Nandefa taratasy fanentanana ny mpino ny Papa François, hanao sapile mandritra ny volana mai , volan’i Masina Maria. Nisy ihany koa ny vavaka manokana nosoratany hiarahana amin’ny Masina Maria, fitalahoana amin’izao valanaretina izao. Indro àry lahatsoratra feno, voadika amin’ny teny Malagasy:

♦ Hiaka-dapa indray anio ny parlemanta malagasy. Tsy eny Tsimbazaza fa etsy amin'ny Foibe fandraisana fivorian iraisam-pirenena no hanaovana ny lanonam-panokafana ho an'ny Solombavam-bahoaka... ♦ Mijanona ho 151 ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara tamin'ireo fitiliana natao... ♦ Nampiato ny fitateram-bahoaka ao an-drenivohitra sy ny manodidina ireny ny vondron'ny mpitatitra UCTU sy ny UCTS nanomboka androany...

♦ Tsy nisy olona nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus androany raha ny vokatry ny fitiliana nataon'ny Institut Pasteur... ♦ Nihamafy nanomboka androany ny sazy nampiharina ho an'ireo tratra tsy mitondra aro-tava mandeha eny an-dalambe... ♦ Misy fiaramanidina iray sy sambo miisa telo, miaramila 200 efa hetsehin'ny Tafika Malagasy amin'ny fiarovana ny sisin-tanin'i Madagasikara...

Alarobia 06 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 44-50 — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin'ny mazava ; isika izay navotany tamin'ny Rany.

♦ Namantatra ny zava-misy momba ny tazo mahery Dengue mahazo ny olona any Mahajanga ny iraky ny fitondrana foibe... ♦ Mirongatra ihany koa ny tazomoka any amin'ny distrikan'Iakora faritr'Ihorombe... ♦ Nanamarika ny ny 03 mey, Andro eran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ny mpanao gazety tany Bongolava...

Talata 05 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 22-30 — Ny ondriko mihaino ny feoko ; hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka Ahy

♦ Ho voasazy hanao asa ho tombon-tsoany'ny vahoaka mandritra ny tapak'andro izay tratra tsy manao aro-tava mivezivezy eny anivon'ny fiaraha-monina... ♦ Tafakatra 151 ny isan'ny olona voatily ka mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Nomarihina omaly ny Andro eran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety...

♦ Tsy maintsy hihena hatramin'ny 2% ny taham-pitomboana ara-toe-karena malagasy noho ny Coronavirus hoy ny CREM... ♦ Mikatso tanteraka ny sehatry ny asa tanana ankehitriny, noho ny fihibohana hiadiana amin'ny Covid-19... ♦ Tokony hisy ny fivorian'ny parlemanta na dia mbola hotohizana aza ny hamehana ara-pahasalamana hoy ny Solombavam-bahoaka Voninahitsy Jean Eugène...

Voajanahary ho an'ny olombelona ny asa. Mila tiavina sy hajaina ny asa noho izany, mba hampivelarana ny tena sy hampivoarana ny fiaraha-monina : Ny hevitry ny asa ao amin'ny Soratra Masina, miaraka amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina.

Alatsinainy 04 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 11-18 — Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa.

♦ Olona 04 indray no voamarina ho mitondra ny tsomok'aretina Coronavirus eto amintsika, raha ny tarehimarika ôfisialy omaly... ♦ CVO 118 baoritra no natolotry ny fitondrana Malagasy maimaim-poana ho an'ireo firenena 15 mivondrona ao amin'ny CDAO... ♦ Nangina ny fanamarihana ny fetin'ny asa omaly teto amintsika, noho ny fihibohana ho amin'ny ady amin'ny Covid-19...

♦ Niarahaba manokana an'i Madagsikara noho ny voka-pikarohana nahafahana namoaka ny tambavy CVO ireo Filoham-pirenena Afrikanina maro omaly... ♦ Tsy nisy nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus avokoa ireo olona 121 natao fitiliana tato anatin'ny 24 ora... 

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...