♦ Hotanterahana manomboka ny alatsinainy 22 jolay 2024, ny fanadinam-panjakana bakalôrea. Efa nisokatra ny 13 febroary ary hifarana ny 26 aprily 2024 amin'ny 6 ora hariva, ny fisoratana anarana ho an'ireo mpiadina... ♦ Nazoto nanoratra ny anarany teo anivon'ny Fokontany ireo olom-pirenena. Hifarana vonjimaika amin'ny faran'ity volana febroary ity, ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy... ♦ Maro ireo lesoka mila harenina amin'ny fomba fiteny sy fitsipika ary fanoratana ny teny malagasy, hoy ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina...

♦ Nifarana vonjimaika androany, ny fampidirana mpifidy anatin'ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana. Nihoatra ny tombana napetraky ny CENI, ny isan'ireo olom-pirenena vaovao voasoratra anaty lisitra... ♦ Mitaky ny hampitsaharana tanteraka ny tetik'asa fitrandrahana fasimainty ataon'ny orinasa Base Toliara, ny firaisan-kinan'ny mponina voakasik'izany... ♦ Mbola mitohy amin'ny toerana maro manerana ny nosy ny rotsak'orana, androany hatramin'ny alahady izao. Faitra maromaro no nahazo fampitandremana avy amin'ny Météo...

♦ Namoizana ain'olona ny orambe misy amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy ankehitriny. Teto Antananarivo ny roa ary tany Mandoto ny 2 hafa. Maherin'ny 4.000isa ireo tra-boina hoy ny BNGRC... ♦ Naneho ny tsy fankasitrahana ny hanaovana ny fifidianana eny anivon'ny kaominina aorian'ny fifidianana solombavambahoaka ny fiaraha-monim-pirenena FIVATO. Naneho hevitra toa izany koa ny Humaniste Ecologiste... ♦ Efa milamina ny any Mandoto hoy ny solombavambahoaka Rakotorahalahy Modeste taorian'ny asan-dahalo nahazo laka tany amin'ity distrika iray any Vakinankaratra ity tamin'ny taon-dasa...

Ny fitiavana dia mifototra amin'ireto teny telo ireto : fifampitokisana, fifanajana, fitiavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Mitombo ny isan'ny tanora eo anelanelan'ny 17 ka hatramin'ny 25 taona mitondra ny tsimok'aretina VIH SIDA eto Madagasikara. Natoritory ny ady atao amin'ity aretina ity taorian'ny valan'aretina COVID hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Mitaraina ireo mpiasa manana toerana ambony any amin'ny orinasa tsy miankina fa niakatra be ny hetra IRSA alaina amin'ny karama... ♦ Mbola malalaka ny tsena ho an'ny famokarana tantely eto Madagasikara. Manana fiaraha-miasa ahafahana manondrana vokatra hatrany amin'ny 18 taonina isan-taona ny ao amin'ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra... ♦ Miantso ny fitondrana israeliana hampitsahatra ny fanafihana any Gaza ny filoha Frantsay...

♦ Nitombo be ny isan'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina VIH/Sida eto Madagasikara. Ny tanora, indrindra ny zatovovavy 17 hatramin'ny 25 taona, no maro voan'izany... ♦ Hanohana an'i Madagasikara amin'ny adisisika hiarovana ny vidin'ny lavanila eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, ny Fandaharan'asa CIR (Cadre Intégré Renforcé)... ♦ Hamafisina ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin'i Madagasikara sy i Frantsa. Isan'izany ny fanofanana miaramila, misy koa ny fanazaran-tena iarahana amin'ny FAZSOI...

♦ Nahatratra 13 isa ireo trangana fanolanana niseho nanerana an'i Madagasikara hatramin'ny volana janoary no nakaty, tranga izay feno habibiana ny ankamaroany ary misy no miafara hatramin'ny fahafatesan'ilay niharam-boina hoy ny Ministry ny Fitsaràna... ♦ Miisa 20 isa amin'izao ireo olona voamarina fa misandoka ny asan'ny infirmier, sady tsy manana ny fahaiza-manao no tsy manana marim-pahaizana mifandraika amin'izany, raha ny hita tamin'ny fidinana ifotony nataon'ny holafitra... ♦ Hanarina ny fahatarana tamin'ny sehatry ny fampandrosoana ny firenena tato anatin'ny 60 taona ny fitondrana hoy ny filoha Rajoelina Andry raha nandray fitenenana tamin'ilay fihaonana an-tampon'ny governemanta maneran-tany any Emirat Arabes Unis ...

