Vakiteny voalohany
Boky faharoan’ny Mpanjaka (2 Mpj 5, 1-14)
Ny nahasitrana an’i Naamàna.
I Naamàna, komandin’ny tafiky ny mpanjakan’i Siria
dia lehilahy manam-pahefana sy to teny teo amin’ny tompony,
fa izy no namonjen’ny Tompo ny Sirianina;
nefa boka izany lehilahy matanjaka sy mahery fo izany.
Fahizay kosa nisy Sirianina nanao andiany ka nivoaka,
ary nitondra zazavavikely anankiray avy amin’ny tanin’i Israely,
izay tonga mpanompon’ny vadin’i Naamàna.
Ary hoy io tamin’ny mpanompovaviny:
“Raha mba any amin’ilay mpaminany any Samaria mantsy ny tompoko lahy,
dia hositranin’ny mpaminany amin’ny habokany tokoa!”
Ka lasa i Naamàna nilaza izany tamin’ny tompony hoe:
“Izao sy izao no nolazain’ilay zazavavy kely,
avy amin’ny tanin’i Israely.”
Dia hoy ny mpanjakan’i Siria:
“Makanesa any,
ary ampitondraiko taratasy ny mpanjakan’i Israely”.
Dia lasa izy, sady nitondra talenta volafotsy folo, sy volamena enina arivo sikla,
ary akanjo impolo miova.
Nateriny tamin’ny mpanjakan’i Israely ilay taratasy misy manao hoe:
“Rehefa tonga ety aminao àry ity taratasy ity,
dia indro hofantarinao fa nirahiko ho aty aminao i Naamàna mpanompoko,
mba hositraninao amin’ny habokany”.
Nony voavakin’ny mpanjakan’i Israely ny taratasy
dia notriariny ny fitafiany, ka hoy izy:
“Izaho angaha Andriamanitra mahay mamono sy mamelona
no anirahan’ilay iny olona ho aty amiko hositraniko amin’ny habokany?
Fantaro sy zahaonareo fa filàny ady amiko izao.”
Vao nandre i Elisea olon’Andriamanitra fa hoe:
notriarin’ny mpanjakan’i Israely ny fitafiany,
dia naniraka izy hilaza amin’ny mpanjaka hoe:
“Nahoana ianao no nandriatra ny fitafianao?
Aoka hankaty amiko izy
dia ho fantany fa misy mpaminany eto amin’i Israely.”
Dia nandeha i Naamàna mbamin’ny soavaly aman-kalesiny,
ka nijanona teo am-baravaran’ny tranon’i Elisea.
Olona no nirahin’i Elisea hilaza aminy hoe:
“Mandehana mandro impito ao Jordany,
fa hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.”
Tezitra i Naamàna, ka lasa niombotra nanao hoe:
“Indro aho nanao anakam-po hoe:
hivoaka hankaty amiko izy,
ny tenany no hiseho eo anatrehako hiantso ny anaran’ny Tompo Andriamaniny
sy hanevaheva ny tanany eo ambonin’ny fery, dia hahasitrana ilay boka.
Tsy tsara noho ny ranon’i Israely rehetra va i Abàna sy Farfara onin’i Damasa?
Tsy mahazo mandro amin’ireo va aho, ka hadio?”
Dia nihodina izy ka lasa niombotra an-katezerana.
Fa nanatona kosa ireo mpanompony, ka niteny taminy hoe:
“Ry ikaky ô, na zava-tsarotra aza no nasain’ny mpaminany nataonao
moa tsy ho nataonao ihany va?
Ka mainka fa izao fotsiny no nataony taminao:
Mandroa dia hadio ianao!”
Nidina izy ka nisitrika impito tao Jordany araka ny tenin’ny olon’Andriamanitra
ary tonga toy ny nofon-jazakely indray ny nofony, ka nadio izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
{Salamo fandinihana}
Tompo ô, henoy vavaka aho.
Tompo ô, henoy vavaka aho!
Aoka ho tonga aminao ny tarainako!
Aza anafenan-tava aho
amin’ny andro fahoriako
Itongilano sofina, valio faingana,
amin’ny andro iantsoako.
Ka hatahotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena,
ny voninahitrao, ny mpanjaka rehetra eran-tany!
Ny Tompo mantsy hanorina an’i Siôna,
ka hiseho anatin’ny voninahiny,
hanatrika ny vavak’ilay norobaina,
tsy hanosika ny talohan’izy ireo.
Soraty izany ho an’ny taranaka any aoriana:
ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho ary!
Avy any an-toerany masina ambony Izy no mitsinjo:
avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany:
hahenoany ny senton’ny mpifatotra,
hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.
Vakiteny faharoa
Taratasin’i Masindahy Jakôba (Jak. 5, 13-16)
Hamonjy ny marary ny vavaky ny finoana.
Misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka.
Misy mifaly? Aoka izy hihira fiderana.
Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran’ny Eglizy;
ary aoka ireo hivavaka ho azy ka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo.
Ary ny vavaka atao am-pinoana hamonjy ny marary;
dia hanamaivana ny rofiny ny Tompo, ary hamela izay heloka vitany.
Koa mifampieke fahotana ianareo;
ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo;
fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina amin-kafanam-po.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ny aretintsika no nentin’i Kristy ary ny fahoriantsika no nivesarany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk 1, 40-45)
Ny nanasitranana ilay boka.
Tamin’izany andro izany nisy boka anankiray nanatona an’i Jesoa
nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe:
“Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.”
Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany,
dia nanendry azy sy nanao taminy hoe:
“Mety aho, madiova ianao”.
Vantany vao niteny Izy,
dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy.
Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa sady namepetra azy mafy nanao hoe:
“Tandremo, aza milaza izany na amin’iza na amin’iza Ianao,
fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona,
ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy,
mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka.”
Kanjo nony lasa ralehilahy
dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza,
hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa,
fa nitoetra teny ivelany tamin’ny mangingina Izy,
ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.