?
Fa olom-boavidy lafo ianareo.
Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin’ny vatanareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 35-42)

Nahita izay nitoerany izy ireo, sy nitoetra teo aminy.

Tamin’izany andro izany,
teo i Joany sy ny mpianany roa lahy,
ka hoy izy nahatazana an’i Jesoa nandalo:

“Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra”.

Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo,
dia nanaraka an’i Jesoa.
Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka Azy,
dia nanao taminy hoe:

“Inona no tadiavinareo?”

Ary hoy izy ireo taminy:

“Raby, (izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika)
aiza Ianao no mitoetra?”

Dia hoy Izy taminy:

“Avia fa ho hitanareo”.

Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany,
sy nitoetra teo aminy tamin’iny andro iny;
ary tokony ho tamin’ny ora fahafolo tamin’izay.
I Andre rahalahin’i Simôna Piera no anankiray tamin’izy roa lahy
izay nandre ny tenin’i Joany ka nanaraka an’i Jesoa.
Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa
dia i Simôna rahalahiny ka nilazany hoe:

“Efa hitanay ny Mesia”
(izany hoe i Kristy, raha adika).

Dia nentiny nankany amin’i Jesoa izy,
ka nony nijery azy i Jesoa i dia nanao hoe:

“Ianao no i Simôna zanak’i Joany;
hatao hoe i Sefasy ianao”,
izany hoe, Piera (vato).

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Tsy sitrak'Andriamanitra ho fadiranovana ny olombelona ary efa hatramin'ny naharian'Andriamanitra an'izao tontolo izao no napetrany amin'ny toerana ampy ahasambatra azy izy sady nomeny adidy hanajary sy hiambina azy. Marina fa fanohizana ny asa fihariana ny asan'ny olombelona ary hanehoany ny voninahiny sy ny hasiny ka itovizany amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

♦ Samy manana ny heviny ny mpanara-baovao momba ny hanendrena ny Praiministra hitantana ny Governemanta vaovao. Misy ireo milaza fa tokony hisy ny fivoriana tsy ara-potoanan'ireo Solombavambahoaka, hanolorana ny lisitr'ireo izay hotendrena... ♦ Tokony hatsangana ny Ministera manokana misahana ny fanjifàna anatin'ny Governemanta vaovao hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH. Soson-kevitra naroson'izy ireo izany noho ny fitodihan'ny politikam-panjakàna amin'ny sôsialim-bahoaka... ♦ Mampitandrina amin'ny mety ho fahabetsahan'ny rotsak'orana ny Météo Madagasikara. Voakasik'izany fampitandremana izany ny Faritra Analamanga, Itasy ary Vakinankaratra, saingy ho hita taratra ny oram-baratra manerana ny nosy...

13 janoary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 13-17)

12 janoary 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 1-12)

Ny isa FITO (7) dia isa masina satria maneho fahafenoina izay lalan-tsaina nolovantsika malagasy tamin'ny tatsinanana,. Ny isa fito dia ahitana foto-teny "ITO" izay midika hoe tapaka ary io fiheverana io no anton'ny isa fito izay fatotra atao amin'ny faty mba ho fanapahana ny fifandraisany amin'ny velona sy ho fanapahana ny loza. Ny isa fito teo amin'ny malagasy dia midika ho haja sy voninahitra ary fahombiazana. Ny fomba malagasy dia ahitana taratra io isa io avokoa... 

11 janoary 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 40-45)

10 janoary 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 29-39)

Fandaharana "ampela miary" niarahana tamin-Ramatoa Margo. Ny fanomezana omena ny mpampianatra dia tsy tokony hiteraka fitanilana amin'ny fitantanana sy fanabeazana ny mpianatra. Ny fifohazan'ny fitiavana dia tsy misy lasitra na taona voafetra fa samy manana ny toe-pony ny olona rehetra. Amin'ny fitaizana ny zanaka dia mila manao ezaka ny ray aman-dreny na ireo tompon'andraikitra mba tsy handainga amin'ny mety ho famitàna zavatra iray. Tokony ho filamanatra foana ny raiamandreny sy ny mpampianatra... 

