Mandaitra ary tonga any amin'ny RAY ny vavaka ataontsika miaraka amin'i Jesoa Kristy. Ny zavatra niseho teo amin'ny fotoana lehibe nanaovana batemy an'i Jesoa teo Jordany dia vokatry ny fifantohana nataony nivavaka dia nipaka hatrany amin'ny RAY ary nanokatra ny lanitra ny vavaka nataony. Ny fankalazana ny Sakramenta ny Batemy dia ilana fifantohana satria tena vavaka io, hajaina ireo torolalana ara-litorijika... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
♦ Manomboka midina an-kianja ireo Minisitra anatin'ny Governemanta vaovao. Miteraka fifanitsahana andraikitra ny fisiana Minisitra sy Sekreteram-panjakana amina sehatra mitovy, hoy ny mpamakafaka pôlitika iray... ♦ Miakatra tsikelikely ny vidin'ny vary gasy eny amin'ireo tsena eto Antananarivo. Ariary zato isan-kilao eo io fiakaram-bidy io, hoy ny filohan'ny PMH... ♦ Manambana ny hitokona indray ireo mpianatry ny Oniversiten'i Maninday any Toliara, raha nanao fanambarana. Mpianatra miisa 361 no voalaza fa mbola tsy mandray vatsim-pianarana taom-pianarana 2023-2024 hatramin'izao...
♦ Tontosa omaly ny Eokaristia fanirahana ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly sy famaranana ny Fihaonambe Nasiônaly notanterahan'ny AFAFI-FET teto Madagasikara, tany amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Manentana antsika mianakavy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, mba hanao hatrany ny vavaka isan-tokantrano hangatahana ny hanandratana ho Olomasina an'i Victoire Rasoamanarivo... ♦ Nanentana ny mpino hanaraka an'i Jesoa, na dia sarotra aza izany, ny Papa François nandritra ny vakaka Angelus omaly...
♦ Tsy afaka miasa ankalalahana ny mpikamban'ny governemanta fa misy mibaiko azy ireo hoy ny filohan'ny antoko MTS Rolant Ratsiraka... ♦ Miandry ny famahana ny olana sôsialin'ny mponina ny solombavambahoaka miaradia amin'ny fitondrana... ♦ Efa miroborobo ny sehatry ny fambolena any Ambatofinandrahana, olana ny fiovan'ny toetr'andro... ♦ Naneho ny firaisan-kinany sy nangata-bavaka ho an'ireo olona sy firenena ahitana ilay valan'aretina MPOX i Papa François nanditra ny famaranana ny vavaka Angelus omaly... ♦ Nahery vaika ny tifitra nataon'i Hesbolah tany Israely omaly, Rôkety miisa 320 no nalefan'izy ireo tany Tel Aviv...
Miara-mivavaka amin'ny vahoakan'Andriamanitra mpanota i Jesoa Kristy. Tsy irery akory isika rehefa mivavaka hoy ny Papa François fa miaraka mivavaka amintsika mandrakariva i Jesoa Kristy, ary izay no maha-olon'ny vavaka azy. Manamafy izany ny famantaran'ny hazofijaliana ataontsika isaky ny hanomboka vavaka miantso an'Andriamanitra Trinite Masina mba hiaraka hivavaka amintsika... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Alahady faha-21 mandavantaona - B : I Kristy fidina, i Kristy tompoina ; Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao. Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay. Ny bokin'i Jôsoe dia mitanisa ny zava-nisy nanamarika ny fidiran'ny vahoaka Israely tao amin'ny tany nampanantenaina. I Jôsoe dia mpitsara izay nampivory ny vahoaka teo amin'ny toerana atao hoe Sikema ; nampanao safidy an'ireo vahoaka i Jôsoe ny amin'izay andriamanitra tiany hotompoina. Tsy nanery ireo vahoaka i Jôsoe fa nanome ohatra izy ary nanambara hoe : Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny Tompo. Fakam-panahy ho antsika ny mahita ny maro mandao ny andraikiny, koa aza matahotra ny handeha irery sy hijoro amin'ny finoana...
