♦ Ny orinasa Green Mada Land no nahazo ny fifanarahana hanofa mandritry ny 50 taona azo havaozina ny Nosy Sakatia araka ny fampahafantarana nataon'ny Ministeran'ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany... ♦ Anjaran'ny Faritra Anôsy indray no nisitraka ny fandaharan'asa Fijery Hafa ka vehivavy voafonja miisa 15 nahavita fiofanana momba ny zaitra tao amin'ny fonjan'i Taolagnaro no notoloran'ny Ministeran'ny Fampianarana teknika sy Fanofanana Arak'Asa mari-pahavitana fiofanana... ♦ Miditra amin'ny andrana ara-teknika tapany fahatelo ny zotra volomboasary miainga eo amin'ny La City Ivandry hatrany Ambatobe ny fitanterana an-tariby (TPC)...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...