Ny anaran-toerana dia misy niaviany daholo. Saika ny toerana eto Madagasikara manomboka any avaratra hatrany atsimo dia misy tantarany manokana avokoa. Any avaratra any misy toerana atao hoe "ANTANAVO" : nisy lahy antitra iray tonga nivahiny tao nandalo, nangetaheta ka nangataka rano anefa tsy nisy nanome afatsy olona, mihataka kely ilay tanàna ; nanozona ilay toerana sy ny olona nonina teo ilay lahy antitra, nihatra ny ozona ka lasa voay sy difotry ny rano ny toerana ; faritra andrefana "MADIROVALO" izay tantaran'i Adamalandy ; avaratra-atsinanana dia ao Ambatondrazaka no misy an'ANDREBABE, toerana tazana lavitra fa rehefa hatonina dia tsy hita...

[Vaovao manokana] Alarobia 19 aogositra 2026

Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...