♦ Misy sahady ny fitsabahan'i Lafrantsa amin'ny fananganana Governemanta eto Madagasikara, hoy ny mpamakafaka raharaha pôlitika, Toavina Ralambomahay. Nambarany fa hita taratra izany tamin'ilay taratasy fiarahabana nalefan'ny Filoha frantsay... ♦ Nidoboka eny amin'ny fonjan'i Tsiafahy ireo mpitandro ny filaminana voarohirohy tamin'ilay tranga fakana an-keriny tany Ankazobe. Nisy ireo naiditra am-ponja sy ireo napetraka ambany fanaraha-mason'ny Fitsarana... ♦ Nidinika teny Mahazoarivo androany ny Governemanta mpisolo toerana sy ny Vondron'ny mpandraharaha ara-tsolika...

Manao ny tomban'ezaky ny Fandaharana EVA niandraiketany ny solontenan'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Pastooralin'ny Fahasalamana. Tsiahivina ny loha-hevitra nifampizarana nandritra ny taona ary angatahina amin'ny mpihaino ny heviny sy ny soso-kevitra hanatsarana sy hifampizarana amin'ny taona ho avy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...

Ny mpiasa tany amin'ny angadin'omby dia hireharehany ny asany ary ny resaka ataony dia tsy misy afa-tsy mahakasika ny asany. Ny mpandrafitra sy ny mpanorina trano dia tsy mikely soroka amin'ny asany, ny mpanao sary sokitra dia mitady fomba hahatsara ary manovaova ny sary asehony. Ny mpanefy dia miaritra ny hafanana sy ny enton'afo ary ny kotaba amin'ny fivelesana ny vy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

♦ Milanja sora-baventy mihazo ny tanànan'i Ihosy ireo mponina ao amin'ny tanànan'i Ifandana, Kaominina Zazafotsy. Hihaona amin'ny tompon'andraikitra izy ireo ary hitady ny marina momba ny olana ara-tany sedrainy ankehitriny... ♦ Mbola mamita sazy ao amin'ny fonjan'i Tsiafahy Andriamatoa Paul Rafanoharana hoy ny ministeran'ny Fitsaràna. Tsy marina ny feo miparitaka amin'izao fotoana izao fa nalefa any Frantsa izy... ♦ Mbola mila ezaka goavana ny fanatsaràna ny tontolon'ny fizahan-tany eto Madagasikara mba hanatratrarana ny vina napetraka amin'ny mpizahan-tany ho tonga eto amintsika. Azo atao tsara ny manatratra mpizahan-tany iray tapitrisa eto amintsika hatramin'ny taona 2028 hoy ireo mpandraharaha misehatra amin'izany...

Manana ny toerana manokana ary manan-danja ny safidy eo amin'ny fanatsarana ny fiainana. Aoka tsy hatao ambanin-javatra ny safidy ary mizàra maneho safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

20 janoary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 20-21)

19 janoary 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 13-19)

18 janoary 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 7-12)

17 janoary 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 1-6)

16 janoary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 23-28)

15 janoary 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 18-22)

14 janoary 2024 — Alahady Tsotra faharoa Mandavantaona — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 35-42)

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...