Rehefa nanatona an'i Joany Batista i Jesoa mba hatao Batemy hiombonany fiainana amin'ireo vahoaka jody namany ; te hampianatra antsika i Jesoa fa Izy aza Andriamanitra manatona mba hibebaka, maika fa isika izay zanaky ny ota ary nandova fahotana indray ve no tsy hatao Batemy? Tsy natao Batemy amin'ny rano mba hahamasina Azy i Jesoa fa Izy no nanamasina ny ranon'i Jordany... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
♦ Tsy voahaja ny resaka fifandanjana isam-paritra anatin'io firafitry ny governemanta vaovao ny Praiministra Ntsa Christian io, hoy ny solombavambahoaka teo aloha Keron Idealson... ♦ Nanome toky ny hijery ny mahakasika ny fidangan'ny vidin'entana sy hanohy ny fametrahana ny taniketsa indostrialy ny ministry ny indostria sy ny varotra... ♦ Hijery manokana ny lafiny tsy fandriam-pahalemana sy hanampy ireo tantsaha ny solombavambahoaka voafidy teo Tsironomandidy, tontosa omaly ny lanonana fametrahana samboady azy ireo... ♦ Niala an-daharana tsy ho isan'ireo mpifaninana hiazakazaka hiady ny toerana ao amin'ny maison blanche ny kandidà tsy miankina Robert Kennedy, hanohana an'i Donald Trump ny tenany...
♦ Notanterahina tao amin'ny kianjasoa Antsiranana ny lanonana fanokafana ny kongresy Eokaristika Nasiônaly andiany faha-III, eto Madagasikara... ♦ Nandray ny asany avy hatrany ireo ministra vao notendrena tamin'ny alalan'ny famindram-pitantanana omaly, samy nampanantena ny hiasa mafy araka ny fangatahan'ny filoham-pirenena izy ireo... ♦ Nahitam-bokany amin'ny famokarana herinaratra ny nandefasana orana artifisialy, andalam-pananganana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro ihany koa ny orinasa JIRAMA... ♦ Any Bangladesh : olona 4,5 tapitrisa voatery nafindra toerana, 13 hafa namoy ny ainy vokatry ny tondra-drano manerana ny firenena...
Nanatona an'i Joany Batista ireo vahoaka nahatsapa ny fahotany mba hatao Batemy hoy ny Papa ; izay atao Batemy dia mahazo famelana ny fahotana noho izy anisan'ny sakramenta famelan-keloka ary fibebahana. I Jesoa natao Batemy dia mandray anjara amin'ny vavaky ny vahoaka ary miara-mivavaka amintsika. Ny vavaka no zavatra voalohany nataon'i Jesoa raha nanomboka ny asany am-pahibemaso Izy... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Nandray anjara mavitrika tamin'ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny toe-karena eny ambanivohitra na ny FIER MADA andiany faha-25, natao teny Andohatapenaka ao Antananarivo renivohitra ireo fikambanana mandrafitra ny réseau SOA. Nanohana tamin'izany ireo mpiara-miombon'antoka samihafa toa ny FFF FAO. Afapo ireo tantsaha mpikamban'ny Réseau SOA nandray anjara tamin'ny tsenabe.
♦ Manana ny toerana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ankehitriny, i Madagasikara, ary mandroso ny fifandraisantsika amin'ny any ivelany, hoy ny Filoham-pirenena. Mitaky fotoana anefa ny ezaka atao hampamiratra an'i Madagasikara, hoy izy... ♦ Tokony ho olona tia tanindrazana sy mahafantatra ny olana iainan'ny vahoaka ary hitondra vahaolana momba izany, ireo Minisitra vao notendrena, hoy ny Solombavam-bahoaka Fetra Rakotondrasoa...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco