♦ Hivory ara-potoana indray ireo Parlemanta eto Madagasikara manomboka anio. Fivoriana, handaniana indrindra indrindra ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2025... ♦ Nakàna hevitra ireo rafi-pitsaràna samihafa eto Madagasikara hamolavolana ny paik'adim-pirenena iadiana amin'ny kolikoly. Misy ny atrik'asa hiresahana izany, mandritra ny roa andro... ♦ Fiara madinika 4 no nofahon'ny camion mpitondra hazo teny Ankorondrano, omaly hariva. Netsehan'aretina ilay mpamily io fiarabe io, ka namoy ny ainy teo am-pamiliana... ♦ Mihitatra any avaratr'i Liban ny fanafihana ampitaindavitra ataon'i Israely, olona 18 no fantatra fa maty tany Aitou, Vokatr'izany, omaly...

[audio src="/images/sounds/jma-20241015.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...