♦ Olona 11 nomoy ny ainy, 25 hafa tsy hita popoka noho ny fisian'ny rano trambo tany amin'ny Distrikan' Benenitra, Faritra Atsimo-Andrefana, araka ny tatitra vonjimaika avy amin'ny BNGRC... ♦ Lavon'ny balan'ny zandary ny ben'ny tanàna ny kaominina ambanivohitra Tsimafana Distrika Belo-sur-Tsiribihina, izy izay voalaza fa isan'ny mpiray tsikombakomba amin'ireo dahalo mpaka ankeriny any an-toerana... ♦ Tafajoro ary nampahafantarina teny Antaninarenina omaly ny vondrona "kolektifan'ny Malagasy hanohy ny tolona nataon'ireo kolektifan'ny kandida tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo...

♦ Nifampitaona teny amin'ny ESCA Antanimena androany, niara-nakalaza ny Andron'ny Sekoly Ambony Katôlika, ireo sekoly ambony miisa valo mivondrona ao amin'ny ESSCATHO, eto Antananarivo sy ny manodidina... ♦ Nanangana vovonana pôlitika hafa indray, izy dimy mirahalahy nandrafitra ny vondron'ny kandidà 11. Nijoro androany ny “Kolektifa an'ny Malagasy”... ♦ Tsy mankasitraka ny hamindrana ny Distrikan'i Marolambo ho ao amin'ny Faritra Mangoro hijoro tsy ho ela, ny Fikambanan'ny terak'i Marolambo...

♦ Marihina androany 13 febroary ny andro maneran-tany ho an'ny Radio. Hisy anio manomboka amin'ny 2 ora tolak'andro ny hetsika fanamarihana izany, miainga mivantana amin'ny Onjam-peom-pirenena... ♦ Tahotra ny mpanohitra hahazo ny fitantanana an'Antananarivo no nanemorana ny fifidianana ben'ny tanàna amin'ny volana novambra, hoy ny Vovonana Gasy Leo... ♦ Vinavinaina hiakatra 3,42% ny mpifidy voasoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Hitombo maherin'ny 370.000 ny isan'ny mpifidy, aorian'ny famaranana vonjimaika ny lisitra hoy ny Ceni... ♦ Mihamafy ny tsindry avy amin'ny iraisam-pirenena ho an'i Israel sy Palestine, amin'ny tokony ahitàna fifanarahana mba hitsaharan'ny adin'ny roa tonta any Gaza...

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 5, 1-4)

Pretra toa azy koa aho ary vavolombelon’ny fijalian’i Kristy.

Ry malala,
mihanta amin’ny Pretra eo aminareo aho,
dia izaho izay Pretra toa azy koa,
sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy,
ary mpiombona amin’ny voninahitra izay haseho koa:
fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo;
aoka ianareo hitandrina azy ireo,
tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra;
tsy amim-pitiavam-bola fa an-jotom-po;
tsy amim-pizakazakana ny Eglizy,
fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry;
ka rahefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry,
dia handray satroboninahitra tsy mety simba ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6

Ny Tompo no mpiandry ahy, tsy orin’inona aho.

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inona aho:
izaho ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy fanahy.

Tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany!
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza:
satria Ianao miaraka amiko;
ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy!

Rosoanao sakafo
eo imason’ny rafiko aho:
ka ny loha mitavona ilo,
ny kapoaka safomorona!

Eny, hatsaram-po sy hasambarana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no fonenana
taona maro mifandimby.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.
na: Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo. (Karemy)

Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatotampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)

Ianao no Piera, ary homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany nanao hoe:

“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”

Ary hoy ireo:

“Ny sasany manao hoe: i Joany Batista,
ny sasany i Elia,
ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?”

Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:

“Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona.”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato),
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko,
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao ety an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao ety an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe i Mompera Jean Désiré Razafinirina... ♦ Navoakan'ny CENI omaly ireo volavolan-tetiandrom-pifidianana amin'ity taona ity. Hotanterahana mialohan'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolontsaina ny an'ireo Solombavambahoaka... ♦ Tsy ankasitrahan'ny Amnesty International ireo sazy vaovao anatin'ny lalàna ampiharina amin'ireo mpanolana zaza tsy ampy taona. Naneho hevitra momba izany ny solontenany aty atsinanana sy atsimon'i Afrika... ♦ Mbola nanamafy ny hitohizan'ny fanafihana any amin'ny Bande de Gaza ny praiministra israeliana, omaly. Teratany palestiniana 52 isa indray no namoy ny ainy tany Rafa, vokatry ny hetsika ara-miaramila nataon'i Israel...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...