♦ Manoloana ny fetin'ny paka sy ny toe-draharaha eto amin'ny firenena dia namoaka hafatra ny avy amin'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara... ♦ Very hasina ny tolom-panafahana nataon'ireo maery fo tamin'ny taona 1947 hoy ny mpitolona Bekotromaroholatra... ♦ Misokatra ny OVEC manerana ny nosy amin'izao fetin'ny Paka izao sy ny faran'ny herinandro, mandray sy mikirakira ny taratasy mikasika ny fifidianana solombavambahoaka... ♦ Lany ho filoha ao Sénégal ilay mpanohitra Bassirou Diomaye Faye...

Alahadin'ny paka : Nitsanga-ko velona tokoa i Jesoa ; efa voavono i Kristy izay Paka  ho antsika ao amin'ny Tompo. Tsy zavatra efa lasa no ankalazaintsika amin'ny Paka fa tena miditra ao amin'ny Misterin'ny Pakan'i Jesoa isika olombelona, dia izy nijaly sy maty ary nitsanga-ko velona. Isaky ny manao ny Sorona Masina ny Eglizy dia mankalaza ny Pakan'i Jesoa. Isaky ny manatrika ny lamesa sy mankalaza ny Paka isika dia mihaona amin'i Jesoa tafatsangan-ko velona. Ny fijoroana vavolombelona dia mitaky fiovan-toetra, satria efa nodiovin'i   Jesoa, rehefa resiny ny fahafatesana, dia ny toetra ratsy sy ny tsy mety natao teo aloha, ary izany no ezaka amin'izao Paka izao, ka mba ho hafaliana ho ao an-tokantrano...

♦ Samy nodidin'ny HCC hiala tsy ho parlemantera intsony na ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa, na Razafimahefa Herimanana izay Filohan'ny Antenimieran-doholona teo aloha... ♦ Nampita hafatra ankolaka ho an'ireo nitsikera ny tolom-bahoaka eto amin'ny firenena ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana 1947... ♦ Miaina anaty rano ny any Ambilobe vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza, miantso vonjy ankoatra izay ireo mponin'i Toamasina izay milomano anaty rano... ♦ Tamin'ny alalan'ny fahita-lavitra no nanarahan'ny Papa François ny lalan'ny Hazofijaliana omaly Zoma Masina...

♦ Nampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny fanosorana maha pretra, ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Raoelison Jean de Dieu, nandritra ny Sorona Masina fanamasinana menaka, teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, teny amin'ny EKAR Antanimena... ♦ Mihena hatrany ny herin'ilay rivodoza Gamane, any amin'ny tapany avaratry ny nosy. Betsaka ny fahasimban'ny fotodrafitrasa naterany. Tanàna maro no dibo-drano ao amin'ny Faritra Sava sy Diana ary Analanjirofo...

Ao anatin'ny Herinandro Masina dia tokony hanana ny lanjany ny fanantenana sy ny famonjena, izay mifanaraka tsara amin'ny loha-hevitry ny fandaharana teo aloha. Ny fifananjana dia miainga amin'ny fomba fiankanjo, fiteny. Ny fifampitokisana no mitondra eo amin'ny fahamarinana mitarika fifankatiavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Miisa 891 ireo Pachypodium na Vontaka tratra tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, saika hahondra an-tsokosoko any ivelany... ♦ Very hasina ny fierenena no sady afa-baraka, hoy ny Fikambanan'ny Zanaky ny Faritra Atsimo Atsinanana, manoloana ny antsojay mihatra amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena amin'izao... ♦ Nahazo ivon-toerana "Centre Bébé Kangourou", hikarakarana manokana ireo zaza teraka tsy tonga volana sy tsy ampy lanja, ny hôpitaly eny Anosy Avaratra, Antananarivo Avaradrano...