9 janoary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 21-28)

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 9, 1-4. 17-19 ; 10, 1a)

Io no lehilahy voalazan’ny Tompo antsoina hoe Saola, ary izy no hanjaka amin’ny oloko.

Nisy lehilahy anankiray avy amin’i Benjamina atao hoe i Kisy,
zanak’i Abiela, zanak’i Serora, zanak’i Bekorata, zanak’i Afià,
zanaky ny Benjamita anankiray;
lehilahy mahery fo izy io.
Nanan-janaka anankiray atao hoe i Saola izy,
izay sady mbola tanora no tsara tarehy;
tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin’ny zanak’i Israely rehetra,
ary nanatombo ny lohany izy amin’ny halavany noho ny olona rehetra.
Ary nania ny ampondravavin’i Kisy, rain’i Saola,
ka hoy i Kisy tamin’i Saola zanany:

“Mangalà mpanompo anankiray hiaraka aminao
dia mandehana mitady ny ampondra.”

Dia namaky ny tendrombohitr’i Efraima,
ary namaky ny tany Salisa izy, nefa tsy nahita.
Ary raha vao nahita an’i Saola i Samoela
dia hoy ny Tompo taminy:

“Io no lehilahy voalazako taminao,
izy no hanjaka amin’ny oloko.”

Nanatona an’i Samoela tao am-pamatonan’ny vavahady i Saola nanao hoe:

“Aza mahafady,
mba atoroy ahy kely ny tranon’ny mpahita.”

Dia hoy i Samoela tamin’i Saola:

“Izaho no ilay mpahita,
miakara eo alohako ho any amin’ny fitoerana avo,
fa hiara-mihinana amiko ianareo anio;
rahampitso vao halefako handeha ianao,
ary holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.”

Nalain’i Samoela ny tavoara nisy diloilo,
naidiny tamin’ny lohan’i Saola,
dia norohany izy, sady nataony hoe:

“Moa tsy nohosoran’ny Tompo ho mpifehy amin’ny lovany va ianao?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 20, 2-3. 4-5. 6-7

Tompo ô, ny Mpanjaka mifaly amin’ny herinao.

Tompo ô, ny Mpanjaka mifaly amin’ny herinao,
sy miravo aoka izany amin’ny Fandresenao!
Izay irin’ny fony omenao
ny vavaky ny molony tsy lavinao.

Tsenainao tso-drano mahasambatra izy;
ny lohany asianao fehiloha volamena.
Ny fiainana angatahiny omenao:
dia andro mitandavana mandrakizay.

Lehibe ny voninahiny noho ny Fandresenao:
fiandrianana sy laza no arakotrao azy!
Ataonao fitso-drano mandrakizay izy,
fenoinao hafaliana eo anoloanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 13-17)

Tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nivoaka ho any an-dranomasina,
ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra,
dia nampianatra azy Izy.
Raha nandalo Izy,
dia nahita an’i Levi zanak’i Alfe nipetraka tao amin’ny fandraisana hetra,
ka nanao taminy hoe:

“Andeha hanaraka Ahy.”

Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota maro
niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany;
fa maro ireo, ary nanaraka Azy.
Nony nahita Azy niara-nihinana tamin’ny poblikanina sy ny mpanota
ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina
dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana sy misotro
amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”

Raha nahare izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe:

“Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary;
tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 8, 4. 7. 10-22a)

Hitaraina ianareo noho ny amin’ny mpanjaka nofidinareo, nefa tsy hihaino anareo ny Tompo, satria nangataka mpanjaka ho anareo ianareo.

Tamin’izany andro izany,
nivory ny loholon’i Israely rehetra nankany amin’i Samoela, tany Ramà,
nanao taminy hoe:

“Ianao itý efa antitra ary ny zanakao tsy manara-dia anao,
koa mpanjaka toy ny an’ny firenena rehetra
no atsangano aminay hitsara anay.”

Tsy sitrak’i Samoela izany teny izany
noho izy ireo nanao hoe:

“Omeo mpanjaka izahay hitsara anay.”

Dia nivavaka tamin’ny Tompo i Samoela;
ary hoy ny Tompo tamin’i Samoela:

“Henoy ny feon’ny vahoaka araka izay rehetra holazainy aminao,
satria tsy mba ianao no ariany fa Izaho no ariany,
dia ny tsy hanjakako aminy intsony.”

