Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa. 4, 32-35)
Niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra;
tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombonany daholo ny zavatra rehetra.
Tamin-kery lehibe no nanamarinan’ny Apôstôly ny nitsanganan’i Jesoa Tompo ho velona,
ary fahasoavana be no teo amin’izy rehetra.
Tsy nisy mahantra teo amin’izy ireo,
satria izay rehetra nanan-tany na trano,
dia nivarotra azy ary nitondra ny vidin’izay lafo,
ary nametraka azy teo an-tongotry ny Apôstôly,
ka nozarazaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 117, 2 sy 4. 16 sy 18. 22 sy 24
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Valion’ny fokon’i Aarôna:
Valion’ny matahotra ny Tompo:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Aleo mialoka amin’ny Tompo
toy izay amin’ny olombelona;
aleo matoky ny Tompo
toy izay amin’ireo mpifehy.
Nanandratra ahy ny tanan’ny Tompo;
ny tanan’ny Tompo naneho hery!
Nokapohiny tokoa moa aho;
nefa tsy foiny ho faty.
Ny vato narian’ny mpanao trano
no indro tonga fehizoro;
ny Tompo no nanao izany:
zava-mahagaga imasonay!
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 5, 1-6)
Ry malala,
izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy,
dia nateraka avy amin’Andriamanitra;
ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy,
dia tia Azy naterany koa.
Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika,
dia ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny.
Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an’Andriamanitra
ary tsy mavesatra ny didiny,
satria izay nateraka avy amin’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao;
ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao
dia ny finoantsika.
Iza àry no maharesy an’izao tontolo izao,
afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra?
Dia Izy no ilay avy tamin’ny rano sy ny ra;
tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ra;
ary ny Fanahy no manambara,
satria ny Fanahy no fahamarinana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy, fa sambatra izay tsy nahita ka nino.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-31)
Nony hariva ny andro voalohany amin’ny herinandro,
raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra
noho ny fahatahorany ny Jody,
dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany,
sy nilaza tamin’izy ireo hoe:
“Ho aminareo anie ny fiadanana!”
Nony efa nilaza izany Izy,
dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany,
ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.
Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo:
“Ho aminareo anie ny fiadanana!
Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa”.
Rehefa nilaza izany Izy,
dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe:
“Raiso ny Fanahy Masina:
ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela,
ary izay hotananareo dia ho voatana”.
Fa i Tômà ilay atao hoe Didimo,
anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa,
tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa.
Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy:
“Efa nahita ny Tompo izahay”.
Fa hoy izy tamin’izy ireo:
“Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika
ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako,
ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako,
dia tsy hino aho”.
Nony afaka havaloana,
raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany,
sady tao koa i Tômà,
dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana.
Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe:
“Ho aminareo anie ny fiadanana!”
Ary hoy Izy tamin’i Tômà:
“Ataovy eto ny rantsan-tananao,
ka zahao ny tanako ary arosoy ny tananao
ka atehefo eto amin’ny tratrako;
dia minoa, fa aza malain-kino”.
Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe:
“Tompoko sy Andriamanitro!”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy;
sambatra izay tsy nahita ka nino”.
Maro koa ny fahagagana hafa nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianany
no tsy voasoratra amin’ity boky ity.
Fa voasoratra ireto mba hinoanareo,
fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra
ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nosokafana ho an'ny mpitsangantsangana avokoa ireo zaridaina tao Antananarivo Renivohitra omaly, ny roa tamin'ireo no nadoavam-bola... ♦ Tsy hisy fiforonana andro ratsy mety hampidi-doza hahakasika an'i Madagasikara mandritra ity herinandro ity, raha ny vinavinan'ny Météo. Miisa telo ireo olona tsy hita popoka ary 18 no maty, vokatry ny oram-be sy ny rivodoza, hoy ny BNGRC... ♦ Hifarana amin'ity herinandro ity ny fahafahan'ireo maniry ho kandidà, ho Solombavam-bahoaka, manatitra ny antontantaratasy eny amin'ny OVEC...
