♦ Nitondra fanazavana momba ilay fangatahana didim-pitsaràna hafahana misoratra anatin'ny lisitry ny mpifidy na ilay antsoina hoe "ordonnance" ny mpampakatenin'ny CENI Soava Andriamarotafika... ♦ Hihatra ny fepetra vonjimaika mba hisorohana ny fanakanana ireo mpanao gazety mandrakotra vaovao eny amin'ny lapan'ny antenimieram-pirenena, mila mitondra ny karatra maha mpanao gazety matianina na karatra avy amin'ny orinasa hiasany ny mpanao gazety... ♦ Tra-tehaky ny polisim-pirenena tany Sambava ny lehilahy iray 34 taona mpisoloky amin'ny resaka fandefasana olona hiasa any Canada, an-jatony no efa voasolokiny ary vola hatrany amin'ny 200 tapitrisa ariary no efa lasany...

[audio src="/images/sounds/jma-20241017.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...