Dia nambaran’i Samoela tamin’ny vahoaka nangataka mpanjaka taminy
ny tenin’ny Tompo rehetra, ka hoy izy:

“Izao no fahefana ampiasain’ny mpanjaka, izay hanjaka aminareo.
Ny zanakalahinareo halainy ary hampitaingenany ny kalesiny
sy hataony mpitaingin-tsoavaliny
ary hihazakazaka eo anoloan’ny kalesiny izy ireo.
Hataony mpifehy arivo, mpifehy dimampolo izy;
hampiasainy ny taniny, hampijinjainy ny variny,
hampanaoviny ny fiadiany, mbamin’ny forongon-kalesiny.
Ny zanakavavinareo halainy ho mpanamboatra zava-manitra,
ho mpahandro, ho mpanao mofo.
Ny tanimbarinareo, ny tanim-boalobokareo,
ny fototr’ôlivanareo tsara indrindra dia halainy
ka homeny ny mpanompony.
Ny ampahafolon’ny vokatra aman-tanim-boalobokareo halainy
ka homeny ny tandapa ama-mpanompony.
Ny mpanomponareo na lahy na vavy,
mbamin’ny ombinareo aman’ampondra tsara indrindra
halainy hampanaovina ny asany.
Ny ampahafolon’ny biby fiompinareo halainy,
ary ny tenanareo aza ho mpanompony.
Hitaraina ianareo amin’izany andro izany,
noho ny amin’ny mpanjaka nofidinareo,
nefa tsy hihaino anareo ny Tompo.”

Tsy nety nihaino ny feon’i Samoela akory ny vahoaka, fa hoy izy:

“Tsia, fa aoka ihany izahay mba hana-mpanjaka!
Dia mba ho toy ny firenena koa izahay;
ny mpanjakanay no hitsara anay,
hitari-dalana anay, ary hitari-tafika anay.”

Nony ren’i Samoela ny teny rehetra nataon’ny vahoaka
dia nolazainy indray ho ren’ny Tompo;
ka hoy ny Tompo tamin’i Samoela:

“Henoy ny feony ka manangàna mpanjaka ho azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 88, 16-17. 18-19

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo.

Tompo ô, sambatra ilay vahoaka mahay mihoby,
sy mandroso amin’ny hazavan’ny Tavanao,
sy mifaly amin’ny Anaranao tontolo andro,
sy mientana amin’ny Fitiavanao ny rariny.

Satria Ianao no reharehan’ny heriny,
ary ny Fitiavanao no manandratra ny tandrokay!
Eny, ny Tompo no Andrianay;
Ilay Masin’i Israely no Mpanjakanay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 1-12)

Manam-pahefana etý an-tany hanafaka ny fahotana ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia niditra indray tao Kafarnaôma.
Nony re fa hoe tao an-trano Izy,
dia nivory betsaka dia betsaka ny olona,
ka tsy nisy hitoerana intsony na dia hatrany anoloan’ny varavarana aza;
dia nitory teny taminy Izy.
Tamin’izay dia nisy nanatona Azy nitondra lehilahy malemy anankiray,
izay nolanjain’olona efa-dahy.
Tsy afa-nanatona Azy anefa izy ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka,
ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany;
nony voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana nandrian’ilay malemy.
Ary i Jesoa nony nahita ny finoan’ireo,
dia nanao tamin’ilay malemy hoe:

“Anaka, voavela ny helokao.”

Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo,
ka nanao anakampo hoe:

“Ahoana no itenenan’ilay itý toy izany?
Miteny ratsy an’Andriamanitra lahy Izy.
Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany?”

Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay
fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo ka hoy Izy taminy:

“Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo?
Inona no moramora kokoa, ny manao amin’itý malemy itý hoe:
Voavela ny helokao,
sa ny manao hoe:
Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana?
Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manam-pahefana etý an-tany hanafaka ny fahotana,
dia izao no lazaiko aminao, (hoy Izy tamin’ilay malemy):
Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.”

Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nibata ny fandriany,
ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra;
hany ka talanjona izy rehetra
sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:

“Tsy mbola nahita tahaka izany izahay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...