Manoloana ny asa andavanandro dia tsy ampy ny fanaraha-maso ny fiainan'ny ankizy sy ny tanora. Ny ankizy dia lasa manaraka ny fironan-kolon-tsaina misy : tsy afaka ny hanao raharaha ao an-trano fa tokony hanana mpanampy. Tototry ny fahasahiranana amin'ny lafiny rehetra ny ray aman-dreny, tsy mahavita ny fianarany hatramin'ny farany ny tanora, sarotra ho azy ireny ny hiditra amin'ny fianan-tokan-trano. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
Dingam-piainana lehibe, sarobidy sady masina ho an'ny tanora lahy sy vavy ny fidirana amin'ny fiainan-tokan-trano. Tsy misy fianarana manokana tena mahakasika ny fiainana sy ny ho avy manontolo, koa mila fiomanana sy fanabeazana izany. Manana adidy araka izany ny ray aman-dreny mba hikolokolo ny zaza sy ny tanora amin'ny lafiny rehetra ary hitantana azy ireo amin'ny lalan-tsara. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
Izay rehetra mahita na mandre ny fanalan-jaza nefa tsy miteny dia miray tsikombakomba amin'io asa ratsy io. Ny fanohanana ny fanalan-jaza dia fandraisana anjara amin'izany fahotana lehibe izany ary tsy ahafahana mandray kôminio ho an'ny mpino katôlika. Ny Sakramenta dia rafitra misy ao amin'ny Fiangonana, tsy mendrika handray anjara amin'ny Kôminio Masina ny olona manohana ny fanalana zaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
Ny filaharana dia tsy inona fa Sakramenta manome ny fahefana sy ny fahasoavana, ilaina amin'ny fanantanterahana ny raharaha masina, sady manisy amin'ny fanahy ny marika maha pretran'i Jesoa Kristy. Ny raharaha masina fanaon'ny pretra dia ny manao lamesa sy manome Sakramenta ary ny mitory ny Evanjely. Ny maha filaharana azy dia satria izy misy ambaratonga maro : Eveka, Pretra, diakra... Ny Alakamisy Masina no nanaovan'i Jesoa Kristy ny sakramentan'ny Filaharana. Ny Eveka ihany no manao ny filaharana. Ilaina ny Pretra satria izy ireo no manao ny lamesa sy mizara ny sakramenta...
♦ Manoloana ny fetin'ny paka sy ny toe-draharaha eto amin'ny firenena dia namoaka hafatra ny avy amin'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara... ♦ Very hasina ny tolom-panafahana nataon'ireo maery fo tamin'ny taona 1947 hoy ny mpitolona Bekotromaroholatra... ♦ Misokatra ny OVEC manerana ny nosy amin'izao fetin'ny Paka izao sy ny faran'ny herinandro, mandray sy mikirakira ny taratasy mikasika ny fifidianana solombavambahoaka... ♦ Lany ho filoha ao Sénégal ilay mpanohitra Bassirou Diomaye Faye...
Alahadin'ny paka : Nitsanga-ko velona tokoa i Jesoa ; efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin'ny Tompo. Tsy zavatra efa lasa no ankalazaintsika amin'ny Paka fa tena miditra ao amin'ny Misterin'ny Pakan'i Jesoa isika olombelona, dia izy nijaly sy maty ary nitsanga-ko velona. Isaky ny manao ny Sorona Masina ny Eglizy dia mankalaza ny Pakan'i Jesoa. Isaky ny manatrika ny lamesa sy mankalaza ny Paka isika dia mihaona amin'i Jesoa tafatsangan-ko velona. Ny fijoroana vavolombelona dia mitaky fiovan-toetra, satria efa nodiovin'i Jesoa, rehefa resiny ny fahafatesana, dia ny toetra ratsy sy ny tsy mety natao teo aloha, ary izany no ezaka amin'izao Paka izao, ka mba ho hafaliana ho ao an-tokantrano...
♦ Samy nodidin'ny HCC hiala tsy ho parlemantera intsony na ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa, na Razafimahefa Herimanana izay Filohan'ny Antenimieran-doholona teo aloha... ♦ Nampita hafatra ankolaka ho an'ireo nitsikera ny tolom-bahoaka eto amin'ny firenena ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana 1947... ♦ Miaina anaty rano ny any Ambilobe vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza, miantso vonjy ankoatra izay ireo mponin'i Toamasina izay milomano anaty rano... ♦ Tamin'ny alalan'ny fahita-lavitra no nanarahan'ny Papa François ny lalan'ny Hazofijaliana omaly Zoma Masina...
Ny fandresena ny fahantrana sy ny fikarohana ny fitsaboana ary ny fanampiana ny ray aman-dreny no ilaina hamafisina, aoka hanangana tontolom-piainana miaro ny aina amin'ny alalan'ny soatoavina Malagasy fototra dia ny fihavanana. Misaotra an'ireo fikambanana miaro sy manampy ny ray aman-dreny mitondra vohoka isika ka hanampy azy ireo handray am-pitokiana ilay fanomezana kely vaovao dia ny zaza hateraka. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
Tsimok'aretina anisan’ny miparitaka be indrindra eto Madagasikara ny VIH/SIDA amin’izao fotoana. Tanora maro ary tsy mifidy saranga no voan’ity aretina ity. Antony iray mahatonga ny firoboroboany be loatra ny fivoaran’ny teknôlôjia sy ny fiparihan'ny zava-madomelina eto amintsika. Ny fandaharana dia hiarahana amin’ny Taranaka Sambatra sy ny Centre Arrupe Madagascar. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco.
Reny sy mpampianatra ny Eglizy ka adidiny ny mikolokolo sy mikarakara ny zanany rehetra na lehibe na kely na mbola any am-bohoka, mpampianatra sy mpaminany ka tsy mitsahatra manoro ny marina na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana, ary ny marina dia i Kristy. Izy no maha olon'afaka antsika (Jo 17, 17). Reny natao hamelona ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny mpitondra firenena, manana adidy hiaro ny aina. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco