Alakamisy 30 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 44-52 — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona ; ary hiditra amin'ny voninahiny.
♦ Niampy iray indray ny faritra ahitana olona mitondra ny Coronavirus eto Madagasikara. Tranga iray no hita tany Tolagnaro, faritra Anosy... ♦ Nanao aro-tava avokoa ny 75% ireo olona teny an-dalambe raha ny tatitra nataon'ny tompon'andraikitra... ♦ Mitaky ny hanokafana ny toby fiantsonanan'ny fiara ireo misahana ny zotram-pirenena eny amin'ny fasan'ny Karana...
♦ Olona efatra vaovao indray no sitrana soa aman-tsara teto Madagasikara tamin'ireo nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Matoky tanteraka ilay fanefitra novokarin'ny IMRA, dia ny CVO Organics ny any Guinée-Bissau, tarihin'ny Filohany Andriamatoa Umaro Sissoco Embaló... ♦ Amin'ny ankapobeny dia 75% ireo olona teny an-dalambe dia nitondra ny aro-tava avokoa nanomboka androany...
♦ Tsy tokony hanaovana ady hevitra pôlitika ny voka-pikarohan'ny Malagasy mpikaroka hoy i Ramatoa Lalatiana Ravololomanana... ♦ Vehivavy miisa 160 hatramin'ny omaly no nisitraka ny fitaterana maimaim-poana mankany amin'ireo hôpitaly lehibe telo ampiharana ny fitaterana maimaim-poana ny vehivavy mitondra vohoka, iarahana amin'ny FNUAP...
Alarobia 29 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40 — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony ; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
♦ Ho voasazy ireo mivoaka ny trano ka minina tsy mitondra sy manao araon-tava. Fepetra mihatra manomboka androany... ♦ Manao antso avo amin'ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny ny FFKM mba hohajaina ny fahafahan'ny renetra amin'ny safidiny izay ataony fa tsy atao an-tery ny fanomezana ny tambavy any an-tsekoly... ♦ Hampiato ny asany manomboka androany ny ankamaroan'ny fiara fitateram-bahoaka ao an-drenivohitra...
♦ Namoaka fanambarana ny diôsezin'Antananarivo, momba ny fanapahan-kevitra noraisina ho an'ny kristianaina... ♦ Misy mitaraina ny mpanjifa amin'ny fanararaotana sy fanambakana ataon'ny Banky iray ao an-drenovohitra... ♦ Mirongatra ny vaky trano eny amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra eny Ankatso II sy Ambohipo...
Talata 28 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 30-35 — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin'ny mazava ; isika izay navotany tamin'ny Rany.
♦ Olona iray vaovao mipetraka eny Soanierana indray no voaporofo fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Namoaka fanambarana ny KMF/Cnoe Fanabeazana Olom-pirenena, manoloana ny ady hevitra amin'ny fampiasana ny COVID Organics... ♦ Tombanana ho ny volana mey izao vao hiverina ny fampianarana eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo...
♦ Olona iray vaovao indray no voaporofo fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Tsy naneho hevitra velively momba ny CVO i Son Eminence le Cardinal Tsarahazana Désiré, Arsevekan'i Toamasina tamin'ny fanambarana nataony omaly... ♦ Tsy manakana ny fampiasana ny tambavy CVO ny Académie Nationale de Madagascar...
Alatsinainy 27 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 22-29 — Nahita Ahy ianao ka mino, fa sambatra izay tsy nahita ka mino.
24 aprily — Ny Fidèle resahana eto dia ilay avy any Sigmaringen. Teraka ny ôktôbra 1578 tao Sigmaringen i Fidèle. Marc Roy no tena anarany. Noheverina fa nianatra tao amin'ny sekolin'ny zezoita tao Fribourg izy, avy eo nandalina ny filôzôfia tao Strasbourg ary namarana sy nahazo ny mari-pahaizana momba izany ny taona 1601.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco