♦ Miatrika ny fivoriana ara-potoana faharoa amin'ity taona ity ny andrim-panjakàna mpanao lalàna eto Madagasikara. Niresaka ny olan'ny herinaratra eto misy ankehitriny ny filohan'ny antenimieram-pirenena. Nanipy resaka tamin'ny mpirotsaka ho fidiana ben'ny tanàna kosa ny filohan'ny antenimieran-doholona... ♦ Resahana mandritra ny fikaonandoha siantifika iraisam-pirenena eny amin'ny sekoly ambony momba ny siansa ho an'ny fambolena eny amin'ny oniversiten'Antananarivo ny anjara birikin'ny harena voajanahary amin'ny fampandrosoana. Fikaonandoha telo andro hatramin'ny rahampitso... ♦ Nahazo fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fonja vaovao ny distrikan'Antananarivo Avaradrano...

[audio src="/images/sounds/jmi-20241016.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...