♦ Mbola nitoetra ao amin'ny Kaominina Ampisikinana, Distrikan'i Vohemar, ilay Cyclone Tropical Gamane, tamin'ny 9 ora maraina teo. Mihatra hatrany ny filazana loza mitatao ho an'ny Faritra Diana sy Sava, na dia mihena aza ny heriny... ♦ Nisokatra androany ary haharitra 12 andro ny fandraisana ny antotantaratasy firotsahan-ko fidiana ho Solombavam-bahoaka... ♦ Hanao hetsika fanentanana hiantohana ny Paka hieren-doza amin'ity taona ity, ny fitantanana ankapoben'ny fiarovana ny loza an-dalambe na ny DSGR. Hiasa avokoa ireo ivon-toerana fitsarana fiarakodia manerana ny nosy, amin'ny faran'ny herinandro izao...

♦ Hipaka anio ao amin'ny morontsirak'i Sava, amin'ny tanjaka Cyclone Tropical, ilay rivodoza Gamane niforona tao amin'ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Manentana ny tsirairay handray andraikitra amin'ny fiainam-pirenena amin'ny maha olom-pirenena ny FFKM, amin'ny fifidianana ho avy. Isan'izany ny fijerena sy ny fanamarinana ny anarana ao anatin'ny lisitry ny mpifidy... ♦ Tsy mandray anjara araka ny tokony ho izy amin'ny fitomboan'ny arin-karena faobe sy ny fampihenana ny tahan'ny fahantrana, ny firafitry ny tanan-dehibe eto Madagasikara, araka ny fanadihadiana nataon'ny Banky Iraisam-pirenena...

♦ Hipaka any amin'ny morontsirak'i Sava, rahampitso tolakandro na alina, amin'ny tanjaka Cyclone Tropical na Cyclone Tropical Intense, ilay rivodoza Gamane niforona tao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Mety hahatratra 150 hatramin'ny 165 km/h ny rivotra hiaraka aminy... ♦ Manentana ny tsirairay handray andraikitra amin'ny fiainam-pirenena amin'ny maha olom-pirenena ny FFKM, amin'ny fifidianana ho avy. Isan'izany ny fijerena sy ny fanamarinana ny anarana ao anatin'ny lisitry ny mpifidy...

♦ Tompon'antoka amin'ny fahapotehana sy ny fahantran'ny firenena ny mpanao pôlitika mpamadika palitao, hoy ny Sekretera Nasiônalin'ny antoko TGV... ♦ Mandray anjara amin'ny fampivoarana ny fanabeazana eto Madagasikara ny orinasa Ravinala Airports. Nanavao ny efitrano sy ny trano famakiam-boky tetsy amin'ny EPP Ivato Tanàna ity orinasa ity... ♦ Nivadika ho rivodoza Gamane, ilay faritra andro ratsy tao amin'ny Ranomasimba Indiana...

♦ Fihetsika fanakorontanana sy fikasana fanonganam-panjakàna no ataon'ny filohan'ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa hoy ny solombavambahoaka mivondrona ao amn'ny IRD... ♦ Hamafisina ny fiarovana sy ny fisorohana ny loza etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, nahazo fitaovana ilaina amin'izany avy amin'ny Masoivoho Frantsay ny kaompanian'ny zandarimariam-pirenena Ivato Aéroport... ♦ Nahazo milina fanodinana ny voamaina ho lafarinina ny any amin'ny distrika Ambato-Boeny, tafiditra amin'ilay tetik'asa ODOF izy io... ♦ Nandresy vonjy maika tamin'ny fifidianana filohan'ny repoblika tany Sénegal ny alahady teo ny kandidan'ny mpanohitra Andriamatoa Bassirou Dio Maye Faye...

♦ Fihetsika fanakorontanana sy fikasana hanongam-panjakana no ataon'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, hoy ny Solombavam-bahoka mivondrona ao amin'ny IRD... ♦ Ho fanamafisana ny fiarovana sy ny ho fisorohana ny loza etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, dia notoloran'ny DCIS, eo anivon'ny Masoivoho frantsay, fiara tsy mataho-dalana, ny Kaompanian'ny Zandarimariam-pirenena etsy Ivato... ♦ Misy andro ratsy miforona any amin'ny 168 km, avaratra atsinananan'i Vohemar...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...