Ny fanomezana tsara indindra amin'ny fanambadiana dia ny zanaka, tsy zo takina ny zanaka fa fanomezana. Tsy azo heverina ho toy ny fananan-javatra manokana ny zanaka, sao amin'izany no hitarika fanamarinam-piamboana fa zo ny hanan-janaka. Ny hanambadiana hiterahana, nataon'Andriamanitra lahy sy vavy ny olombelona hameno ny tany, mba ho maro fara ary hiha betsaka. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
♦ Ny ady ho amin'ny fitovian-jo sy fampanajana ny zon'ny vehivavy, no mbola takiana ho antsika eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika, Mialy Rajoelina, tany Toamasina... ♦ Mitaraina ireo mpandraharaha enina nahazo alalana hanondrana volamena any ivelany, fa nampakarin'ireo mpitrandraka any ifotony ny vidin'ny volamena... ♦ Nanjaka ny asan-dahalo tao amin'ny Fokontany Rangaina, Kaominina Fiaferana, Distrikan'Avaradrano. Nahazo “Poste fixe” ho an'ny zandary ity Fokontany ity...
♦ Naverina nosokafana ao Addis-Abeba, Ethiopie tamin'ny 13 febroary 2024 ny Biraom-pifandraisan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara amin'ny Vondrona Afrikanina... ♦ Fanamby ho an'ny Salezian'i Don Bosco ny hanangana tontolo vaovao, araka ny fivoaran'izao tonotolo izao, hoy ny Recteur Majeur, ny Kardinaly Ángel Fernández Artime, tamin'ny fitsidihana miaraka nataony, ho an'ny Faritra Afrika sy Madagasikara... ♦ Hotanterahana ao Rôma ny 20 avrily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Kardinaly Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco maneran-tany...
♦ Omena sehatra ao anatin'izao vaovao antoandro izao ireo vehivavy, amin'ity datin'ny 8 marsa ity... ♦ Tsy misy fanavahana fa iharan'ny sazy avoko ireo rehetra voaheloka amin'ny fanolanana, ary efa nanome toromarika ny hampiharana ilay fehezan-dalàna famaizana mikasika ny fanolanana, ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Efa manomboka milamina ny ao Manakara, tao aorian'ny fivoriana notarihan'ny Préfet any an-toerana...
Hankalaza ny andron'ny 8 marsa, andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy ny vehivavy. Tsy diso anjara amin'izany ny malagasy vehivavy tantsaha. Any Toamasina no hanaovana ny hetsika ôfisialy ; maro ny hetsika hanehoana izany... Maro ireo fikambanam-behivavy misiki-ponitra miantsehatra amin'ny fampivoarana ny famokarana any amin'ny toerana misy azy na ny famokarana tantanam-pianakaviana eto Madagasikara.
♦ Natokana hanamarihana ny ady ho an'ny fitovian-jo feno ho an'ny vehivavy, ny andro anio 8 marsa... ♦ Tsy maintsy hirosoana ny fampiharana ny lalàna vaovao, ho an'ireo izay tratra manolana, hoy ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina... ♦ Miandrandra zotram-pifidianana malalaka, mangaragahara sy mampiaty ary azo itokisana, ireo fiarahamonim-pirenena miisa 22...
Volana marsa no hiresahana manokana ny zon'ny vehivavy. Marihana isaky ny 8 marsa ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivevy. Maro no mihevitra fa fety fotsiny io andro io, tsy izay anefa fa fotoana iray hahafahana mampatsiahy ireo karazan-jo hananan'ny vehivavy sy hitakiana ireo zo mbola tsy voahaja. Betsaka ny zon'ny vehivavy izay voahosihosy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Ny firenena izay manaiky ny fanalan-jaza ho ara-dalàna dia tsy mba firenena hampianatra ny olona ao aminy hitia, fa manome lanja ny herisetra mba hahazahoana izay ilainy. Izany no mahatonga ny fanalan-jaza ho fitaovana iray mamotika ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana eto an-tany. Na mbola tsy äry tongotra sy tanana azy ny atody ao ankibon'ny vehivavy dia efa aina. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
♦ Hitombo ny isan'ireo Solombavam-bahoaka handrafitra ny Antenimieram-pirenena. Misy ny kajikajy pôlitika ataon'ny fitondrana amin'izany, hoy ireo mpisehatra pôlitika sasantsasany... ♦ Nanamafy ny hirosoana amin'ny fampiharana ilay lalàna vaovao ho an'ireo mpanolana zaza ny Filoham-pirenena, androany... ♦ Nitombo avo enina heny, raha mitaha tamin'ny telo taona lasa, ireo Malagasy manao fizahan-tany anatiny. Tafakatra 63.000 ny isan'izy ireo tamin'ny taona 2023, araka ny antontan'isan'ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahan-tany...
♦ Hitohy hatramin'ny rahampitso ny oram-baratra amin'ny tapany atsimon'ny nosy. Mahazo fampitandremana miloko mena ny Faritra Atsimo-Atsinanana sy ny Distrika sasany ao amin'ny Faritra Anosy, Atsimo-Andrefana ary Menabe... ♦ Nampitomboana iray ka lasa 120 ny isan'ny disitrika eto Madagasikara. Natsangana ho distrika nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly ny ao Antanimora-Atsimo... ♦ Lesoka amin'ny fanomezana traik'efa ny tanora eto amintsika hoy nySendikan'ny Indostria eto Madagasikara ny tsy fahafahan'ny orinasa amin'ny sehatra tsy miankina mandray tanora manao fizaran'asa... ♦ Miantso ny fampisaharana haingana ny ady any Gaza ny fanjakàna any Chine...
♦ Nanao hetsika nanapaka lalana sy nandoro kodiarana omaly ny andian'olona eny amin'ny Fokontany Andohatapenaka-I ao Antananarivo renivohitra. Misy mivarotra an-tsokosoko ny tanin'izy ireo ka manaitra ny tompon'andraikitra mahefa izy ireo hanara-maso akaiky izany... ♦ Hanome tantsoroka ny federasiôna ivondronan'ny vehivavy mpandraharaha ao amin'ny faritry ny COMESA amin'ny fanatontosana ny tsenabe iraisam-pirenena Trade Fair andiany fahadimy atao eto Madagasikara ny ministera misahana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra... ♦ Miatrika ny fanadinam-panjakàna fihodinana faharoa ireo mpianatry ny CNETMAD manodidina ny 17.000 miparitaka amin'ny ivon-toerana miisa 51 manerana ny Nosy...
Misy ny olana ateraky ny fanalan-jaza ; ny hoe fanalan-jaza dia teny somay malefaka amin'ny teny malagasy fa raha atao amin'ny dikan-teny hafa dia hoe "famonoana zaza na famonoana olona". Ireo fiantraikan'ny fanalan-jaza amin'ny olona : tsy mampilamina ny saina ka lasa manameloka ny tenany ilay olona ; ara-batana dia mety hiteraka aretina sy famoizan'aina ; fahasimban'ny tranon-jaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco